‘Manao ny asan’ny evanjelista’ ireo rahalahintsika any Amerika latina
“Tsy tapatapaka”. Izany teny izany no mamaritra tsara ny asan’ireo rahalahintsika any Amerika afovoany sy Amerika Atsimo. Nanao ezaka be dia be mba ‘hanao ny asan’ny evanjelista’ izy ireo nandritra ny taom-piasana lasa, araka ny asehon’ireto fitantarana manaraka ireto mazava tsara. — 2 Tim. 4:5.
Tany Brezila, ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, ary ny mbola zava-dehibe kokoa, ny hatsaran’ny fanompoany, dia mbola nitombo foana. 657 784 no isan’ny mpanatrika tamin’ny Fahatsiarovana, izany hoe nihoatra 23 % noho ny tamin’ny 1986. Nahazoana tampony vaovao enina ny isan’ny mpitory, ka ny azo farany dia nisy 216 216. Ankoatra izany, dia nisy 261 423 ny fampianarana Baiboly notarihina.
Ny hatsaran’ny fanompoan’ireo mpitory breziliana dia nasehon’ny fitomboan’ireo izay nirotsaka tamin’ny asa manontolo andro na ireo izay nifindra toerana mba hanokatra faritany vaovao. Impolo no nisy fanamarihana tampon’isan’ny mpitory maharitra mandavantaona tao anatin’ny taona. 750 mahery ny mpitory izay niasa tamin’ny faran’ny herinandro sy nandritra ny fialan-tsasatra tany amin’ny tanàna 110 fara fahakeliny izay tsy misy mpitory. Nahazo vokatra be dia be izy ireo. Nahapetraka zavatra vita an-tsoratra an’arivony maro sy nanomboka fampianarana Baiboly am-polony maro izy ireo ary nanao lahateny ampahibemaso maromaro. Ity taratasy manaraka ity dia mampiseho tsara ny fihetseham-pon’ireo olona maro tao amin’ireny faritra ireny, izay nampiseho fahalianana amin’ny fahamarinana:
“Sambatra tokoa aho satria nandefasanareo vehivavy tanora roa teto amin’ny tanànako, satria izany no nahafahako nahafantatra ny fandaminan’i Jehovah. Tena fitahiana ho ahy tokoa avy amin’i Jehovah izy mirahavavy ireo. Malahelo aho fa voatery handao anay tsy ho ela izy ireo. Ry ranadahy malala, raha azo atao, dia mba asaivo mijanona elaela kokoa eto aminay izy ireo. — R.P.”
Ny zava-nitranga iray nanamarika an’iny taom-piasana lasa iny dia ny fivoahan’ny fanontana vaovao amin’ny sora-baventy amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fanamarihana, amin’ny teny portioge. Niresaka ny amin’izany ny gazety sy revio maromaro. Ny revio Veja, any São Paulo, izay fanta-daza tsara, dia namoaka lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “NY BAIBOLIN’I JEHOVAH: ny fandikan-tenin’ny Soratra Masina feno indrindra hatrizay.” Izao indrindra no novakina tao:
“Tamin’ny herinandro lasa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia namoaka, eto Brezila, Baiboly iray mirakitra fanamarihana an-tsisim-pejy sy teny fampitahana maro tsy misy tahaka izany. Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao no lohatenin’io boky io (fanontana portioge misy fanamarihana), izay nomanina tany Etazonia, tamin’ny alalan’ny ôrdinatera. Voatonta ho boky iray misy 1 600 pejy izy io. Mendrika ny homarihina tokoa fa, eto Brezila, tamin’ny fanontana voalohany [an’io Baiboly vaovao io] dia nisy 50 000 ny indray nivoaka. Ny fanontana azo lazaina hoe tsara eo an-toerana anefa dia eo amin’ny 5 000 eo ho eo amin’ny antsalany, ny indray mivoaka.
Ireo gazety voatonta amin’ny loko efatra dia noraisin’ny olona tsara. Tsy mbola nahamarika famandrihana maro be toy izany ny sampana: 49 154 tao anatin’ny iray volana monja. Ny amin’izany indrindra, aoka horesahintsika, ohatra, ny amin’i Vincente, izay mpamily fiarandalamby. Noho izy mandeha matetika dia tsy manam-potoana firy izy amin’ny fanompoana isan-trano. Indray andro, dia novakiny tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana fa ny anabavy iray dia nahazo famandrihana 59 rehefa nanolotra izany tamin’ireo mpiara-miasa taminy. Nanapa-kevitra àry izy ny hanandrana hanao toy izany koa. Nataony ho zava-kendrena ny hahazo famandrihana folo amin’ny volana aprily. “Gaga be mihitsy aho, hoy ny nosoratany. Tao anatin’ny roa andro monja, dia tratrako ny zava-kendreko. Nampitomboiko ho 20 indray ny tanjona hotratrarina, nefa afaka 7 andro dia tratrako koa izany. Teo amin’ny antsasaky ny volana, dia tratrako ny tanjona fahatelo: famandrihana 30. Nanapa-kevitra àry aho ny hahazo sahala amin’ny an’ilay anabavy izay novakiko tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny filazana asany. Eritrereto ny fifaliako rehefa nahazo famandrihana 68 aho tao anatin’ny volana.”
Voatosika hirotsaka amin’ny asan’ny mpitory maharitra ny rahalahy iray noho ny fampirisihan’ireo loholona ary dia nofenoiny ny taratasy fangatahana hanao io asa io mandritra ny volana martsa. Nahita fifaliana be dia be tokoa izy tamin’izany hany ka notohizany tamin’ny volana aprily koa ilay asa. Nahazo famandrihana 79 izy nandritra ireo volana ireo, ka ny ankabeazany tany amin’ny toeram-piasany.
Na dia ny zazavavy kely iray efa-taona aza dia mba nanao ny anjarany koa. Indray andro, dia mba ta-hamaky boky ny naman’ny fianakaviany iray izay tonga nitsidika azy andro vitsivitsy. Hoy ny fanontaniany: “Tsy mba misy boky azo vakina ve ato an-trano ato?” “Ahoana hoe? Tsy misy azo vakina ato an-trano ato? hoy ny navalin’ilay zazavavy kely sady nitehin-kiho izy amin’izany. Andraso kely àry.” Lasa nihazakazaka nankany amin’ny efitranon-dreniny izy, nianika ny seza dia naka antontana gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! maromaro ka nentiny sy napetrany teo am-pelatanan’ilay vahiny sady hoy izy hoe: “Jereo amin’izay àry raha tsy misy hovakina ato!”. Tena nankasitrahan’ilay vahiny ny famakiana ireo gazety ireo, ka hoy ilay ankizivavy kely taminy: “Raha tianao, dia azonao atao ny mahazo an’izy ireny any an-tranonao amin’ny alalan’ny paositra.” Ny vokany: nahazo famandrihana roa izy.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1988 (anglisy)