Ireo Andriamani-bavin’ny Fahavokarana sy ny Ady
NANDRITRA ny fikarohana arkeolojika iray natao tany Ebla, any Syria, dia hita ny relìka iray nampiseho an’i Ishtar, andriamani-bavin’ny fahavokarana sy ny ady babyloniana. Ilay arkeology atao hoe Paolo Matthiae dia milazalaza azy io ho “fitomboka varingarina misy sary mampiseho fanompoam-pivavahan’ny mpisorona vavy misaron-tava iray eo anoloan’ny sarin’andriamanitra hafahafa iray (...) ka ny lohan’ilay sary dia miraikitra amin’ny tohana iray manify sady lava”.
Zava-dehibe io zavatra hita io, satria ilay sary dia tany am-piandohan’ny taonjato faha-18 al.f.i. Araka ny hevitr’i Matthiae, izany dia manolotra “porofo mampiaiky” fa ny fanompoam-pivavahana tamin’i Ishtar dia naharitra 2 000 taona teo ho eo.
Ny fanompoam-pivavahana tamin’i Ishtar dia nanomboka tany Babylona ary nandritra ireo taonjato nanaraka izany dia niely nanerana ny Empira Romana manontolo. Nandidy ny Isiraelita mba hanaisotra izay soritry ny fivavahan-diso rehetra avy teo amin’ny Tany Nampanantenaina i Jehovah, nefa noho izy ireo tsy nanao izany, dia nanjary fandrika ho azy ireo ny fanompoam-pivavahana tamin’i Astarta (ilay nifanitsy tamin’i Ishtar tany Kanana). — Deoteronomia 7:2, 5; Mpitsara 10:6.
Na dia tsy misy intsony aza i Ishtar sy i Astarta, ilay nifanitsy taminy, ireo toetra nampiavaka azy ireo kosa — ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra — dia mihanaka. Mety tsara ny hanontaniantsika raha tena hafa be noho ireny sivilizasiona fahizay ireny, izay nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ireny andriamani-bavin’ny fahavokarana sy ny ady ireny, ny fitambaran’olona maoderina.
[Sary, pejy 20]
Nisy ankizy natao sorona ho an’i Tanit
[Sary nahazoan-dalana]
Ralph Crane/Bardo Museum