Tsy ho Diso Fanantenana Ianao
NANDANY roa andro ny mpivady tany Philippines mba hahatongavana tany. Nampiasa ny fomba rehetra izy mba hanaovana dia lavitra 70 km, nitondra zaza roa namakivaky ala mikirindro feno dinta ary renirano niakatra noho ny ranonorana nentin’ny rivo-doza. Tapa-kevitra ny tsy ho diso an’izany anefa izy ireo.
Nandeha an-tongotra maherin’ny 500 km ny vehivavy roa tany Zaïre, nandany 14 andro teny an-dalana, mba ho tonga tany. Tany Zaïre koa dia nisy lahiantitra iray 70 taona tonga tany, nandeha 260 km nitaingina bisikilety. Tsy nahakivy azy ny halaviran-dalana sy ireo fahasahiranana. Ny zava-dehibe dia ny tsy ho diso an’izany.
Fa nandeha taiza àry ireo rehetra ireo? Tany amin’ny iray tamin’ireo fivoriambe lehibe nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany nisy azy. Ary na dia teo aza ny fahasarotan’ny dia nataony, dia tsapan’izy rehetra fa mendrika ny hatao ny fiezahany.
Efa nanao fandaharana mba ho any amin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1992 hoe “Ireo mpitondra fahazavana” ve ianao? Azo inoana fa tsy ho voatery hanao dia lavitra toy ny nataon’ireo olona nahatoky ireo ianao mba hanatrehana izany. Kanefa na dia hitondra fahasahiranana sasany ho anao aza izany, dia mampirisika anao izahay mba tsy ho diso an’izany.
Misy fandaharana tsara dia tsara sy faran’izay azo ampiharina nomanina. Raha tianao ny fisakaizana kristiana ary mahaliana anao ny mianatra ny fomba hahitana ny tena fiadanana, na izay hoentin’ny hoavy, na ny fomba tsara kokoa hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, dia afaka mampanantena anao izahay fa tsy ho diso fanantenana ianao. Izay Vavolombelona eo amin’ny faritra misy anao dia hilaza aminao ny toerana sy ny fotoana hanaovana ny fivoriambe akaiky anao indrindra.