Iza moa ireo izay mandositra ny zavatra tena misy?
“MANDOSITRA ny zavatra tena misy” izy. Izany no hevitry ny mpianakaviny iray ny amin’ny minisitra kristiana tanora iray. Nankany Pasifika Atsimo tokoa izy io mba hanao ny asa misionera any. Ary tsy isalasalana mihitsy fa olona be dia be no hiombon-kevitra amin’izany. Ohatra, tao amin’ny fampielezam-peo tany Nouvelle-Zélande, dia nisy filazana fa rehefa miharatsy ny toe-javatra ara-toe-karena, dia olona maro be no mahita fa ny finoana dia karazam-pialana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hanandrana hiala amin’ny zavatra tena misy izy amin’ny fampitodihana ny sainy any amin’ireo fahitana hafahafa, tarehin-javatra, fanaovan-javatra an’eritreritra fotsiny...
Kanefa, tena azo atao ve ny milaza fa ireo izay manokana ny fiainany ho amin’ny zavatra ara-panahy dia mandositra ny zavatra tena misy? Na ahoana na ahoana, dia tsy nieritreritra izany Jesosy Kristy. Tsy nihevitra ny finoana an’Andriamanitra ho hevi-dravina fotsiny izy, ho zavatra noforonina na vokatry ny fakana sary an-tsaina fotsiny. Izao no ambarany ao amin’ny Jaona 7:28: “Tsy avy ho Ahy Aho, fa marina [misy tokoa, MN ] ny naniraka Ahy.”
Tsy milaza anefa akory izany hoe nino an’Andriamanitra tamin’ny tsy fanaovana na inona na inona i Jesosy. Nahatsiaro ho voatosika hanolotra ny fiainany ho an’ny Rainy izy tamin’ny filazana hoe: “Inty Aho tonga (...) hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô.” (Hebreo 10:7). Amin’izao andro izao, ny kristiana marina dia tsy mahatsiaro ho kely adidy kokoa noho Jesosy. Manazava izany ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’i Timoty, loholona fantatra tsara teo anivon’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato I. Fantatr’i Paoly fa ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona dia nanana fananana ara-nofo be dia be. Noho ny finoan’izy ireo niorina tamin’ny zavatra tena nisy anefa, izany dia hamporisika azy ireny hampiasa izany fananana izany. Izao no nambaran’i Paoly: “Toroy hevitra ireo izay manana harena eo amin’izao tontolo izao mba tsy hiavonavona; ilazao izy ireny mba tsy hametraka ny fanantenany amin’izany harena tsy azo antoka tokoa izany, fa hametraka izany amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zavatra rehetra mba hifaliantsika. Toroy hevitra izy ireny mba hanao soa, hanan-karena amin’ny asa tsara, halala-tanana sy ho vonona hizara amin’ny hafa. Amin’izany izy ireo dia manangona harena mafy orina ho amin’ny ho avy, ary dia ho afaka hahazo ny tena fiainana izy ireo.” — I Timoty 6:17-19, La Bible en français courant.
Ny kristianisma àry dia tsy natao handosirana ny zavatra tena misy. Izany kosa aza dia mitaky ny hanatontosana amin-kerim-po ny andraikitry ny tena. Tsy zavatra foronin’ny saina fotsiny akory ilay Andriamanitra ivavahantsika. Tena misy tokoa izy io. Ampoky ny soa sy misy heviny ny fiainana atokantsika hanompoana azy. Ny fanantenantsika valisoa ho avy dia tsy miankina velively amin’ny fanombantombanana manjavozavo, fa mahita fototra azo antoka amin’ireo fampanantenan’ny Andriamanitra iray tsy mahay mandainga. — Hebreo 6:18.
Ahoana anefa ny amin’ireo izay tsy miaiky ny amin’ny ilàna hanompoana an’Andriamanitra ka manorina ny fiainany manodidina ny fananana ara-nofo na ny raharaha sasany mampiseho fitiavan-tena? Moa ve tsy izy ireny no mandositra ny zavatra tena misy?
Solomona mpanjaka hendry dia nampiasa fitenenana toy ny hoe “zava-poana” sy “misambo-drivotra” mba hilazalazana fiainana nitanan’ny zavatra hita maso sy ny fahafinaretan’ny nofo toerana lehibe. Nolazalazainy tamin’izao teny izao ny fiafarany: “Ary na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ny fisasarako rehetra. Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro.” — Mpitoriteny 2:10, 11.
Eny, na dia ny fiainana feno fanaranam-po aza dia mety hitondra fahafahampo sasany. Tsy hita amin’izany anefa ny tena heviny sy ny fahasambarana maharitra. “Zava-poana” fotsiny ny fiainana toy izany. Raha ny marina, ny teny hebreo nadika hoe “zava-poana” dia adika ara-bakiteny hoe “fofonaina” ka noho izany dia mahatonga hihevitra ny amin’ny fihilangilanana sy ny tsy faharetana. Noho izany antony izany no ampiasan’ny Baibolin’i Chouraqui ny teny hoe “setroka”.
Noho izany antony izany, ny olona iray manana ny karazam-piainana nolazain’i Solomona hoe “zava-poana” dia tsy tsara toerana indrindra mba hiampanga ny kristiana iray ho miery ao anatin’ny fahafahampo hevi-dravina fotsiny. Raha ny marina, dia milaza ny apostoly Paoly fa “eo am-piovana ny sehatr’izao tontolo izao”. (I Korintiana 7:31, MN.) Eo izy dia mampitaha an’izao tontolo izao ratsy amin’ny sehatra iray izay hiova tsy ankijanona ny ravaka aminy. Izay toa marevaka, mahafinaritra, azo lazaina hoe mahatalanjona androany, dia mety ho efa nanjavona rahampitso. Tsy ela dia soloana ireo “mpilalao” ao amin’ny andro iray ary, na dia ao aza ny fiezahany rehetra, dia tsy mandray soa maharitra mihitsy avy amin’ny fiainana izy. Tsy manana tena fanantenana ho amin’ny ho avy izy ireo.
Izany no nolazain’i Philip Chesterfield, tandapa sady mpandahateny anglisy tamin’ny taonjato faha-18: “Nandihy ny dihin-kadalam-pahafinaretana aho ary dia nandao izany rehetra izany. Nanandrana ny fahafinaretana rehetra eo amin’izao tontolo izao aho ary mankamamy izany araka ny tena vidiny marina, izay manify dia manify, raha ny marina (...). Rehefa eritreretiko izay hitako, (...) sy izay nataoko, dia tsy afaka mampino tena aho fa tena misy izany fihetsiketsehana tsinontsinona amin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao izany.”
Ny kristiana kosa anefa dia sahala amin’i Abrahama, izay “nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana (...), Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany”. (Hebreo 11:10.) Koa satria azo antoka ny finoan’izy ireo, dia tsy mila fialana velively izy fa manokana ny fiainany amin’ny asa izay mitondra fahafahampo ho azy ireo. Ary ianao, ataonao inona ny fiainanao? Moa ve izany fandosirana eo anoloan’ny zavatra tena misy fotsiny, sa naorinao mafy teo amin’ny zavatra tena misy izany?