Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Fanaovana ny marina ho fiderana an’i Jehovah
TAKIN’I Jehovah amin’ny mpanompony ny hanaovany ny marina, ho mahitsy sy ho mendri-pitokisana. Ohatra, nandidy an’i Mosesy izy mba hifidy “lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly” ho mpiandraikitra. (Eksodosy 18:21.) Toy ireo lehilahy nofidina tamin’ny Isiraely ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia fantatra ho mendri-pitokisana, araka ny asehon’ny fitantarana manaraka:
◻ Tao amin’ny banky iray any Ghana, ny mpitam-bola iray dia nanome tamim-pahadisoana vola 3 630 dolara mihoatra ny Vavolombelona iray miasa ao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao amin’io tany io. Samy tsy nisy nahatsapa izany teo na ilay mpitam-bola na ilay rahalahy. Kanefa, rehefa tonga tany amin’ny sampana izy, dia hitan’ilay rahalahy fa nihoatra ny vola noraisiny, ka niverina avy hatrany tany amin’ny banky izy. Nihiaka toy izao ilay mpitam-bola, raha vao nahatazana azy: “Oadray! niverina marina tokoa izy! David, namerina ny vola ilay namanao!” Ary noraisiny ilay vola. David, Vavolombelona iray miasa ao amin’io banky io ihany, dia nanome toky an’ilay mpitam-bola sy izay nahare fa hamerina ny vola ilay rahalahy raha vao mahita ny fahadisoana.
Araka ny teny fitantarana, dia nifantoka tamin’izy mirahalahy ny “maso rehetra, nandritra ilay fisehoan-javatra.” Nilaza toy izao ilay namerina ny vola: Fantatrareo, fa tsy ho afaka nihazona io vola io tamim-pieritreretana tsara eo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitro aho.” Vao mainka nampitombo ny fanajana efa nasehon’ny tompon’andraikitry ny banky ny Fikambanana Watch Tower izany zava-niseho izany.
Miteraka fanajana ny fanaovana ny marina, indrindra fa eo amin’izao tontolo izao tsy manao ny marina aoka izany. Fantatr’io rahalahy io fa tsy maintsy nampamoahina teo anatrehan’ny fisiana iray ambony kokoa noho ny olombelona, dia Jehovah Andriamanitra, izy. Manome voninahitra an’i Jehovah ny fanaovana ny marina toy izany, satria “Andriamanitra mahatoky izy, ka tsy misy ratsy ao aminy”. — Deoteronomia 32:4.
◻ Manazava ny maha-zava-dehibe ny hanaovana ny marina sy hihazonana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra koa izay nitranga tamin’ny zatovolahy iray tany Thaïlande. Nanao famandrihana tamin’Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! io tovolahy io, ary nanomboka nampihatra ny torohevitra ara-Baiboly novakiny tao amin’ireny gazety ireny. Noho io lehilahy io lehiben’ny firaharaham-bola, dia nanomboka nampiasa loha azy ny fieritreretany, satria ny orin’asany, toy ny maro hafa, dia nanana firaharaham-bola mirazotra mba handoavana hetra kely kokoa. Rehefa nambarany ny tale io zava-nanahiran-tsaina azy io, dia nianina tamin’ny fihomehezana azy fotsiny io. Avy eo dia namaky lahatsoratra vaovao iray nanamafy ny fanaovana ny marina tao amin’ny gazety iray io lehilahy io. Voakorontan’ny fieritreretany ilay mpandraharaha toe-bola, ka nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampy azy handamina io fahasahiranana momba ny hetra io amin’ny mpampiasa azy. Vola be no tafiditra tamin’izany. Ny ampitso maraina, dia nankany amin’ny tale izy, izay nampahagaga azy tamin’ny filazana taminy tsy nisy fiadian-kevitra ny fanekeny handoa ny hetra tokony haloa.
Amin’izao fotoana izao, dia faly io lehilahy io, satria manana fiainana marina eo imason’Andriamanitra sy ny olona. Mampifaly an’i Jehovah koa ny fahendrena toy izany, mifanaraka amin’ireto teny ao amin’ny Ohabolana 27:11 ireto: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”
[Sary, pejy 21]
“Tsy ho afaka nihazona io vola io tamim-pieritreretana tsara aho.”