Niara-navoaka Hatramin’ny Folo Taona!
REHEFA nanontaniana ny anabavy espaniola ankamamina iray, ny amin’izay tsapany, folo taona lasa izay, fony nanomboka niara-navoaka tamin’ny Anglisy Ny Tilikambo Fiambenana fanontana espaniola, dia izao no navaliny: ‘Nihevitra izahay fa fitahiana izany satria izao izahay dia, ahoana moa no filazanareo azy e, izao izahay dia maharaka ny Anglisy. Rehefa milaza aho hoe Anglisy, dia mieritreritra foana ny amin’ny fandaminana aho. Miantso ny fandaminana hoe “Neny” izahay. Mahatsiaro tena ho mifandray akaiky dia akaiky izahay. Fatratra izany an. Mahatalanjona!’
Io anabavy mahatoky io dia nilaza ny fihetseham-pon’ny mpamaky maro tsy miteny anglisy. Tamin’ireo taon-dasa, ireo lahatsoratra dia niseho tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana fanontana espaniola, enim-bolana teo ho eo taorian’ny nivoahany tamin’ny fiteny anglisy. Nisy fiteny hafa nahita fihemoram-potoana toy izany. Takatra mora foana fa nisy faniriana mafy hamoaka zavatra ianarana mitovy, amin’ny fotoana mitovy, ary amin’ny fiteny maro.
Koa nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 1 Aprily 1984, dia ny fanontana espaniola no voalohany niara-navoaka tamin’ny fanontana anglisy. Tsy ela dia nanaraka ireo fiteny hafa. Hatramin’ny fiandohan’ny 1985, dia fanontana tamin’ny fiteny 23 no niara-navoaka. Arakaraka ny nahitana sy ny nampiofanana mpandika teny, dia nisy fanontana tamin’ny fiteny maro kokoa nahatratra ny Anglisy.
Itỳ nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana itỳ dia manamarika ny fahafolo taonan’ny famoahana miaraka zavatra vita an-tsoratra. Ny Tilikambo Fiambenana izao dia avoaka amin’ny fiteny 116, ka ny 85 amin’izany dia miara-avoaka. Izany dia midika fa ny 99,3 isan-jaton’ilay fitambaran-gazety Ny Tilikambo Fiambenana 16 100 000 atonta amin’ny antsalany, dia avoaka misy sary mitovy eo amin’ny fonony sy misy lahatsoratra mitovy. Amin’ireo izay manatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro, dia maherin’ny 95 isan-jato no mandinika zavatra ianarana mitovy, amin’ny fotoana mitovy.
Ny 37 amin’ireo fiteny 74 ivoahan’ny Mifohaza! naman’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, dia miara-avoaka. Ny Annuaire des Témoins de Jéhovah isan-taona dia avoaka amin’ny fiteny 18. Ny famoahana miaraka zavatra vita an-tsoratra toy izany dia natao hampiray ny vahoakan’Andriamanitra “hiray saina sy hevitra”. — 1 Korintiana 1:10.