“Mamaly amin’ny fomba tsy miolakolaka”
TAO amin’ny toriteny teo an-tendrombohitra i Jesosy dia niresaka ny amin’ny “lalàna sy mpaminany.” Mahaforona tapany fahatelo amin’ny Soratra hebreo ireo Soratra izay nisy ireo boky misy poezia, toy ny Salamo izay nisy ireo boky misy poezia, toy ny Salamo sy ny Ohabolana. (Matio 7:12; Lioka 24:44) Ireo koa dia mirakitra ny fahendren’Andriamanitra.
Nampitandrina toy izao ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely fahizay, ohatra, ny Ohabolana: “Izay manao amin’ny meloka hoe: marina hianao, dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena; fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. Izay mahavoa tsara amin’ny famaliana [izay mamaly amin’ny fomba tsy miolakolaka, MN ] dia manoroka ny molotra.” — Ohabolana 24:24-26.
Raha milefitra noho ny fanerena vokatry ny kolikoly na ny fiangarana atao amin’ny havana tokoa ny mpitsara iray ka manambara fa marina ny olon-dratsy, ny hafa dia hahita fa tsy mendrika ny hitana ny toerany izy. Eny, fa na dia ireo anisan’ny “firenena” jentilisa aza izay mahare momba izany fomba ara-pitsarana ratsy izany, dia hamaly azy amin’ny fomba feno fanamavoana! Etsy an-daniny kosa, raha toa ny mpitsara iray ka manome tsiny ny olon-dratsy iray amin-kerim-po ary mamaly ilay raharaha ara-pitsarana eo am-pelatanany amin’ny fomba tsy miolakolaka, dia hahazo ny fanajan’ny olona sy ny fitiavany izy. Ireo olona any lavitra dia ho voatohina haniry “fitahiana tsara” ho azy. Araka ny ilazan’ny Ohabolana azy manaraka: “Izay mamaly amin’ny fomba tsy miolakolaka dia manoroka ny molotra.”
Ny oroka toy izany dia mampiseho fifanajana — eo amin’ilay mpanome anatra sy ireo izay mankatò ny fananarany tsy miolakolaka. Na dia ilay nahazo fananarana aza angamba dia hamaly amin’ny fihetsika mankasitraka ary haneho firaiketam-po amin’ilay mpitsara. Hoy ny Ohabolana 28:23: “Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay noho izay mandrobo amin’ny lelany.” Ireo izay manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona ankehitriny àry dia tsy tokony hamela ny fifandraisany amin’ny namany na ny havany hanolana ny fitsarany. Raha manome torohevitra ilaina amin’ny fomba tsy miolakolaka ireo loholona, dia hahazo ny fanajan’ny kongregasiona.