Ny Fitiavana Kristianina—Tsy An-tendro-molotra Fotsiny
REHEFA levon’ny afo ny tranony tany Trinité, dia namoy ny fananany rehetra, afa-tsy ny ainy, ny fianakaviana Bartholomew. Nampiantrano azy ireo ny havany iray, izay nipetraka teo akaikiny, nefa tsy nifarana teo ny tantara.
Vavolombelon’i Jehovah i Olive Bartholomew, ary ny mpikambana tao amin’ny kongregasiona nisy azy sy ny teo amin’ny faritra manodidina dia nanomboka nanao fanomezana mba hanorenana indray ilay trano, izay nafoin’izy mianakavy. Naorina ny komity iray mba hanara-maso ilay tetik’asa fanorenana, ary nanomboka ny asa. Vavolombelona tokony ho 20 sy ny sasany tamin’ny mpiara-monina no hita teo amin’ilay toerana. Na ny tanora aza dia nandray anjara tamin’izany, ary teo ny hafa mba handroso sakafo maivana.
“Tohina ny fon’ny fianakaviako”, hoy i Olive, araka ny tatitra tao amin’ny Sunday Guardian, any Trinité. “Tsy Vavolombelona izy ireo, ary mbola zendana noho ny zavatra hitany ny vadiko”.
Rehefa namintina ilay ezaka ilay mpandrindra ny tetik’asa fanorenana, dia nanamafy fa tena marika famantarana ny Kristianisma marina ny asa toy ireny. “Tsy mandeha isan-trano miresaka momba ny fitiavana fotsiny izahay”, hoy izy. “Miezaka mampihatra izay torinay izahay”.—Jaona 13: 34, 35.
[Sary, pejy 32]
Olive Bartholomew miaraka amin’ny vadiny