Fanontanian’ny Mpamaky
Ao amin’ny Hebreo 11:26, moa ve i Mosesy resahina ho “i Kristy” sa ho tandindona iray ho an’i Jesosy Kristy kosa?
Rehefa niresaka ny amin’ny finoan’i Mosesy ny apostoly Paoly dia nanoratra fa i Mosesy dia “nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.” (Hebreo 11:26). Toa nanondro an’i Mosesy ho “i Kristy”, na voahosotra, tamin’ny heviny sasany, i Paoly teto.
Ekena fa misy lafiny maromaro nisehoan’i Mosesy ho sary nampiseho an’ilay Mesia ho avy. Na dia mpaminany aza ny tenan’i Mosesy, dia nilaza mialoha izy ny amin’ny fiavian’ny mpaminany iray ‘tahaka azy’ lehibe kokoa. Ary Jiosy maro no nihevitra fa i Jesosy izany “Mpaminany” izany, izay nohamarinin’ireo mpanara-dia azy. (Deoteronomia 18:15-19; Jaona 1:21; 5:46; 6:14; 7:40; Asan’ny Apostoly 3:22, 23; 7:37). Ankoatra izany dia mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna koa i Mosesy, fa i Jesosy kosa nandray “fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ireny” tamin’ny naha-“Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra” azy, dia ilay fanekena vaovao be voninahitra. (Hebreo 8:6; 9:15; 12:24; Galatiana 3:19; 1 Timoty 2:5). Amin’ny lafiny sasany àry i Mosesy dia azo lazaina hoe tandindona iray ho an’ilay Mesia ho avy.
Toa tsy izany anefa no hevitry ny Hebreo 11:26 voalohany indrindra. Tsy misy filazana fa i Mosesy dia nahafantatra ireo tsipirian-javatra momba ilay Mesia, ka hoe nihevitra tamim-pahalalana tsara fa ny zavatra niainany tany Egypta dia nataony ho an’ilay Mesia na hoe tamin’ny naha-solontenany azy.
Nisy nanipy hevitra fa ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:26 dia manana hevitra mitovy amin’ny an’ilay filazana nataony ny amin’ny “haben’ny fijalian’i Kristy” nihatra tamin’ireo Kristiana. (2 Korintiana 1:5). Ireo Kristiana voahosotra dia nahafantatra fa nijaly i Jesosy Kristy ary koa fa raha ‘miara-miaritra aminy izy ireo dia hiara-manam-boninahitra aminy’ any an-danitra. I Mosesy anefa tsy nahafantatra izay hihatra amin’ilay Mesia ho avy, sady tsy nanana fanantenana ny ho any an-danitra. — Romana 8:17; Kolosiana 1:24.
Misy fanazavana tsotra kokoa ny amin’ny hoe “nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena” i Mosesy.
Rehefa nanoratra hoe “i Kristy” i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:26, dia nampiasa ny teny grika hoe Khri·stouʹ, izay mifanitsy amin’ilay teny Hebreo hoe Ma·shiʹach, na Mesia. Samy midika hoe “voahosotra” ny hoe “Mesia” sy ny hoe “Kristy”. I Paoly àry dia nanoratra ny amin’ny ‘nanaovan’i Mosesy ny fanaratsiana an’ilay voahosotra’. Azo antsoina hoe “voahosotra” ve i Mosesy?
Eny. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia azo nohamafisina ny anjara toerana manokana nomena ny olona iray tamin’ny fanidinana diloilo teo ambony lohany. “Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’i Saoly”. “Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra [an’i Davida] teo amin’ny rahalahiny; ary ny Fanahin’i Jehovah dia nilatsaka tamin’i Davida”. (1 Samoela 10:1; 16:13; ampitahao amin’ny Eksodosy 30:25, 30; Levitikosy 8:12; 2 Samoela 22:51; Salamo 133:2.) Kanefa nisy sasany, toa an’i Elisa mpaminany sy i Hazaela mpanjakan’i Syria, izay lazaina fa “voahosotra” na dia tsy misy porofo aza fa nanidinana diloilo ara-bakiteny teo amin’izy ireo. (1 Mpanjaka 19:15, 16; Salamo 105:14, 15; Isaia 45:1). Noho izany, ny olona iray dia nety ho “voahosotra” noho izy nofidina na notendrena manokana.
Tamin’izany heviny izany no naha-voahosotr’Andriamanitra an’i Mosesy, ary ny Baiboly sasany aza dia mampiasa ny hoe “Voahosotr’Andriamanitra” na “Ilay Voahosotra” ao amin’ny Hebreo 11:26. Notendrena mba ho solontenan’i Jehovah sy ho ilay hitarika ny Isiraely hivoaka an’i Egypta i Mosesy. (Eksodosy 3:2-12, 15-17). Na dia notezaina teo anivon’ny harena sy ny voninahitr’i Egypta aza i Mosesy, dia nihevitra ny asa nanendrena azy, izay nekeny sy notontosainy, ho sarobidy sy ho ambony kokoa. Mifanaraka amin’izany àry, i Paoly dia afaka nanoratra fa i Mosesy dia “nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta”.