‘Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Aho? ’
“MISY dikany ve aho? Miahy ve Andriamanitra?” Toy izany no amakiana ny lohatenin-dahatsoratra iray niseho tao amin’ny Christianity Today. “Ny androatokon’asako amin’ny maha-mpanoratra ahy dia nihodinkodina nanodidina ny zava-manahirana momba ny fahoriana”, hoy i Philip Yancey, mpanoratra ilay lahatsoratra. “Niverimberina imbetsaka teo amin’ny fanontaniana mitovy ihany aho, toy ny hoe mikasikasika fery efa ela iray izay tsy sitrana tanteraka mihitsy. Maharay filazana aho avy amin’ireo mpamaky ny bokiko, ary ny tantaran’izy ireo feno tebiteby izaitsizy dia manome porofo velona ny amin’ireo fisalasalako.”
Angamba ianao koa dia efa nanontany tena ny amin’ny fahalianan’Andriamanitra amin’ny fiainanao. Eny e, mety ho fantatrao tsara ny Jaona 3:16 izay milaza fa ‘tian’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahy tokana’. Na mety ho efa novakinao ny Matio 20:28 izay milaza fa i Jesosy dia tonga mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. Na dia izany aza dia mety hanontany ianao hoe: ‘Mahamarika ahy ve Andriamanitra? Miahy ny amiko ve izy amin’ny maha-singan’olona ahy?’ Misy antony tsara inoana fa manao izany izy, araka ny ho hitantsika.