Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ahoana no tokony hataon’ny kongregasiona rehefa mandao ny finoana kristiana marina ny olona iray ka mitodika any amin’ny fivavahana hafa?
Izany dia zavatra nitranga indraindray tamin’ny taonjato I; takatra àry ny hisian’izany koa amin’izao andro izao. Rehefa mitranga izany, dia manao araka ny mety ny kongregasiona mba hiarovana ny fahadiovana ara-panahin’ireo mpikambana ao aminy mahatoky.
Ny diksionera iray dia milazalaza toy izao ny amin’ny fivadiham-pinoana: “Fialana amin’ny fivavahana iray, mandrakariva mba hanarahana hafa iray. (...) Raha ny marina, famelana fampianarana iray, hevitra iray, antoko iray.” Noho izany, Jodasy Isikariota dia nanjary meloka ho nivadi-pinoana rehefa niala tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny famadihana an’i Jesosy. Taty aoriana, dia nisy kristiana hafa nanjary nivadi-pinoana rehefa nanda ny finoana marina, fony mbola velona aza ny apostoly Jaona sy ny mpianatra hafa voalohany. Izao no nosoratan’i Jaona: “Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany.” — I Jaona 2:19.
Inona no tokony hatao raha mitranga ny zavatra sahala amin’izany? Ireo loholona — na mpiandry — ao amin’ny kongregasiona dia mety handre fa tsy miaraka amin’ny olon’i Jehovah intsony ny kristiana vita batisa iray ka toa manaraka fivavahana hafa. Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy manoro hevitra mba hiahy ny amin’ny ondry maniasia rehetra, ireo mpiandry ara-panahy dia tokony hiezaka mba hanampy io kristiana io (Matio 18:12-14; jereo I Jaona 5:16). Fa inona no hataon’ireo loholona voatendry mba handinika ilay raharaha raha tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra izy ireo fa ilay olona dia tsy maniry hanana fifandraisana amin’ny vahoakan’i Jehovah intsony, ary tapa-kevitra ny hijanona ao amin’ny fivavahan-diso?
Hambaran’izy ireo amin’ny kongregasiona fotsiny fa niala an-tsitrapo io olona io, ka noho izany dia tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony. ‘Niala tamin’ny fivavahany’ izy, nefa tsy ilaina ny hanombohana fitsarana ho fandroahana. Fa nahoana? Satria efa niala an-tsitrapo tamin’ny kongregasiona io kristiana io. Azo inoana fa tsy manandrana mifandray amin’ireo rahalahiny taloha izy mba hitaona azy ireny hanaraka azy. Ireo kristiana mahatoky koa dia tsy mitady ny hiaraka aminy, satria ‘niala avy tamin’izy ireo izy, noho izy tsy naman’ireo’. (I Jaona 2:19.) Io olona ‘niala avy tao amintsika’ io dia mety handefa taratasy na zavatra voasoratra momba ny fivavahan-diso na ny fivadiham-pinoana. Izany no tsy isalasalana mihitsy fa hampiseho hoe ‘tsy namantsika’ ilay olona.
Ny Soratra Masina anefa dia mampitandrina antsika amin’ny olona sasany izay angamba hanandrana hitoetra eo anivon’ny olon’Andriamanitra noho ny fikasana ny hampaniasia kristiana hafa. Nampitandrina ny kongregasiona tamin’izao teny izao ny apostoly Paoly: “Avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny apostoly 20:30). Nanoro hevitra manokana ny kristiana izy mba ‘hitandrina ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaran’izy ireo, ary hiala aminy’. — Romana 16:17, 18.
Koa raha misy eo amin’ireo kristiana marina, olona manjary mpampianatra sandoka, tahaka an’i Hymeneo sy Fileto tamin’ny andron’i Paoly, dia ho voatery hanao fandaharam-piarovana ireo mpiandry ny andian’ondry. Raha mandà ireo fampitandremany voamariky ny fitiavana io olona io ka mikiry maniry hanorina antokom-pivavahana, dia ho afaka handroaka azy noho ny fivadiham-pinoana ny komitin-doholona iray (II Timoty 2:17; Titosy 3:10, 11). Tsy hanadino ny hanaraka ny torohevitr’i Paoly ireo rahalahy sy anabavy ao anatin’ny kongregasiona ka ‘hiala’ amin’izay manandrana ‘mahatonga fisarahana’. Nanome torohevitra sahala amin’izany toy izao i Jaona: “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory.” — II Jaona 10.
◼ Rehefa niverina ho any Jerosalema ny Jiosy taorian’ny fahababoany tany Babylona, 800 sa 1 600 kilaometatra no nalehany?
Ny elanelana nahitsy nampisaraka an’i Babylona fahiny tamin’i Jerosalema dia 800 kilaometatra teo ho eo. Ny dia tamin’io lalana io dia nahavoatery hamakivaky faritany tsy tsara honenana, nisy velaran-tany karankaina aoka izany, na efitra. Ny lalana hafa iray, avo roa heny eo ho eo ny halavany, dia nananika ny lohasahan’i Eofrata hatrany Harana, ary avy teo dia nidina teo Damaskosy nanandrify ny Tany nampanantenaina. Io lalana io no narahin’i Abrahama fony izy nitondra ny ankohonany avy tany Oran’ny Kaldeana ho any Kanana. — Genesisy 11:31 ka hatramin’ny 12:5.
Ny Baiboly dia tsy mampiseho ny lalana narahin’ny Jiosy mba hankanesana tany Jerosalema taorian’ny fahababoan’izy ireo tany Babylona (Ezra 8:1-32; 7:7-9). Noho izany, dia azo heverina ireo elanelana roa. Zava-dehibe lavitra anefa ny hoe ireny Jiosy tafaverina avy tamin’ny fahababoana ireny dia tsy maintsy nanafa-tena tamin’ireo zavatra inoana sy fanao babyloniana mba hahafahana manitsaka ny “Làlan’ny fahamasinana”. — Isaia 35:8-10; jereo ny pejy 153 ka hatramin’ny 157 amin’ilay boky hoe Fin prochaine de la détresse mondiale navoaka tamin’ny 1979.