VIHY
Ireo vongana roa eo ambanin’ny filahiana. Anisan’ireo nanan-takaitra ka tsy nahafeno fepetra ho mpisorona ny lehilahy torotoro vihy, araka ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely. (Le 21:17-21, 23) Masina mantsy ny asan’ny mpisorona, satria solontenan’ilay Andriamanitra masina teo anatrehan’ny Israely izy ireo. Mifanitsy amin’izy ireo koa i Kristy mpisoronabe sy ireo rahalahiny tsy misy tsiny izay ho mpisorona miaraka aminy any an-danitra. (He 7:26; Ef 5:27; Ap 14:1, 5; 20:6) Tian’Andriamanitra hanan-janaka handimby azy koa ny mpisorona. Nahazo nihinana tamin’ny zava-masina nomena ho sakafon’ny mpisorona ihany anefa izay lehilahy nanan-takaitra.—Le 21:21, 22.
Tsy azo natolotra ho sorona ny biby iray raha toa ny vihiny ka voaporitra, na torotoro, na tapaka, na voaongotra. (Le 22:24; ampit. Ml 1:6-8; 1Pe 1:19.) Tsy novosirin’ny Israelita àry ny biby fiompiny, satria tsy maintsy nentiny tany amin’ny toerana masina izay biby rehetra tiany hohanina. Tany ireo biby no novonoina sy natao fanatitra iombonana vao nohanina. Toy izany koa no nataon’ny Israelita nipetraka tsy lavitra an’i Jerosalema, tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Le 17:3-5; De 12:20-25.
Hoy ny Lalàna: “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny lehilahy izay torotoro ny vihiny na nesorina ny filahiany.” (De 23:1) Tsy hoe efa hoatr’izay akory izy hatramin’ny vao teraka na hoe niharam-boina (ampit. Le 21:17-21; De 25:11, 12), fa niniany nesorina ny filahiany, noho izy nanao firaisana tamin-dehilahy, ohatra. Tsy nahazo niditra ho anisan’ny fiangonan’Israely àry izy, izany hoe tsy nahazo nifanerasera tamin’izy io, ka voaro ny fahadiovan’ny fiangonana.
Nasongadin’ny Lalàna fa nanaja ny zon’ny lehilahy sy ny vadiny hiteraka i Jehovah, ary tsy tokony hosimbana ny taovam-pananahana nomeny ny lehilahy sy ny vehivavy. Nasaina nitondra loloha ny vadin’ny rahalahiny efa maty, ohatra, ny lehilahy iray mba hamelo-maso ny anaran’ny rahalahiny sy hananan’izy io mpandova. (De 25:5-10) Voalazan’ny Lalàna koa fa raha misy roa lahy miady, ary tamy ny vadin’ny anankiray mba hanampy azy ka mandray an’ilay lehilahy iray avy eo amin’ny filahiany (mety tsy ho afaka hiteraka intsony ilay lehilahy vokatr’izany), dia tokony hotapahina ny tanan-dravehivavy. (De 25:11, 12) Tsy nampiharina teo ilay lalàna ao amin’ny Deoteronomia 19:21. Tsy nilaza mantsy Andriamanitra hoe tokony hosimbana koa ny taovam-pananahan’ilay vehivavy na ny an’ny vadiny. Ho afaka hiteraka ihany àry izy mivady, ka tsy ho lany taranaka ilay lehilahy.
Tsy nanan-kery intsony ny Lalàna noho ny soron’i Kristy, ka nahazo niditra ho anisan’ny fiangonana kristianina ny lehilahy torotoro vihy na nesorina ny filahiany. (Kl 2:13, 14) Nasongadin’ny Lalàna anefa ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny taovam-pananahana. Tsy mety àry raha manaiky fandidiana mety hanimba ny taovam-pananahany ny Kristianina iray, nefa tsy misy antony marim-pototra akory. Tsy mankasitraka an’ilay fanomezan’Andriamanitra izy raha manao izany.
Filahiana. Avy amin’ny teny hebreo basar (a.b.t.: nofo) ilay hoe filahiana ao amin’ny Levitikosy 15:2, 3. Tsy resahina eo ny momba ny vihy.—Jereo MADIO, FAHADIOVANA; ampit. Is 57:8.
Nivavaka tamin’ny filahiana ny mpanompo sampy fahiny, ary manao hoatr’izany koa ny firenena sasany ankehitriny. Mety ho sarina filahiana ilay “rantsankazo” resahin’ny Ezekiela 8:17. Nivavaka tamin’ny sarina filahiana àry ny Israelita nivadi-pinoana, tamin’ny andron’i Ezekiela.