Manohana ny Fitantaran’ny Baiboly ny Angano Momba ny Safo-drano
ZAVA-MISY iray ara-tantara ny Safo-drano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa. Ahitana filazana hafa momba ilay fitantarana ao amin’ny tantara am-bavan’ny sivilizasiona maro samy hafa manerana an’izao tontolo izao. Atsy amin’ny tany afrikan’i Tchad, dia manazava ilay Safo-drano toy izao ny foko moussaye:
‘Indray andro, hono, tany amin’ny toerana lavitra be iray, dia nisy fianakaviana iray nipetraka. Indray andro, dia naniry hanomana sakafo be ho an’ireo olon-tiany ilay reny tao amin’io fianakaviana io. Koa naka ny laonany sy ny fanotony àry izy mba hitotoana voamadinika hatao koba. Tamin’izany fotoana izany, ny lanitra dia akaiky kokoa noho ny ankehitriny. Raha ny marina, dia ho afaka nikasika azy io ianao raha nanakatra azy tamin’ny tananao. Nitoto ny voamadinika tamin’ny heriny rehetra ilay reny ka vetivety dia lasa koba ilay ampemby nototoiny. Teo am-pitotoana anefa, dia nanainga tsy tamim-pitandremana avo loatra ny fanoto izy, ka nanagorobaka ny lanitra! Avy hatrany dia nanomboka nirotsaka tamin’ny tany ny rano be dia be. Tsy orana tsotra izany. Nanorana ny andro nandritra ny fito andro sy fito alina mandra-pandrakotry ny rano ny tany manontolo. Rehefa nirotsaka ny orana, dia nanomboka nisondrotra ny lanitra mandra-pitoerany eo amin’izay misy azy ankehitriny — avo be tsy azo takarina. Loza amin’antambo re izany ho an’ny olombelona! Hatramin’io fotoana io, dia namoy ny tombontsoa hikasika ny lanitra amin’ny tanantsika isika.’
Mahaliana fa azo atao ny mahita manerana an’izao tontolo izao, fitantarana tranainy miresaka ny amin’ny safo-drano naneran-tany iray. Ireo sivilizasiona tera-tany any amin’ireo tanin’i Amerika ary koa ireo Aborizenina any Aostralia dia samy manana tantara momba azy io. Mety tsy hitovy ny tsipiriany, nefa ny ankamaroan’ireo fitantarana dia mifono ilay hevitra hoe voarakotry ny rano ny tany ary tsy nisy afa-tsy olona vitsivitsy monja no tafita velona tao amin’ny sambo iray voatr’olombelona. Ny fisian’io foto-kevitra miely patrana io dia manohana ny tena nitrangan’ny Safo-drano naneran-tany iray, araka ny lazain’ny Baiboly. — Genesisy 7:11-20.