TOPAZA
Vatosoa mafy sy mangarahara amin’ny endriny kristaly ny karazana topaza fanao ravaka. Fliôsilikatina alminiôma izy io. Mafy noho ny vatokaranana (quartz) izy io, ary any anaty lavadavaka amin’ny vatolampy granita no matetika ahitana azy. Tsy misy lokony ny topaza sasany, fa misy koa ny miloko fotsy, mavo, volontsôkôlà tanora, mena manopy mavokely, ary indraindray maitso na manga matsatso. Ny topaza mavo tanora no be mpitia indrindra. Avy amin’ny teny grika hoe tôpaziôn ny hoe topaza, ary avy amin’ny anaran’ny Nosy Topaza any amin’ny Ranomasina Mena io teny io. Avy tany no nahazoan’ny Grika ny vato topaza, izay noresahin’i Pline Zokiny sy ny mpanoratra hafa fahiny sady fantany tsara. Miresaka momba ny topaza avy any Kosy, faritra amoron’ny Ranomasina Mena, ny bokin’i Joba.
Anisan’ny vatosoa teo amin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’i Arona Mpisoronabe ny topaza. Izy io no vato teo afovoany, teo amin’ny laharana voalohany, ary natao sokitra teo amin’izy io ny anaran’ny iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. (Ek 28:2, 15, 17, 21; 39:10) “Voaravaka vatosoa isan-karazany” ny fototr’ilay “tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao, nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra.” Topaza no vato fototra fahasivy.—Ap 21:2, 19, 20.