Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Marika mampiavaka ambony ho an’ireo mpianany
IREO filoha ara-pivavahana dia nihevitra an’i Jesosy ho mpandika ny lalàn’Andriamanitra, ary vao haingana aza dia niara-nioko hamono hahafaty azy izy ireo. Nanohy ny Toriteniny teo an-tendrombohitra àry i Jesosy ka nanazava hoe: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.”
Nanaja aoka izany ny Lalàna nomen’Andriamanitra i Jesosy, ary namporisihiny ny mpihaino azy mba hanahaka azy. Tonga hatramin’ny filazana toy izao izy: “Na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy”, izany hoe tsy hiditra mihitsy ao amin’ilay Fanjakana izany olona izany.
Tsy nanamavo velively ny Lalàna i Jesosy, fa melohiny na dia ireo fihetsika mety hanosika ny olona handika izany aza. Rehefa avy nampahatsiahy izy fa nanambara ny lalàna hoe: “Aza mamono olona”, dia izao no teny nanampin’i Jesosy: “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra [tezitra foana, MN ] amin’ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ny fitsarana.”
Koa satria ratsy tokoa ny ho tezitra hatrany amin’ny naman’ny tena, ka mety hitarika ho amin’ny famonoana olona aza izany, dia nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana ny hoe tokony ho tonga hatraiza ny tena mba hanjakan’ny fihavanana. Nandidy toy izao izy: “Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.”
Nampitodika ny sain’ny mpihaino azy ho amin’ny didy fahafito i Jesosy ka nanohy tamin’izao teny izao: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga.’ ” Nomelohin’i Jesosy anefa na dia ny fihetsika maharitra mety hitarika ho amin’ny fijangajangana aza, satria izao no nambarany: “Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery [tsy mitsahatra mijery, MN ] vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.”
Eo i Jesosy dia tsy miresaka ny amin’ny eritreritra maloto mihelina; misy firesahana ny amin’ny ‘tsy fitsaharana mijery’. Izay manohy toy izany mijery vehivavy dia manaitra ao aminy faniriana mahery izay, raha miseho ny fotoana hahafahana hanao izany, dia mety hiafara amin’ny fijangajangana. Ahoana no hisakanana izany? Ao amin’ny fanoharana hafa iray, dia asehon’i Jesosy amintsika fa mety hiharihary fa ilaina ny fandaharana hentitra. Hoy izy: “Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy (...). Ary raha ny tànanao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho izy, ka ario ho afaka aminao.”
Ekena matetika ny hanaovana sorona ny rantsam-batana marary iray mba hamonjena ny ain’ny tena. Kanefa, araka ny tenin’i Jesosy, dia mbola iankinan’ny aina kokoa ihany ny ‘anesorana hiala’ na inona na inona — na dia zavatra sarobidy toy ny maso na ny tanana aza — mba hanalavirana izay rehetra mety ho eritreritra na fanaovan-javatra maloto. Raha tsy izany, hoy Jesosy amintsika, ilay meloka dia hatsipy any amin’ny Gehena (toerana iray, tany akaikin’i Jerosalema, nandoroana ny fako), ka izany dia mampiseho fandringanana mandrakizay.
Nasehon’i Jesosy koa ny fomba tokony hitondrana tena eo anoloan’ireo izay mitady hanimba antsika na hanafintohina antsika. Nanome izao torohevitra manaraka izao izy: “Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.” Tsy te-hilaza akory i Jesosy fa rehefa misy mamely ny tena dia tsy tokony hiaro tena na hiaro ny ankohonan’ny tena. Tsy omena mba handratrana ara-batana akory ny tehamaina, fa mba hanevatevana kosa. Noho izany, raha manandrana miteraka fifandirana na tabataba ny olona iray, na amin’ny tena fanomezana tehamaina tokoa na amin’ny fanononana teny manevateva, dia ambaran’i Jesosy fa ho ratsy ny hamaliana ratsy.
Taorian’ny nampahatsiahivana izay lazain’ny Lalàna momba ny fitiava-namana, dia nanome izao torohevitra izao i Jesosy: “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.” Manome antony tsara dia tsara amin’izany izy rehefa manampy teny hoe: “Mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.”
Namarana io tapany amin’ny toriteniny io tamin’izao fananarana izao i Jesosy: “Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.” Tsy te-hilaza akory i Jesosy fa azo atao ny ho tanteraka amin’ny heviny feno, fa, amin’ny fanahafana an’Andriamanitra, dia azontsika atao ny manitatra ny fitiavantsika na dia amin’ireo fahavalontsika aza. Ny fitantaran’i Lioka mifanitsy amin’izany dia manonona ireto tenin’i Jesosy ireto: “Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.” Matio 5:17-48; Lioka 6:36.
◆ Nahoana no azo atao ny milaza fa nampiseho fanajana lehibe ny Lalàna i Jesosy?
◆ Inona moa no toromarika nomen’i Jesosy mba hanilihana tanteraka ireo antony miteraka famonoana olona sy fijangajangana?
◆ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanoro hevitra izy mba hanolotra ny takolaka iray?
◆ Amin’ny heviny ahoana isika no afaka ny ho tanteraka tahaka an’Andriamanitra?