Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ao amin’ny Jaona 6:53, moa ve i Jesosy tsy miteny afa-tsy amin’ireo kristiana voahosotra rehefa manambara hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.”
Nandritra ny taona maro izahay dia nanazava fa ireo teny ireo dia tsy nahakasika afa-tsy ireo kristiana voahosotra hakarina any an-danitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy. Kanefa, ny fandinihana indray an’io raharaha io dia mitarika antsika hanitatra ny fampiharana ny Jaona 6:53.
Taloha izahay dia nihevitra an’io andinin-teny io araka ny fanazavan’ny andininy hafa maromaro izay mampiasa fitenenana sahalahala aminy. Ohatra, ny fitenenana hoe ‘manana fiainana ao amin’ny tena’ dia mampahatsiahy ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Jaona 5:26, tsy iresahana afa-tsy ny amin’i Jehovah sy Jesosy. Kanefa, araka ny hazavainay ao amin’ny pejy faha-11 sy 12 amin’ity gazety ity, dia ny teny manodidina amin’ny Jaona 5:26 no mahatonga ho afaka hahazo ny hevitry ny fitenenana hoe ‘manana fiainana ho Azy’ hita ao amin’io andininy io. Ny fanambarana voatantara ao amin’ny Jaona 6:53 anefa dia natao herintaona taty aoriana, ao anatin’ny teny manodidina hafa.
Ny antony hafa iray nandraisanay tamin’ny fomba hafa ny hevitry ny teny ao amin’ny Jaona 6:53 taloha, dia satria i Jesosy niresaka ny amin’ny ‘fihinanana ny nofony’ sy ny ‘fisotroana ny rany’. Ireo teny ireo dia misy fitoviana sasany amin’izay nambarany rehefa nanorina ny Sakafon’ny Tompo izy. Tamin’izay fotoana izay, dia nangataka an’ireo mpianany ho voaray ao anatin’ny fanekena vaovao sy ao anatin’ny fanekena ho amin’ny fanjakana iray izy mba handray ny marika (ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay) izay nampiseho ny nofony sy ny rany (Lioka 22:14-22, 28-30). Mety anefa amin’io toe-javatra io koa ny hijerena amim-pitandremana ny teny manodidina ny Jaona 6:53.
Rehefa nanonona ireo teny ireo Jn 6:53 i Jesosy, dia mbola nisy herintaona tokony handalo alohan’ny hanorenany ny Sakafon’ny Tompo. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpihaino azy afaka nieritreritra fankalazana isan-taona hisian’ny marika ara-bakiteny hampiseho ny nofony sy ny rany. Ny foto-kevitra novelabelarin’i Jesosy ao amin’ny Jaona toko faha-6, ny nitarika ny fanaporofoan-keviny, dia nihodinkodina kosa nanodidina ny fampitahany ny nofony tamin’ny mana. Nisy tsy fitoviana anefa. Ny nofony (ary hiresaka ny amin’ny rany koa izy) dia sarobidy kokoa noho ny mana ara-bakiteny, satria izany natolony ho fiainan’izao tontolo izao, ka nahatonga hety hisy tamin’izany ny fiainana mandrakizay. — Jaona 6:48-51.
Noho izany, ny fandinihana indray io raharaha io vao haingana dia nampiseho fa ny fanambaran’i Jesosy voatantara ao amin’ny Jaona toko faha-6 dia herintaona taty aorian’ny voarakitra ao amin’ny Jaona 5:26 ary herintaona talohan’ny fotoana nanorenan’i Jesosy ny Sakafon’ny Tompo. Nodinihina tamim-pitandremana koa ny teny manodidina indrindra ny Jaona 6:53. Noho izany antony izany, ny lahatsoratra ho hitanao ao amin’ny pejy faha-15 ka hatramin’ny faha-20 amin’ity gazety ity dia manao fampiharana malalaka kokoa ny Jaona 6:53, fampiharana sady mahakasika ireo kristiana voaray ao anatin’ny fanekena vaovao ho amin’ny fiainana any an-danitra no mahakasika ireo izay manana fanantenana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany.
◼ Toa tsy mifanaraka daholo ireo Filazantsara sy ireo boky misy fanamarihana, momba ny andro nisakafoan’i Jesosy tao an-tranon’i Simona boka, tany Betania, sy nanosorana azy tamin’ny menaka manitra. Oviana no nitranga izany fisehoan-javatra izany?
Toa tamin’ny 9 Nisana (araka ny fanisanandro jiosy) taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana. Kanefa araka ny voalazanay eto ambany rehefa manome ny antony mitarika anay hanatsoaka izany hevitra izany izahay, dia ho tsapanao fa ny fianarana mitohy ny Tenin’Andriamanitra dia mety hanome anao fahafahana hahazo fahalalana sy fahaizana bebe kokoa ny amin’izany.
Misy firesahana ny amin’io fanasana io ao amin’ny telo amin’ireo Filazantsara efatra (Matio 26:6-13; Marka 14:3-9; Jaona 12:2-8). Niresaka ny amin’izany Matio sy Marka rehefa avy nitantara ny nidiran’i Jesosy tamim-pandresena tany Jerosalema, ny nanozonany ilay aviavy tsy namoa sy ny valinteny nomeny ireo apostoliny momba ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Matio sy Marka dia milaza aorian’ny fitantarana momba ny fanasana, ny fihaonan’i Jodasy mba hifanaraka tamin’ireo filohan’ny Jiosy, ny amin’ny hamadihana an’i Jesosy. Araka ny fanazavan’ireo tantara roa ireo, io sakafo io dia toa natao tamin’ny 12 Nisana, izany hoe, zara raha nisy roa andro talohan’ny namadihana an’i Jesosy sy namonoana azy, ny 14 Nisana. Noho izany antony izany, ny tabilao ara-pandaharan-taona maro momba ny fiainan’i Jesosy, ka ny sasany moa hita ao amin’ireo boky navoakanay taloha, dia manondro an’io fanasana io ho tamin’ny 12 Nisana.
Ny Jaona toko faha-12 dia mametraka ny fanasana nataon’i Simona ao anatin’ny teny manodidina hafa. Ny Jaona 12:1 dia mitantara fa Jesosy dia tonga tany Betania, tany akaikin’i Jerosalema, ‘henemana talohan’ny Paska’, ka izany dia tokony hifanitsy amin’ny 8 Nisana. Avy eo, ireo Jn 12 andininy faha-2 ka hatramin’ny faha-8 dia milazalaza sakafo hariva natao tany Betania, raha mbola mampahafantatra antsika ny Jn 12 andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-11 fa nisy Jiosy nahare filazana momba ny nahatongavan’i Jesosy ka tonga mba hahita azy. Araka ny Jn 12 andininy faha-12 ka hatramin’ny faha-15, “nony ampitson’iny” Kristy dia niditra tamim-pandresena tao Jerosalema (jereo Asan’ny apostoly 20:7-11). Araka izany, dia miharihary amin’ny Jaona 12:1-15 fa nisakafo tao an-tranon’i Simona i Jesosy ny harivan’ny 9 Nisana, ka ny hariva dia nanamarika tao amin’ny fanisanandro jiosy, ny fanombohan’ny andro vaovao iray; avy eo, tao anatin’io andro io ihany (9 Nisana), dia niditra tany Jerosalema i Jesosy.
Amin’ireo zavatra roa mety ho marina vao nojerentsika teo, dia ny faharoa no azo inoana kokoa. Nahoana? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia aoka hampitahaintsika ireo fitantarana isan-karazany sy ny teny manodidina azy. Na Matio na Marka dia samy tsy milaza ny datin’ilay fanasana tao an-tranon’i Simona. Tantarain’izy ireo kosa fa tao anatin’io fisakafoana io, dia nanohitra ny mpianatra sasany satria Maria nandraraka menaka sarobidy teo amin’i Jesosy; nolazain’i Jaona mazava fa Jodasy fatra-pitia vola no fototr’izany fanoherana izany (Matio 26:8, 9; Marka 14:4, 5; Jaona 12:4-6). Araka ny nasehonay, Matio sy Marka dia milaza aorian’ny fisehoan-javatra tamin’ilay fanasana, ny nihaonan’i Jodasy tamin’ireo mpisorona mba hamerana ny vola horaisiny raha mamadika an’i Jesosy izy. Tena azo inoana àry fa Matio sy Marka dia mametraka amin’io toerana io ny fitantarana momba ilay fanasana mba tsy hiovana foto-kevitra, amin’ny fampitohizana ny fisehoan’ny fitiavam-bola nananan’i Jodasy tamin’ny fiafarany.
Jaona kosa anefa dia milaza mazava ny datin’ilay fanasana, ka izany dia mampiseho fa tantarainy araka ny fandaharan-taona ny fisehoan-javatra. Manatsoaka hevitra àry izahay fa ny sakafo hariva natao tao an-tranon’i Simona dia nanaraka ny nahatongavan’i Jesosy tany Betania, ny 8 Nisana taona 33. Aoka hotadidiantsika koa izao antsipiriany tantarain’i Jaona izao: rehefa nisy Jiosy ‘nahare fa tany Betania Jesosy’, dia tonga tao Jerosalema izy ireo mba hahita azy sy mba hahita an’i Lazarosy (izay nonina tany Betania ka nasaina tao amin’ilay fanasana ireo anabaviny). Ny fitsidihan’ireo Jiosy izay vao nandre indrindra ny nahatongavan’i Jesosy tany Betania, dia azo inoana tokoa fa talohan’ny nankanesan’i Jesosy tany Jerosalema, ary tsy isalasalana fa anisan’ny nahatonga ny fandraisana mafana natokana ho azy rehefa niditra tao amin’ilay tanàna izy “ny ampitson’iny”, tao anatin’ny andro 9 Nisana.
Ireo fanontana vao haingana ny tabilaon’ireo “Fisehoan-javatra lehibe indrindra tamin’ny fivahinian’i Jesosy teto an-tany” dia mihevitra ny fandinihana amim-pitandremana indray an’io raharaha io izay nahatonga anay hanao izany fanatsoahan-kevitra izany (jereo, ohatra, izany tabilao izany ao amin’ny fanontana tamin’ny 1985 ny Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures). Na dia mety ho toa tsy dia manao ahoana sy ara-teknika fotsiny aza izany fanitsiana izany, dia manazava tsara fa isika rehetra dia afaka mampitombo ny fahalalantsika sy ny fahaizantsika ny Tenin’Andriamanitra hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra.