Fanomezana Sarobidy eo Imason’i Jehovah
Naharay izao taratasy manaraka izao ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Mozambika:
“Zazalahy fito taona aho, ary mbola mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Vola azoko tamin’ny fiompiana akohokely iray ity vola alefako ity. Namidiko 12 000 meticales [6 000 FMG eo ho eo] ilay izy. Misaotra an’i Jehovah aho fa nanjary akoholahy ilay akohokely nompiako voalohany. Iriko ny hampiasana ity fanomezako ity mba hanohanana ny asan’ny Fanjakan’i Jehovah.
PS: Nanampy ahy hanoratra ity taratasy ity i Dada.”
Heverin’ny olona sasany ho mifandray amin’ny habetsahan’ny fananana zavatra ara-nofo ny fahalalahan-tanana. Tantarain’ny Baiboly anefa ny amin’ilay vehivavy mpitondratena nandatsaka “farantsakely roa” tao amin’ny fandatsahan-drakitra tao amin’ny tempoly. Rehefa mamaky io fitantarana io isika, dia takatsika fa tsy ny habetsahan’ny zavatra omena no entina amaritana ny fahalalahan-tanana, fa ny fironan’ny fo araka ny mety.—Lioka 21:1-4.
Ankasitrahan’i Jehovah ny fanomezana rehetra, na dia kely toy inona aza, rehefa atao amin’ny fo atosiky ny fitiavana. Ary mahazo fitahiana be dia be avy aminy ireo manahaka ny fahalalahan-tanany, ka manome ny fotoanan’izy ireo, ny herin’izy ireo, na ny fananan’izy ireo mba hanohanana ilay Fanjakan’i Jehovah.—Matio 6:33; Hebreo 6:10.