Ny fifaliana amin’ny fijinjana any India
Nataon’i F. E. Skinner
TAMIKO, dia saika sarotra inoana ilay izy: fivoriambe 21 tamin’ny fiteny folo, olona maherin’ny 15 000 no nanatrika mba hianatra ny hevitry ny fahamarinan’Andriamanitra, ary 545 no natao batisa mba hanamarihana ny fitiavany an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana lehibe! Izany no fisehoan-javatra nisongadina indrindra tamin’ny taona 1989 ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 9000 eto India. Tamiko, dia antom-pifaliana iray manokana izany. Nahoana? Satria sarotra tamiko ny naka sary an-tsaina fisehoan-javatra nahatalanjona toy izany fony nametraka ny tongotro voalohany teo amin’ny tanin’i India aho tamin’ny jolay 1926. Tamin’izany, dia latsaka ny 70 ny mpitory ny hafatr’ilay Fanjakana tao amin’ilay tany manontolo. Fanendrena re izany nomena ahy sy ny namako izany, efa ho 63 taona mahery lasa izay!
Ny fomba nahatongavako teto India
Tamin’ny may 1926, dia nanatrika fivoriambe lehibe tany Londres, any Angletera, aho ary taorian’izay avy hatrany, dia nody tany amiko tany Sheffield. Roa andro taorian’izay, rehefa tonga avy tany amin’ny saha fitoriana aho dia niandry ahy ny telegrama iray. Izao no novakiko tao: “Ta-hahita anao ny mpitsara Rutherford.”
Ny rahalahy Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower faharoa, dia tonga avy tany New York noho ilay fivoriambe vao vita teo, ary mbola tao Londres izy. Ny ampitso marainan’iny, tao amin’ny fiarandalamby niverina nankany Londres, dia nanontany tena aho hoe: “Inona no dikan’izao?” Tao amin’ny biraon’ny sampana, dia nentina teo amin’i rahalahy Rutherford aho ary nanontaniany hoe: “Tsy mampaninona anao ve ny hiasa na aiza na aiza eo amin’izao tontolo izao?
— Tsy mampaninona ahy, hoy ny navaliko.
— Ho tianao ve ny ho any India?
— Rahoviana no tianao handehanako?” hoy ny navaliko tsy nisy fihambahambana. Noho izany, roa tokom-bolana tatỳ aoriana, dia teny ambony sambo nitodi-doha ho any India izahay sy i George Wright. 31 taona aho, ary tsy nisy fisalasalana mihitsy tao an-tsaiko na tao am-poko raha ny amin’izay tiako hampiasana ny fiainako.
Izay nampiova ny fizotry ny fiainako
Tamin’ny 1918 dia nifarana ny Ady Lehibe voalohany, ary vao avy nahavita efa-taona tao amin’ny tafika britanika aho. Nanintona ahy ny fakana sary sy ny fandefasana teny amin’ny radiao ary nisokatra teo anoloako ny fahafahana maro hahita asa tsara. Naniry ny hanambady koa aho. Tamin’izay fotoana izay anefa, dia teo am-pahatakarana zavatra izay nanova tanteraka ny fomba fijeriko ny fiainana aho.
Nandray boky maromaro tamin’ny Etudes des Ecritures ny raiko, ary nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny fianakavianay ny “colporteur” iray, anarana niantsoana ny mpitory maharitra tamin’izany. Mpampianatra taloha ilay ramatoa. Tatỳ aoriana, dia nisy antokona zatovolahy nitovy taona tamiko niaraka tamiko nankany an-tranony isaky ny asabotsy mba hisotro dite sy hianatra Baiboly. Nilaza taminay matetika izy mba hanekenay hampiasain’i Jehovah tamin’ny fitenenana hoe: “Aza mba mandà fanendrena mihitsy.” Nampirisika ahy hitoetra ho mpitovo koa izy.
Nisy fotoana nisalasalako ny amin’izay hataoko. Nanampy ahy ny tenin’i Jesosy tamin’ilay mpanapaka tanora nanan-karena voalaza ao amin’ny Matio 19:21 hoe: “Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.” Nametraka ny fialako tao amin’ilay orinasa niasako aho, ary tsy ampy telo volana dia tonga “colporteur” aho. Izany sy ny fanapahan-kevitro hitoetra ho mpitovo no nahatonga ahy ho afaka handray ny fanendrena sarobidy tany India, efa-taona tatỳ aoriana.
Saha vaovao midadasika
Tsy notendrena hanara-maso ny fitoriana ilay Fanjakana teto India fotsiny, i George Wright sy ny tenako, fa ny an’i Birmania koa (Myanmar ankehitriny) sy Ceylan (Sri Lanka ankehitriny). Tatỳ aoriana dia nampiana an’i Persia (Iran ankehitriny) sy Afghanistan izany. Kely kokoa noho ny an’i Etazonia ny faritanin’i India, nefa ny mponina dia miisa avo maro heny. Izy io dia tany misy sakafo sy fomban-drazana ary fiteny samy hafa, ary misy mponina manana finoana ara-pivavahana isan-karazany — ao ny hindoa, ny miozilimana, ny parsisy, ny jaìna, ny sikh, ary ny bodista mbamin’ny katolika sy ny protestanta.
Nanomboka tamin’ny 1905 ny asa fitoriana teto India, ary nanao dingana vaovao izy tamin’ny fandalovan’i Charles T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, tamin’ny 1912. Ny fanadinadinana nataon’i Russell tamin’i A. J. Joseph, mpianatra Baiboly tanora be zotom-po, no nitarika ho amin’ny fanaovana fandaharana naharitra mba hitohizan’ny asa fitoriana. Nandika zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tamin’ny fitenin-drazany, ny teny malayalam, i Joseph ary nitety tany sy nanao lahateny maro, indrindra fa tany amin’ny faritra atsimon’i India. Ankehitriny, dia eo amin’ny antsasaky ny mpitory karana no monina any amin’iny faritra itenenana ny teny malayalam iny, kanefa tsy misy afa-tsy eo amin’ny 3 % amin’ny mponina karana monja no monina any. Io faritra nantsoina hoe Travancore sy Cochin teo aloha io dia nanjary ny Fanjakan’i Kerala tamin’ny 1956.
Nifandimby izahay sy i George Wright tamin’ny fiantsorohana ny andraikitra tao amin’ny birao tao Bombay sy ny fandehanana tany ivelany ho amin’ny fitetezana tany miitatra noho ny fitoriana. Nandeha matetika tamin’ny fiarandalamby izahay, tamin’ny soavaly na tamin’ny saretin’omby. Tatỳ aoriana dia nampiasa fiarakodia izahay. Ny hany nokendrena tamin’izany dia ny hametraka zavatra vita an-tsoratra fotsiny sy hanasa ny olona ho any amin’ny toeram-pivoriana izay nanaovana fianarana niaraka. Nifantoka indrindra tamin’ireo olona nilaza tena ho kristiana ka niteny anglisy izahay.
Tamin’ny voalohany, dia nomena ahy ny anarana sy adiresin’izay rehetra nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Ny ankamaroany dia mpiasan’ny lalamby na mpiasan’ny telegrafy. Nitsidika ny tsirairay taminy aho mba hitadiavana tena fahalianana. Nandritra ny taona maro, dia nankany Pendjab, tany avaratr’i India, aho ny janoary ary nanao dia tany Lahore ka hatrany Karachi. Koa satria nanohitra ny Baiboly ny ankamaroan’ny mponina, dia vitsy sady nifanalavitra ireo vohitra nisy “kristiana” anarana.
Niray dia tamiko ny rahalahy iray tamin’ny naha-mpandika teny, ary niara-niaina sy niara-nihinana tamin’ny mponina izahay. Nipetraka tao anaty trano tanimanga nitafo bozaka na hazo ireo tantsaha. Natory tao anaty charpoys, fandriana tery kely voarafitra amin’ny hazo misy tongony efatra, vita amin’ny tady mifamatopatotra, izy ireo. Matetika ireo mpamboly sady mpiompy no nipetraka teo ambony charpoy, ny Baiboly eny an-tanany, eo am-pifohana pipa lava taho (50 sm ka hatramin’ny 1 m) nisy fampangatsiahana amin’ny rano. Tamin’izany fomba izany no nitadiavany ireo andininy ao amin’ny Baiboly arakaraka ny nanazavanay taminy ireo fahamarinan’Andriamanitra. Nety indrindra ny fivoriana an-kalamanjana, satria tsy nisy orana ny tapany lehibe tamin’ny taona. Raha niaingitraingitra loatra ny ankamaroan’ny Eropeana mba hanatrehana fivoriana toy izany, ny Karana kosa dia nanaiky ny hivory teny amin’ny toerana rehetra.
Niezaka namoaka zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny faran’izay betsaka azo natao izahay. Nahita fahombiazana manokana aoka izany ilay bokikely hoe Détresse mondiale tamin’ny fiteny kannada ka nahatonga ny mpiadidy ny gazetim-pivavahana tamin’io fiteny io hanasa anay hanome azy lahatsoratra ho an’ny gazetiny. Tamin’izany, nandritra ny fotoana kelikely, no nahafahanay namoaka ny boky Délivrance tamin’ny endriky ny lahatsoratra nitohy isan-tapa-bolana.
Ireo taona teo anelanelan’ny 1926 sy 1938 dia nahitana fitoriana goavana nataon’ireo mpitory maharitra nafana fo. Nandeha an’arivony kilaometatra maro izahay, ary zavatra vita an-tsoratra maro be no voapetraka; kely anefa ny fitomboana. Tamin’ny 1938, dia 18 monja ny mpitory maharitra ary 273 ny mpitory tsotra tao amin’ny kongregasiona 24 niely nanerana an’i India.
Nandritra ny Ady Lehibe faharoa
Nipoaka tamin’ny 1939 ny Ady Lehibe faharoa, kanefa dia nanohy ny fitorianay tsotra izao fotsiny izahay. Afa-tsy izany, dia natomboka ny asa fitoriana teny amin’ny arabe teo am-piandohan’ny 1940. Na dia ireo anabavy karana aza dia nandray anjara tamin’izany, zavatra tena niavaka raha jerena amin’ny fomba eo an-toerana. Taona maro tatỳ aoriana, dia izao no nolazain’ny mpianatra Baiboly iray tamin’ilay Vavolombelona nangataka azy handray anjara amin’io asa io: “Vehivavy karana ny tenako, ary tsy azoko atao ny ho hitan’olona miresaka amin-dehilahy eny amin’ny arabe, satria ho afa-baraka amin’ny mpiara-monina aho. Tsy afaka miresaka amin’ny lehilahy eny amin’ny arabe aho na dia anisan’ny fianakaviana aza izy.” Na dia izany aza, dia tonga mpitory be zotom-po ireo anabavintsika kristiana eto India.
Tamin’ireny taona voalohany ireny, dia nalamina koa ny fivoriambe. Ny maraina dia natokana ho amin’ny asa fitoriana izay nidika indrindra fandehanana an-tongotra kilaometatra maro mba hilazana amin’ny mponina sy ny mpandalo mikasika ny fivoriana ampahibemaso iray. Maherin’ny 300 no tonga nanatrika ny iray tamin’ireny, izay natao tao amin’ny trano lay vita tamin’ny volotsangana sy ravin-drofia. Tsy nisy antony ny namaritana ny ora fanombohana satria an-kavitsiana no nanana famantaranandro. Tonga fotsiny izy ireo rehefa naniry izany, ary nanomboka ny fivoriana rehefa nisy olona maromaro tafavory. Tonga hatrany ireo diso aoriana rehefa nandeha ny fivoriana.
Mazàna, nitohy hatramin’ny folo ora alina ny fandaharana, ary avy eo dia maro no tsy maintsy nandeha an-tongotra kilaometatra maro mba hodiana any an-tranony. Raha nisy diavolana moa, dia tsara izany satria nangatsiatsiaka nahafinaritra ny alina. Raha maizim-bolana kosa, dia naka ravin-drofia ny olona ka naolanolany toy ny fanilo izany. Rehefa narehitra izany dia namoaka hazavana mena nitsilopilopy. Rehefa nilaina ny hazavana fanampiny, dia nahifikifika tamin’ny rivotra ilay fanilo mandra-pisian’ny lelan’afo. Izany dia nanome fahazavana ampy mba hahitana lalana amin’ny toerana sarotra.
Tamin’izay fotoana izay no nandraran’ny fanjakana ny fampidirana ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana tao India sy tao Ceylan. Nalaina an-keriny ny fanontan-pirinty kely nanananay tao Travancore, ary namoaka lalàna nandrara ny fanontana ny zavatra vita an-tsoratray ny fanjakana foibe. Tatỳ aoriana, tamin’ny 1944, dia nitsabo an’i Sir Srivastava, anisan’ny minisitry ny lefitry ny Mpanjaka, ny iray tamin’ireo rahalahintsika izay “physiothérapeute”, ka noresahiny taminy ny amin’ilay fandrarana.
“Aza matahotra ianareo”, hoy ny nambarany tamin’ilay rahalahintsika. Nohazavainy taminy fa, Atoa Jenkins (minisitra nanohitra ny asantsika) dia hisotro ronono tsy ho ela ary ilay hisolo azy dia tena naman’i Sir Srivastava. “Asaivo tonga any amiko Atoa Skinner, hoy ny fampirisihan’i Sir Srivastava, dia hampifankahalalaiko amin’i Sir Francis Mudie (solon’i Jenkins) izy.” Tamin’ny farany dia nampanantsoina aho; niresaka tamin’Atoa Mudie aho ary nofoanana tamin’ny fomba ofisialy ny fandrarana tamin’ny 9 desambra 1944.
Anton-javatra mahafaly
Nitranga ny antom-pifaliana lehibe tamin’ny 1947, rehefa tonga teto India ireo misionera voalohany niofana tany Gileada. Nifanitsy tamin’ny fotoana fanapahan-javatra teo amin’ny tantara karana ny fahatongavany, satria ny 15 aogositra tamin’io taona io, dia nahazo fahaleovantena avy tamin’ny fanapahana Britanika ilay tany. Rehefa nozaraina ho India hindoa sy Pakistan miozilimana ilay tany, dia nisy ra nandriaka. Na dia izany aza, dia nisy misionera roa nahazo diplaoma tany Gileada nalefa tany Pakistan izay nanjary firenena nahaleotena tamin’ny 14 aogositra. Tsy ela, dia nisy misionera folo fanampiny niasa teto India mihitsy, ary nisy maro hafa tonga mba hanampy nandritra ireo taona nanaraka.
Nahita fifaliana bebe kokoa ny foko rehefa naorina ny fandaharam-pandaminana. Nanomboka tamin’ny 1955 ny asan’ny fizaran-tany, rehefa voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany voalohany ny rahalahy Dick Cotteril, nahazo diplaoma tany Gileada. Nanompo tamim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1988 izy. Avy eo, tamin’ny 1960 izahay dia nahazo ny mpiandraikitra ny distrika maharitra voalohany izay nitondra fanampiana betsaka ho an’ny fizaran-tany. Taorian’ny 1966, dia tsy nisy misionera vahiny nahazo niditra intsony teto India. Nefa tsy ela dia nisokatra ny asan’ny mpitory maharitra manokana, ary nalefa tany amin’ny faritra maro teto India ny mpitory maharitra karana ampy fahaizana. Ankehitriny dia eo amin’ny 300 izy ireo amin’io asa io.
Tamin’ny 1958 izahay vao nahatratra ny isa 1 000 teo amin’ny mpitory ilay Fanjakana. Nandeha haingana anefa ny fandrosoany avy teo, ka izao izahay dia maherin’ny 9 000. Ankoatra izany, asehon’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1989 izay tafakatra ho 24 144, fa olona liana maro lavitra no mitady fanampiana. Manana sampana manokana izao i Sri Lanka. Toy inona ny fifaliana mahita fa avy tamin’ireo mpitory roa monja tamin’ny 1944 no nitomboan’izy ireo ho 1 000 mahery amin’izao fotoana izao, na dia mitohy aza ny fifamelezana ao amin’ny taniny.
Nidika fanitarana ny sampana eto aminay koa ny fitomboan’ny mpitory. Taorian’ny 52 taona nanetsiketsehana an’i Bombay, dia nifindra nankany Lonavla, tanàna tsy lavitra eo, ny sampana, tamin’ny 1978. Tsy mbola noheveriko mihitsy ny mety hanananay fitaovana lehibe be kojakojany toy ny ôrdinatera MEPS sy milina fanontana manome loko roa hanaovana printy zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny karana maro be toy izao. Amin’izao fotoana izao izahay dia mamoaka ny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny 9 ary zavatra vita an-tsoratra hafa amin’ny fiteny 20 samy hafa.
Tsy ilaina ny milaza fa efa lasa ela ny fotoana nisian’ny lehilahy roa monja nahaforona ny sampana teto aminay. Amin’izao fotoana izao izahay dia miisa 60 mahery ny mpikambana amin’ny fianakavian’ny Betela. Amin’izao faha-95 taonako izao, dia faly aho mbola ao amin’ny fanompoana manontolo andro ato amin’ny biraon’ny sampana ary manompo amin’ny maha-anisan’ny Komitin’ny sampana eto India. Ary mihetsi-po tokoa aho mahita ny asa fijinjana amin’izao andro farany izao. Antom-pifaliana marina tokoa re izany!