Tadidinao Ve?
Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany amin’Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:
• Inona no nanamora ny nanekena ny Krismasy tany Korea?
Ninoan’ny olona fahiny tany Korea sy ny tany hafa sasany ny andriamanitra iray, izay andriamanitry ny lakozia. Noheverina fa niditra avy teo amin’ny lalan-tsetroka izy io, mba hitondra fanomezana tamin’ny volana Desambra. Afa-tsy izany koa, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nizara fanomezana sy fanampiana tao amin’ny fiangonana teo an-toerana ny miaramila amerikanina.—15/12, pejy faha-4, 5.
• Ho fahatanterahan’ny Isaia 21:8, iza moa no “mpiambina” ampiasain’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?
Nampiomana ny olona ny amin’ny hevitr’ireo fisehoan-javatra maneran-tany, izay fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, ireo Kristianina voahosotry ny fanahy mahaforona ny kilasin’ny mpiambina. Nanampy ny mpianatra ny Baiboly koa izy ireo hahafantatra hoe inona avy ireo foto-pinoana sy fanao tsy araka ny Soratra Masina izay tokony hohalavirina.—1/1, pejy faha-8, 9.
• Iza moa ireo “Rahalahy Poloney”?
Fivavahana kely iray tany Polonina tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17 izy ireo, izay nampirisika ny hifikirana amin’ny Baiboly, ka nanda foto-pinoana efa nahazatra teo anivon’ny eglizy, toy ny amin’Andriamanitra telo izay iray sy ny fanaovam-batisa zazakely ary ny afobe mirehitra. Rehefa nandeha ny fotoana, dia niharan’ny fanenjehana henjana izy ireo, ka voatery niparitaka tany an-tany hafa.—1/1, pejy faha-21-23.
• Nahoana isika no tokony hatoky ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, fa tsy ny filazana mialoha ataon’ny mpanao fikarohana momba ny hoavy, na ny mpanandro?
Hita ho tsy azo itokisana ireo olona mihambo ho mpaminany, satria tsy miraharaha an’i Jehovah sy ny Baiboly. Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ihany no afaka manampy anao hahafantatra ny fomba ifanarahan’ireo fisehoan-javatra amin’ny fikasan’Andriamanitra, ka mitondra soa maharitra ho anao sy ny fianakavianao.—15/1, pejy faha-3.
• Inona no porofo sasany manamarina fa miaina amin’ny andro farany isika?
Afaka mahita ny vokatry ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra isika. (Apokalypsy 12:9). Miaina amin’ny fotoan’ilay “mpanjaka” farany voalaza ao amin’ny Apokalypsy 17:9-11 isika. Tsy mitsaha-mihena ny isan’ireo tena Kristianina voahosotra, kanefa toa mbola ho eto an-tany ny sasany aminy, rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe.—15/1, pejy faha-12, 13.
• Oviana no nanoratana ny bokin’i Habakoka, ary nahoana isika no tokony ho liana amin’izy io?
Nosoratana tokony ho tamin’ny 628 al.f.i. io boky ao amin’ny Baiboly io. Mirakitra ny didim-pitsaran’i Jehovah ho fanamelohana ny firenen’i Joda fahiny sy i Babylona izy io. Miresaka ny amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra hampiharina tsy ho ela amin’ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity koa izy io.—1/2, pejy faha-8.
• Aiza ao amin’ny Baiboly no ahitantsika torohevitra maneho fahendrena nomen’ny reny iray ho an’ny vehivavy mahay?
Loharano faran’izay tsara anovozana torohevitra toy izany ny toko farany ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, dia ny toko faha-31.—1/2, pejy faha-30, 31.
• Nahoana isika no velom-pankasitrahana fa nahariharin’i Jehovah tamintsika ny “sain’i Kristy”? (1 Korintiana 2:16).
Tamin’ny alalan’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Filazantsara no nanomezan’i Jehovah antsika fahafahana hianatra ny fisainan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony sy ny asany ary ny zavatra nataony ho laharam-pahamehana. Afaka manampy antsika hanahaka bebe kokoa an’i Jesosy izany, indrindra fa eo amin’ny fanantitranterantsika ilay asa fitoriana mamonjy aina.—15/2, pejy faha-25.
• Mamaly vavaka ve Andriamanitra ankehitriny?
Eny. Na dia asehon’ny Baiboly aza fa tsy mamaly ny vavaka rehetra Andriamanitra, dia porofoin’ny zava-mitranga amin’izao andro izao fa matetika izy no namaly ny vavaka nataon’ny olona nangataka fampiononana sy fanampiana, momba ny famahana olana ara-panambadiana, ohatra.—1/3, pejy faha-3-7.
• Ahoana no ahafahantsika manovo ny herin’Andriamanitra?
Afaka mangataka azy io amin’ny alalan’ny vavaka isika, afaka manovo hery ara-panahy avy ao amin’ny Baiboly, ary afaka mahazo hery amin’ny alalan’ny fifaneraseran’ny samy kristianina.—1/3, pejy faha-15, 16.
• Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany handray soa bebe kokoa avy amin’ny fivoriana kristianina?
Afaka manampy ny zanany tsy hatoritory izy ireo, angamba amin’ny fanaovana izay hahazoany torimaso kely, alohan’ny fivoriana. Azo ampirisihina handray “an-tsoratra” ny ankizy, ka hanisy marika eo amin’ny taratasy iray, ohatra, isaky ny misy teny na anarana mahazatra ampiasaina.—15/3, pejy faha-17, 18.
• Inona no zavatra sasany azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelan’i Joba?
Nametraka ny fifandraisany tamin’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany i Joba, tsy nizaha tavan’olona, niezaka ho tsy nivadika tamin’ny vadiny, niahy ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviany, ary niaritra tamim-pahatokiana tao anatin’ny fitsapana.—15/3, pejy faha-25-27.
• Moa ve ny Baiboly mirakitra mari-pamantarana miafina izay manampy hahatakarana ny hevitra fonosin’ny hafatra misy mari-pamantarana?
Tsia. Azo lazaina ho manana izay heverina ho mari-pamantarana miafina toy ny an’ny Baiboly koa ny boky tsy ara-pivavahana sasany. Izay heverina ho mari-pamantarana ao amin’ny Baiboly dia tsy misy heviny, satria miovaova ny tsipelin-teny ao amin’ireo sora-tanana hebreo.—1/4, pejy faha-30, 31.