Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina
Gileada — Faritra ho An’ny Olona Be Herim-po
FOTOANA fohy talohan’ny niampitan’ny Isiraely ny Onin’i Jordana ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nampirisika azy ireo toy izao i Mosesy: “Mahereza [“Manàna herim-po”, NW ] sy matanjaha; (...) fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao”. — Deoteronomia 31:6.
Tafiditra tao amin’ilay fampirisihan’i Mosesy ny fokon’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Hitan’izy ireo fa ‘tany tsara ho fiandrasana omby aman-ondry i Gileada’, koa nangataka ny hotendrena mba hipetraka tao amin’ny faritr’i Gileada izy ireo. — Nomery 32:1-40.
Terỳ ampita i Gileada, teny amin’ny ilany atsinanan’i Jordana. Amin’ny ankapobeny, dia ilay ilany atsinanana iray manontolo izy io, avy eny amin’ny farany avaratry ny Ranomasina Maty ka hatrany amin’ny Ranomasin’i Galilia. Io faritra io dia miakatra avy eo amin’ny Lohasahan’i Jordana mankeo amin’ny lembalemba (plateau) sy havoana bory loha izay voatondraka tsara. Koa faritra tsara dia tsara ho an’ny fambolena voan-javatra sy ho firaofan’ny biby fiompy àry i Gileada. Ilay sary etsy ambony dia mahatonga anao hahazo an-tsaina ny amin’ny endrik’i Gileada taloha. Nahoana anefa no ampifandraisina amin’ny herim-po ny toerana izay azo lazaina hoe mahafinaritra toy izany?
Ireo foko izay nifidy ny hipetraka tao Gileada dia miharihary fa tsy nanao izany noho ny tahotra. Tsarovy fa nanaiky hiampita an’i Jordana mba hiady tamin’ireo fahavalo tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Ary nila herim-po bebe kokoa izy ireo rehefa niverina tany Gileada. Nahoana? Teo amin’ny sisin-tany no nisy azy ireo, mora voan’ny fanafihana avy tamin’ireo Amonita tany atsimo-atsinanana, sy ny Syriana avy tany avaratra. Ary dia tena notafihina tokoa izy ireo. — Josoa 22:9; Mpitsara 10:7, 8; 1 Samoela 11:1; 2 Mpanjaka 8:28; 9:14; 10:32, 33.
Ireny fanafihana ireny dia fotoana manokana nilana herim-po. Rehefa avy navelan’i Jehovah hampahory an’i Gileada, ohatra, ny Amonita, dia nibebaka ny vahoakan’Andriamanitra ary nitodika tany amin’ny fitarihan’ny “lehilahy mahery, mahery fo” iray izay nanan-dray nantsoina koa hoe Gileada. I Jefta io lehilahy mahery fo, na be herim-po io. Be mpahalala izy noho ny voady iray nataony izay nampiseho taratry ny fitadiavany ny fitarihana sy ny fanohanan’Andriamanitra, na dia nanana herim-po aza izy. Nivoady i Jefta fa, raha avelan’Andriamanitra handresy ireo Amonita mpampahory izy, dia ‘haterina ho fanatitra dorana’, na hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, izay olona voalohany mivoaka ny tranony mba hitsena azy.a Hita fa ny hany zanak’i Jefta izy io, ny zanany vavy, izay tatỳ aoriana dia nanompo tany amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra. Eny, nampiseho herim-po i Jefta ary, nampiseho izany tamin’ny fomba hafa ny zanany vavy. — Mpitsara 11:1, 4-40, NW.
Nisy fampisehoana herim-po iray izay angamba tsy be mpahalala toy izany, nitranga tamin’ny andron’i Saoly. Mba hahazoanao an-tsaina ilay faritra nisehoan’izany, dia tsarovy fa rehefa tonga mpanjaka i Saoly, dia norahonan’ny Amonita hopotsirina ny maso ankavanan’ireo lehilahin’i Jabesi-gileada, dia tanàna izay nety ho teo amin’ny lohasahan-driaka iray nidina namakivaky havoana hatrany Jordana. Namory tafika iray haingana i Saoly mba hanampiana an’i Jabesy. (1 Samoela 11:1-11). Amin’ny fananana izany sary izany ao an-tsaina, dia aoka isika hankany amin’ny fifaranan’ny fanjakan’i Saoly, ary hahita ny fomba nisehoan’ny herim-po.
Mety ho tadidinao fa maty nandritra ny ady tamin’ny Filistina i Saoly sy ny telo tamin’ireo zanany lahy. Nanapaka ny lohan’i Saoly ireo fahavalo ireo, ary nanantona tamim-pandresena ny fatin’i Saoly sy ny zanany lahy teo amin’ny mandan’i Beti-sana. (1 Samoela 31:1-10; hitanao etsy ankavanana ny havoana marin-tampon’i Beti-sana izay nofongarina.) Tonga hatrany Jabesy, tany amin’ireo havoanan’i Gileada namaky an’i Jordana, ilay teny. Inona no azon’ireo Gileadita atao eo anatrehan’ny fahavalo mahery toy izany izay afaka nandresy ny mpanjakan’ny Isiraely?
Araho eo amin’ny sarintany ny lalana narahin’ireo Gileadita. “Dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany teo amin’ny màndan’i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.” (1 Samoela 31:12). Eny, nandray ho adidy ny hanao latsaka alina tao anatin’ny toeram-pamaharan’ny fahavalo izy ireo. Afaka mahatakatra ny anton’ny niantsoan’ny Baiboly azy ireo hoe mahery fo na be herim-po, ianao.
Tatỳ aoriana, dia nihataka ny foko folo mba hahaforona ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, ary tafiditra tamin’izany i Gileada. Nanomboka naka teo ambany fifehezany ny tapany tamin’io faritany teo amin’ny ilany atsinanan’i Jordana io ireo firenena nanodidina, ny Syriana aloha, ary avy eo dia ny Asyriana. Koa na dia teo aza ireo ohatra nampiseho herim-po tamin’ny lasa, dia nividy lafo ny fitoerany teo amin’ny faritra iray amin’ny sisin-tany ireo mponina tao Gileada. — 1 Mpanjaka 22:1-3; 2 Mpanjaka 15:29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fanombanana amim-pitandremana ilay fitantarana dia manohitra ny fiampangana hoe nanao sorona olombelona, ny zanany, i Jefta. Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Boky faha-4 Ha-Jo, pejy faha-783-784, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sarintany, pejy 8]
(Jereo ny gazety)
RANOMASIN’I GALILIA
RANOMASINA MATY
Onin’i Jordana
Beti-sana
Ramota-gileada
Jabesy
GILEADA
[Sary nahazoan-dalana]
Based on a map copyrighted by Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.