Ny Fomba Hananarana An’ireo Zatra Manota
18 Raha toa àry ny lehilahy manambady iray ka mifanerasera miafina amin’ny vehivavy hafa iray, nefa manao izay inoana izy fa manana fiainana madio ary manaiky andraikitra masina eo anivon’ny fiangonana mihitsy aza, ary amin’ny farany dia mandao ny vadiny mba handehanana miaraka amin’io vehivavy hafa io, moa ve ireo anti-panahy hiahotrahotra handroaka azy tsy ho anisan’ny fiangonana? Azo antoka fa tsia. Rehefa ren’ny apostoly Paoly fa ny lehilahy iray dia nanao tokantranomaso tamin’ny vehivavy iray izay niharihary fa mbola vadin’ny rainy, dia nananatra ny fiangonana izy mba hanao zavatra tsy misy hataka andro, mba ‘hanesorana ilay mpanao ratsy tsy ho eo amin’izy ireo.’ (1 Korintianina 5:1-5, 12, 13) Toy izany koa, ireo anti-panahy dia hiseho ho malina tokoa rehefa hoe hanaiky fangatahana hiverina avy amin’ny olona toy izany, satria izy io tsy nanao na inona na inona mety hanosika azy ireo hatoky azy, hino ny fahatsoran’ny teniny. Raha toa, amin’ny farany, ka tafaverina indray eo anivon’ny fiangonana izy, amin’ny ho avy ireo anti-panahy dia tsy hanankina aminy andraikitra lehibe raha tsy amim-pahamalinana aoka izany.