Sahala Amin’ny Iray Amin’ireo ve Ianao?
‘TSARA kokoa ny ho liona mandritra ny indray andro toy izay ny ho zanak’ondry mandritra ny zato taona.’ Ireo teny ireo dia voalaza fa nataon’i Benito Mussolini, mpitondra tsy refesi-mandidy tany Italia fahiny.
Sahala amin’i Mussolini, dia olona maro be no tsy nanaiky hokilasina ho zanak’ondry na ondry. Kanefa, nanambara toy izao i Davida mpanjaka sady mpanao salamo teo amin’ny Isiraely fahiny: “Jehovah no Mpiandry ahy (...); mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy”. (Salamo 23:1, 2). Eny, i Jehovah Andriamanitra dia Mpiandry Lehibe, izay manome fikarakarana amim-pitiavana ny vahoakany, ka toy ny ondry tsy manan-tsiny izy ireny.
Ny vahoakan’i Jehovah dia resahina ho toy ny ondry ara-panoharana ao amin’ny Salamo 95:7, (NW ) izay amakiantsika toy izao: “Fa Izy [Jehovah] no Andriamanitsika, ary isika dia olona ao amin’ny saha fiandrasany sy ondry eo an-tanany”. Misy angamba nanantena an’ilay mpanao salamo hiresaka ny amin’ny “ondry ao amin’ny saha fiandrasany” sy “ny olona eo an-tanany”. Kanefa mifamadika eto ny toe-javatra, ary ny vahoakan’i Jehovah mihitsy, araka izany, no ampahafantarina ho ny ondriny. Mandray soa ao amin’ny saha fiandrasan’Andriamanitra izy ireo ary tarihin’ny tanany feno fitiavana.
I Jesosy Kristy, Zanak’i Jehovah, no ilay Mpiandry Tsara. Matetika izy no niresaka ny amin’ny olona ho toy ny ondry. I Jesosy, ohatra, dia niresaka ny amin’ny “andian’ondry vitsy” iray sy ny “ondry hafa” izay azy. (Lioka 12:32, NW; Jaona 10:14-16). Raha ny amin’ireo mpianany toy ny ondry manetry tena, dia hoy i Jesosy: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako.” (Jaona 10:27, 28). Eo an-tanan’ny mpanapaka miantra iray, ireo vahoakany dia handray soa amin’ny fahefany, ny fankasitrahany, ny fitarihany, ary ny fiarovany. — Apokalypsy 1:16, 20; 2:1.
Tsy misy afaka ny handrombaka ireo olona toy ny ondry eo amin’ny tanan’i Jesosy feno fiarovana tokoa. Amin’izao andro izao izy dia eo am-panavahana ny olona na ho “osy” tsy manana ny fankasitrahany izy ireo na ho “ondry” izay hahazo ny fiainana mandrakizay eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (Matio 25:31-46). Hiseho ho anisan’izany ondry voatahy izany ve ianao?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Garo Nalbandian