Boky fianarana vaovao iray ho amin’ny fitoriana
TAMIN’NY fivoriamben’ny distrika “Ireo mpihazona tsy fivadihana” an-jatony maro natao tamin’ny 1985 sy 1986, dia nambara ny fivoahan’ny boky fianarana vaovao iray ho amin’ny fitoriana izay navoaka amin’ny fiteny maromaro. Io boky io dia hahatonga ho afaka hanampy ny olona hahazo valiny araka ny Baiboly mahafapo amin’ireo fanontaniany. Izy io dia boky 448 pejy mitondra ny lohateny hoe Comment raisonner à partir des Ecritures. Inona no sasantsasany amin’ny zavatra mampiavaka azy?
◻ “Fampidiran-dresaka ho amin’ny fitoriana.” Izany dia nangonina avy amin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy distrika, mpitory maharitra sy loholona za-draharaha naharitra tamin’ny fitoriana ary mahazo vokatra tsara amin’io asa io.
◻ “Ny fomba famaliana ireo fanoherana.” Asehon’io fizarana io ny fomba azo amaliana fanoherana toy ny hoe: “Tsy mahaliana ahy izany”, “Manana ny finoako aho”, “Sahirana aho” sy maro hafa koa. Raha misakana anao tsy hanao fanambarana ao amin’ny faritaninao izany karazam-panoherana izany, dia ho hitanao ao ny hevitra vaovao hahasoa anao tokoa. Io fizarana io dia mampiseho koa filazana mora ampiharina izay hahatonga anao ho afaka hiresaka amin’ny bodista, hindoista, jiosy sy miozilimana.
◻ Lahatsoratra 70 mahery. Ho hitanao indrindra ny lahatsoratra hoe “Fanalana zaza”; “Zavatra mahadomelina”, “Momba ny lahy sy vavy”, “Spiritisma”, “Fampiakarana ny Fiangonana”, “Fety”, “Fidirana indray ao amin’ny nofo hafa” sy “Trinite”. Ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo lahatsoratra ireo dia omena ny fanipazan-kevitra momba ny fomba famaliana fanontaniana apetraky ny olona matetika amin’izao androntsika izao. Ohatra: “Inona no manaporofo fa tsy niova ny teny voarakitra ao amin’ny Soratra Masina?”; “Misy ‘fotoana voatendry hahafatesana’ ve ho an’ny tsirairay avy amintsika?” “Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fahoriana?” Misy fanipazan-kevitra hafa koa aseho ny amin’ny fomba famakafakana miaraka amin’ny olona izay milaza hoe: “Olona no nanoratra ny Baiboly”; “Manana ny hevitro manokana momba an’Andriamanitra aho”; “Manana fiainana mahitsy aho. Tsy manisy ratsy ny namako aho. Tsy hitako indray izay tokony hatao mihoatra noho izany.” Fanoherana maro be hafa no heverina koa. Izany fanipazan-kevitra izany dia nangonina tamin’ny kristiana miaina any amin’ny tany 18. Ny fampiasana io boky io dia mety hahatonga anao ho afaka handray soa amin’ny fanandraman-javatra nangonin’ny hafa tamin’ny famakafakana avy amin’ny Soratra Masina hatramin’ny am-polony taona maro.
◻ Io boky io dia tsy manandrana mitady fanaporofoan-kevitra ho an’ireo izay tsy maneho fanajana ny fahamarinana mihitsy. Izy io kosa dia mirakitra filazana sarobidy izay hahatonga anao ho afaka hiara-hamakafaka amin’ny olona, isaky ny homena fahafahana hanao izany ianao. Misy olona mametraka fanontaniana tena iriny hahazoana valiny mahafapo. Ny hafa mianina amin’ny firesahana amim-piaikena sasany ny zavatra inoany, mandritra ny resaka. Misy anefa angamba olona iresahana malala-tsaina vonona ny hihaino fiheverana hafa noho ny azy. Raha izany no izy, io boky fianarana io dia hanampy anao be dia be hampiseho mazava amin’izy ireny ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Aza misalasala ny manokatra azy io sy mamaky tapany avy ao.
◻ Mifanaraka amin’ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly fony izy nitory tany Grisia, io boky io dia maka amim-pahalalana tanteraka, teny avy ao amin’ny bokin-tantara, “encyclopédies”, boky ara-pivavahana, diksionera araka ny Baiboly sy boky hafa. Amin’io boky fianarana io, dia afaka mampiasa izay rehetra ilainao ianao.
◻ Ireo pejy fito amin’ny indeksa sy andinin-teny ao amin’ny Baiboly dia hanampy anao hahita haingana ny valin’ireo fanontaniana apetraka aminao.
◻ Ento miaraka aminao any am-pitoriana foana io fanampiana sarobidy io. Atolory ny olona miara-mianatra ny Baiboly aminao izay mampiseho faniriana ny hiresaka amin’ny mpiara-belona aminy izay nianarany izy io. Amin’ny ankapobeny, dia tsy hatolotra ny vahoaka akory io boky io. Kanefa raha misy manontany anao raha afaka hahazo anankiray aminy izy, dia aza misalasala manome azy.