Tadidinao Ve?
Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:
◻ Inona ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fampianarana, ho an’ny tanora kristiana iray?
Ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fampianarana dia tokony ho ny fanomanana ny tanora iray mba ho tonga mpanompon’i Jehovah mahita vokatra. Ary ny fampianarana ara-panahy no fampianarana lehibe indrindra ho amin’izany zava-kendrena izany. — 15/8, pejy faha-21.
◻ Inona avy no antony tokony hitaterana any amin’ireo loholona ny fanaovan-dratsy lehibe ataon’ny namana kristiana iray?
Antony iray tokony hitaterana fanaovan-dratsy lehibe ny fitandroana ny fahadiovan’ny kongregasiona. Izao kosa ny antony iray hafa: Ny fanaovana izany dia fanaovan-javatra iray mampiseho fitiavana kristiana tapahin’ny foto-pitsipika, aseho amin’Andriamanitra sy amin’ny kongregasiona ary amin’ilay nanao ratsy. — 15/8, pejy faha-28, 30.
◻ Midika ho inona ny hoe mitadidy “tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah”? (2 Petera 3:12, NW ).
Izany dia midika hoe tsy mampihemotra “ny andron’i Jehovah” ao an-tsaintsika. Tsy tokony hohadinointsika fa akaiky ny andro handringanan’i Jehovah an’itỳ fandehan-javatra itỳ. Tokony ho zavatra tena izy tokoa amintsika izy io, ka ho hitantsika mazava, toy ny hoe eo alohantsika eo mihitsy. (Zefania 1:7, 14). — 1/9, pejy faha-19.
◻ Nahoana ny andro faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ no nitohy lava kokoa tsy araka ny nanampoizan’ny maro azy?
Manisy fiheverana ny amin’izay mahasoa indrindra ny taranak’olombelona manontolo, i Jehovah. Ny ain’ny olona no ahiny. (Ezekiela 33:11). Afaka matoky isika fa ho tonga ara-potoana tsara ny farany, mba hanatanterahana ny fikasan’ny Mpamorona antsika izay sady hendry tanteraka no be fitiavana. — 1/9, pejy faha-22.
◻ Ahoana no ahafahan’ireo mpanompo manontolo andro mihazona ny fifaliany na dia eo aza ireo zava-manahirana mety hatrehiny?
Tokony hisaintsaina ny amin’ireo fitahiana maro azony izy ireo ary hiaiky fa misy olon-kafa an’arivony maro miaritra zava-tsarotra mbola mafy kokoa. (1 Petera 5:6-9). — 15/9, pejy faha-24.
◻ Inona ny tanjon’i William Tyndale fony izy nandika ny Baiboly?
Ny tanjon’i Tyndale dia ny hamela ny Soratra Masina hiteny tamin’ny olon-tsotra tamin’ny teny marina sady tsotra araka izay azo natao. — 15/9, pejy faha-27.
◻ Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mpanohana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny tsy fivadihana isika?
Mampiseho ny tsy fivadihantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, amin’ny fitoriana azy io amin-jotom-po amin’ny hafa. Amin’ny maha-mpampianatra antsika, dia tokony hampiasa ny Baiboly amim-pitandremana isika, ka tsy hanolana na oviana na oviana azy io na hanitatra izay lazainy mba hifanarahany amin’ny hevitsika. (2 Timoty 2:15). — 1/10, pejy faha-20.
◻ Amin’ny ahoana no afaka mampahalemy ny tsy fivadihantsika ny toe-tsaina feno poizin’izao tontolo izao?
Afaka mampahalemy antsika ny toe-tsain’izao tontolo izao, noho izy io manao izay tsy hahafa-po antsika amin’izay ananantsika, ka izay zavatra ilaintsika sy ny tombontsoantsika manokana aloha no hahintsika, vao ny an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Matio 16:21-23.) — 1/10, pejy faha-29.
◻ Midika ho inona ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fanahy manontolo?
Ny hoe “fanahy [âme]” dia manondro ilay olona manontolo, ka tafiditra amin’izany ny fahaizany ara-batana sy ara-tsaina rehetra. Ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny fanahy manontolo dia midika ho fanomezana avy amin’ny tenantsika, amin’ny fampiasana ny fahaizantsika rehetra sy amin’ny fampifantohana ny herintsika rehetra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, amin’ny fomba feno indrindra araka izay azo atao. (Marka 12:29, 30). — 15/10, pejy faha-13.
◻ Inona ny fototra hahatongavana ho olona manana foto-pitsipika araka an’Andriamanitra?
Ny fototra ho amin’izany dia ny hoe tena mahalala an’i Jehovah, sy ny zavatra tiany sy ny tsy tiany, ary ny fikasany. Rehefa mifehy ny fiainantsika ireny foto-pitsipika momba an’Andriamanitra ireny, dia tonga foto-pitsipika velona, raha ny marina. (Jeremia 22:16; Hebreo 4:12). — 15/10, pejy faha-29.
◻ Mampiseho fihetsika voalanjalanja manao ahoana ny mpanompon’i Jehovah, eo anoloan’ny fanapahan’olombelona?
Tsy momba ny atsy na ny aroa eo amin’ny raharaha politika izy ireo, satria ambasadaoro na iraky ny Fanjakan’Andriamanitra. (2 Korintiana 5:20). Etsy an-danin’izany, dia mankatò an’ireo manam-pahefana izy ireo noho ny feon’ny fieritreretana. — 1/11, pejy faha-17.
◻ Inona ny fianarana azontsika raisina avy amin’ny fihetsika nasehon’i Elisa mpaminany?
Rehefa notolorana ny fanasana ho amin’ny fanompoana manokana niaraka tamin’i Elia i Elisa, dia nandao ny sahany avy hatrany izy mba hanompo an’i Elia, na dia ambany aza ny sasany tamin’ireo andraikiny. (2 Mpanjaka 3:11). Ny sasany amin’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao dia nampiseho toe-tsaina feno fahafoizan-tena mitovy amin’izany, tamin’ny fandaozana ny asa fivelomany mba hitoriana ny vaovao tsara any amin’ny faritany lavitra. — 1/11, pejy faha-30, 31.
◻ Mirakitra torohevitra mahasoa inona ny taratasin’i Jakoba?
Asehony amintsika ny fomba hiatrehana fisedrana, omeny torohevitra isika tsy hizaha tavan’olona, ary ampirisihiny isika hanao asa mahitsy. Ampirisihin’i Jakoba isika hifehy ny lelantsika, hanohitra ny fitaoman’izao tontolo izao, sy hampiroborobo ny fihavanana. Afaka manampy antsika hanam-paharetana sy hazoto hivavaka koa ny teniny. — 15/11, pejy faha-24.
◻ Nahoana i Jehovah no “vonona hamela heloka”? (Salamo 86:5, NW ).
Vonona hamela heloka i Jehovah satria tsy hadinony fa zavaboary vovoka isika, manan-toetra marefo sy malemy, izay vokatry ny tsy fahatanterahana. (Salamo 103:12-14). — 1/12, pejy faha-10.
◻ Nahoana isika no tokony ho vonona hamela ny heloky ny hafa?
Raha mandà tsy hamela ny heloky ny hafa isika rehefa misy fototra tokony hanehoana famindram-po, dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izany. (Matio 6:14, 15). — 1/12, pejy faha-17.