Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
NY LAHATSORATRA hoe “Vitan’i Jesosy avokoa izay rehetra angatahin’Andriamanitra aminy”, hita eo amin’ireo pejy manaraka, no tapany farany amin’ilay fitohitohizan-dahatsoratra naharitra ela hoe “Jesosy — ny fiainany sy ny fanompoany”. Niseho tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny enin-taona mahery io fizarana io, tao amin’ny nomerao 149 nifampitohy, nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 1 Jolay 1 985.
Ny fanantenanay dia ny nanampian’io fitohitohizan-dahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana io anao hanaraka ny fananaran’i Paoly ‘handinika tsara an’i Jesosy’ ary hankatò ny baikon’Andriamanitra mba ‘hihaino azy’. (Hebreo 12:2, 3, MN; Matio 17:5). Tao anatin’ireo taona ireo, dia nisy olona maro be nanoratra mba hilaza fa nanampy azy ireo hanao izany tokoa izy io. “Toy ny hoe teo mihitsy aho nihaino azy sy nijery azy nanao zavatra”, hoy ny nosoratan’ny mpamaky iray. “Nanjary tia azy bebe kokoa aho noho ireo lahatsoratra ireo.”
Nanoratra toy izao ny mpamaky hafa iray: “Ny nomerao tsirairay dia toa misy hevitra iray izay tsy hitako fony aho namaky ilay fitantarana tao amin’ny Baiboly. Nahafinaritra ahy ny nahazo an-tsaina tsaratsara kokoa ny fitrangan’ireo zava-niseho samy hafa teo amin’ny fiainan’i Jesosy araka ny filaharan’ny fotoana, tamin’ny famakiana ny lahatsoratra tsirairay.” Nisy olona maro be naneho fankasitrahana mitovy amin’izany noho ny nahafantarany ny fotoana sy ny toerana nampianaran’i Jesosy sy nanaovany izao na izao nandritra ny fanompoany.
Hoy ny nolazain’ny vehivavy iray any Espaina: “Notahiriziko avokoa ireo lahatsoratra rehetra hatrany am-boalohany. Mitondra fampianarana be dia be aoka izany izy ireo ho an’ny olon-dehibe sy ny ankizy. Efatra amby efapolo taona aho izao, ary mientana erỳ rehefa mamaky ireo fitantarana ireo. Toy ny hoe tao amin’ireo zava-niseho ara-tantara tsirairay aho.”
Nanoratra toy izao ny reny iray any Etazonia: “Noho ireo lahatsoratra fohy sy voasoratra amin’ny fiteny tsotra, dia nanjary nanaraka ny fianaram-pianakavianay ny vadiko. Nasain’ny zanako lahy valo taona hanoratra atỳ aminareo aho, mba hisaotra anareo satria mianatra ny Baiboly izao ny rainy. Mangataka izy ny hanontana indray andro any io fitohitohizan-dahatsoratra io ho boky iray, rehefa tapitra izy ireo, mba hahafahany mizara izany amin’ireo iray kilasy aminy.”
Angamba ianao mitovy fihetseham-po amin’ilay mpamaky izay nilaza ny alahelony vao haingana toy izao: “Malahelo kely aho rehefa mieritreritra fa kely sisa dia hifarana ilay fitohitohizan-dahatsoratra, satria efa tonga eo amin’ireo andro farany teo amin’ny fiainan’i Kristy izao ny fandinihana. Tena halahelo marina tokoa aho tsy hahita io lahatsoratra io intsony ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.” Manantena izahay fa hahafinaritra anao ny hamaky ity tapany farany amin’ny fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Jesosy — ny fiainany sy ny fanompoany” ity.