Fandresena Hafa Iray ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy
TAMIN’NY 6 Oktobra 1995, dia nisy raharaha ara-pitsarana iray nahatafiditra Vavolombelon’i Jehovah roa, mpanompo manontolo andro, nohenoin’ny Fitsarana voaforona mpitsara telo, tany Atena. Ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena no fiampangana, ary polisy iray no nametraka ilay fitoriana rehefa avy nitsidika tany an-tranony ireo Vavolombelona.
Ny fanontaniana napetrak’ilay mpitsara mpitantan-draharaha dia nampiseho fa tena liana tamin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Ohatra, nanontany izy hoe: “Hafiriana no nanaovanareo izao asa izao? Nanao ahoana ny nitondran’ny olona anareo nandritra ireo taona? Nanao ahoana ny fandraisana ny asanareo? Inona no lazainareo amin’ny olona eo am-baravarany?” Samy nihaino tamim-pitandremana ny fanambarana tsara dia tsara natao izay rehetra tao amin’ilay efitrano fitsarana.
Gaga tokoa ireo Vavolombelona satria, na dia ilay mpampanoa lalàna aza dia tsy nisalasala nanome rariny azy ireo. “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana zo araka ny lalàm-panorenana, tsy vitan’ny hoe hino sy hivavaka amin’ny Andriamaniny fotsiny”, hoy izy nanamarika tao amin’ny lahateny famaranana nataony, “fa hampiely koa ny finoany isam-baravarana, sy eny an-kalamanjana, ary eny amin’ny arabe, ka hizara maimaim-poana mihitsy aza, ireo zavatra vita an-tsoratra ananany, raha tiany izany.” Notononin’ilay mpampanoa lalàna ireo didim-pitsarana fanafahana madiodio maro samihafa navoakan’ny fitsarana sy ny Filan-kevi-panjakana. Noresahiny koa ny amin’ilay raharaham-pitsaran’i Kokkinakis nifanandrina tamin’i Gresy, izay namoahan’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona didy iray nanomezana rariny ny Vavolombelon’i Jehovah.a “Mariho, aza fady,” hoy ny fampitandreman’ilay mpampanoa lalàna, “fa nandoa sazy mihitsy aza i Gresy tamin’io raharaham-pitsarana io. Koa tokony hitandrina tsara isika rehefa antsoina hitsara raharaha toy ireny. Raha ny marina, dia efa tsy tokony ho nentina akory tatỳ amin’ny fitsarana hatrany am-boalohany, ireny raharaha ireny.”
Taorian’ny lahateny nataon’ilay mpampanoa lalàna, dia tsy nisy zavatra betsaka intsony tokony holazain’ilay mpisolovavan’ireo Vavolombelona. Na dia izany aza, dia nohararaotiny ilay fahafahana mba hanantitranterana fa tsy araka ny lalàm-panorenana ilay lalàna momba ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena, ary nanome fahasahiranana an’i Gresy ilay izy teo amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena.
Nanopy maso fotsiny tany amin’ireo mpitsara roa hafa ilay mpitsara mpitantan-draharaha, ary dia samy nifanara-kevitra izy rehetra fa hafahana madiodio ilay rahalahy sy ilay anabavy. Fandresena ho an’ny anaran’i Jehovah sy ho an’ny vahoakany koa ilay fitsarana, izay naharitra adiny iray sy folo minitra.
Io no fanafahana madiodio fahefatra nahatafiditra raharaham-pitsarana momba ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena, taorian’ny nihainoan’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona ilay raharaham-pitsaran’i Kokkinakis. Mifaly ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy, satria saika tsy misy intsony izao ireo zava-manahirana mifandray amin’ny fitorian’izy ireo, ary azo atao ny manohy ilay asa tsy misy fanakantsakanana.
[Fanamarihana ambany pejy]