Fanondroan-dalana ho any Amin’ny Fiainana
RAHA toa ka mandeha amin’ny lalan-kely na lalana tsy mahazatra ianao, moa ve ianao hihevitra ireo takela-by fanondroan-dalana ho toy ny fanakantsakanana? Tsy azo inoana loatra izany! Azo antoka fa hihevitra azy ireny ho toy ny fanampiana anao mba tsy ho very fa hahita ny lalana mankany amin’ny toerana alehanao ianao.
Ahoana anefa ny amin’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fiainana? Azo tontosaina soa aman-tsara tsy misy fanondroan-dalana ve izy io? Niaiky ny fetran’ny olombelona amin’io lafiny io ny mpaminanin’Andriamanitra fahiny iray. Hoy izy: “Fantatro, ry Tompo ô, fa tsy anjaran’ny olona ny misafidy ny lalany; na ho an’ny olona ny hamaritra izay ho lalan’ny fiainany.” — Jeremia 10:23, The New English Bible.
Aiza àry no ahafahana mahita ilay fitarihan-dalana ilaina? Ny Mpamorona ny olombelona no loharano azo ianteherana ny amin’ny tari-dalana toy izany, ary hita ao amin’ny Baiboly ireo fanondroan-dalana ara-panoharana. Hoy i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny: “Fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” — Isaia 30:21.
Eny, manome tari-dalana azo ianteherana eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra. (Isaia 48:17; 2 Timoty 3:16, 17). Mampalahelo anefa fa mandeha eo amin’ny lalan’ny fiainana tsy miankina amin’ny fitarihan-dalana avy amin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olombelona. (Matio 7:13). Na dia izany aza, dia mipetraka eo amin’ny toerany ihany ireo fanondroan-dalana! Hasianao fiheverana ve izy ireny eo am-pandehananao eo amin’ny lalan’ny fiainana?