Any amin’ireo nosin’ny Pasifika
“Mihainoa ny tenin’i Jehovah hianareo jentilisa, ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany.” (Jer. 31:10). Mankatoa ireo teny ara-paminaniana ireo ny Vavolombelon’i Jehovah ka mamakivaky ny fidadasiky ny ranomasimben’ny Pasifika mba hitoriana amin-jotom-po.
VANUATU: Ao amin’ny iray amin’ireo nosin’ny Vanuatu, dia olona maherin’ny zato no nivory tamin’ny Fahatsiarovana kanefa dia tsy nisy afa-tsy mpitory efatra ao amin’io nosy io. Ny mpikambana amin’ny antokom-pirazanana iray antsoina hoe namba kely dia nidina avy any an-tendrombohitra mba hihaino ny lahatenin’ny Fahatsiarovana. Tena taitra izy ireo nahafantatra fa misy fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Tamin’ny farany dia nanao izao fanamarihana izao izy ireo: “Izany no ilainay! Nandao ny fiangonanay izahay mba hiverina amin’ny fomban-drazanay satria tsy nirinay ny ho any an-danitra; ho tianay ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Lazao aminay aza fady tompoko raha toa ka ankasitrahan’ny Andriamanitrareo ny fomban-drazanay.” Nandritra ny alina manontolo dia nohazavain’ireo rahalahy tamin’ny fiteny teo an-toerana tamin’izy ireo ny ho avy mahatalanjona omanin’i Jehovah ho an’ny olombelona rehetra.
FIDJI: “Nisedra fanakantsakanana maro aho mba hahatongavana ho mpitory maharitra manokana, hoy ny nosoratan’ny anabavy tanora iray any Fidjy. Talohan’ny nahalalana ny fahamarinana, ny fitaoman’ireo tanora mitovy taona amiko dia nahatonga ahy haniry hitady harena sy ‘hiliba amin’ny fiainana’. Nifankahita tamin’ny lehilahy Aostraliana fotsy hoditra iray izay naniry ny haka ahy ho vady sy hipetraka any Aostralia aho. Tamin’izay indrindra no niditra teo amin’ny fiainako ny fahamarinana. Rehefa tafaverina teto Fidji io lehilahy io dia nanome ahy vola 600 dôlara mba hanomanako ny raharahanay. Mahalana ny ahitana tovovavy Fidjiana manana vola be toy izany eny am-pelatanany. Naveriko taminy anefa io vola io tamin’ny fanazavana aminy fa tokony hanambady ‘ao amin’ny Tompo ihany’ ny tenako. (1 Kor. 7:39.) Rehefa nahalala ny fanapahan-kevitro ireo ray aman-dreniko dia nisafoaka satria, ho azy ireo toy ny ho an’ny fianakaviana fidjiana rehetra, ny fanambadiana amin’ny Fotsy hoditra iray dia voninahitra ho an’ny fianakaviana. Nariany tsy ho zanany àry aho.
“Nanao fandrosoana tao amin’ny fahamarinana aho ka tonga hatramin’ny fahafahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra. Tamin’ny fotoana nanaovako ny fangatahako indrindra no niseho indray ilay Aostraliana mba hijery raha niova hevitra aho. Nohamafisiko taminy fa ny fahatapahan-kevitro hanompo an’i Jehovah dia vao mainka mafy tsy misy toy izany. Nandritra ity taom-piasana ity aho dia voatendry ho mpitory maharitra manokana ary sambatra aho ampiasain’i Jehovah mba hanao ny asany, raha mbola eo am-‘pihazonana ny tena fiainana’ aho.” — 1 Tim. 6:19.
IREO NOSY COOK: Any amin’ireo nosy Cook, ny Vavolombelona roa vita batisa vao haingana dia mpikambana nanan-kery tao amin’ny “Eglizy kristiana” eo an-toerana taloha. Ankehitriny izy ireo dia mandany hery amin’ny fanaovana fanambarana amin’ireo mpiara-miangona taminy taloha. Ny iray amin’ireo rahalahy ireo dia tena kinga tokoa amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka, ary entiny foana ny baiboliny na any anatin’ny fiarakodiany izany, na eny amin’ny trakterany na any amin’ny toeram-piasany. Manara-maso mpigadra sivy avy ao amin’ny tranomaizina eo an-toerana izy. Koa satria ireo lehilahy ireo nahazo lalana ny hivoaka tsy tapaka mba hiasa dia nampidirin’ilay rahalahy izy ireo hiasa ao aminy, nitoriany ary amin’izao fotoana izao dia miaraka mianatra aminy ireo. Mandray anjara tsy tapaka amin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy izy. Talohan’ny nahalalan’io rahalahy io ny fahamarinana dia tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy.
AOSTRALIA: Aostralia dia nosy iray izay ny velaran-taniny dia saika mitovy amin’ny an’i Etazonia. Any amin’ireo faritra sahala amin’ny efitra any afovoan-tany, ny kongregasionan’i Alice Springs dia manohana antokona tompon-tany maromaro mitokatokana. Mba hahatongavana any amin’ny toby sasany izay misy tompon-tany 150 dia tsy maintsy mandeha 300 kilaometatra, ka ny ankamaroan’ny fotoana dia amin’ny lalan-kely. Mahery indrindra ny spiritisma eo amin’izy ireo, kanefa dia olona manetry tena, tia fihavanana sy manam-paniriana ny hianatra izy ireo. Maro tamin’izy ireo no nanjary tia ny fahamarinana ary ny sasany aza dia ao anatin’ny fanompoana manontolo andro. Tsy ela izay, ny mpitory maharitra tompon-tany iray dia nampijanona ny fiarakodiany teo amin’ny toerana fividianana lasantsy. Koa satria nitafy tamin’ny fomba mendrika izy io, nanao palitao sy kravaty, dia nanontany momba ny asany ilay mpivarotra lasantsy. Nohazavain’ilay mpitory maharitra taminy fa Vavolombelon’i Jehovah izy ary manampy ny vahoaka tompon-tany mba hiaina tsaratsara kokoa. Nanohina an’ilay lehilahy ny teniny ka nirary soa ho azy io sady nanampy hoe: “Tsy misy vola tokony haloanao ny amin’ny lasantsy iny!” Taty aoriana dia niverina ilay rahalahy nitondra ny boky Hiaina mandrakizay izay noraisin’ilay mpivarotra lasantsy tamin-kafanampo. Tamin’ny manaraka, rehefa nandalo teo amin’io toerana io ilay rahalahintsika, dia nasehon’ilay mpivarotra lasantsy taminy ny fankasitrahany momba ilay boky, nisaotra azy noho ny niverenany indray izy sady nanampy hoe: “Raha ny amin’ny lasantsy dia tsy andoavam-bola e!”
Amin’izao fotoana izao dia halehibeazina ny sampana any Aostralia amin’ny fanampiana trano fanaovan-draharaha misy rihina roa. Ny isan’ny mpitory ao amin’io tany io tokoa dia nahatratra ny tampon’isa 44 362.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1987 (anglisy)