Fierena Amin’ny Rivotra
ENY an-tampon’ny Tendrombohitra Alpes no hahitanao ilay zana-kazo matanjaka antsoina hoe hazoraozy. Matetika no manome kirihitra matevina sy mifitsaka amin’ny tany ny fomba fanirin’io hazo botry kely io, mba hiarovan-tena amin’ny rivotra mahery avy any amin’ny toerana avo. Mety hamono ny hazoraozy ny rivotra mifofofofo tsy an-kijanona, satria mampidina ny hafanany, sy manamaina ny rivotra sy ny nofon-tany, ary manongotra ny fakan’io zavamaniry io.
Maniry ao anatin’ireo triatra amin’ny vatolampy anefa ny hazoraozy, ka tsy simban’ny rivotra. Na dia tsy misy nofon-tany firy aza amin’ireny toerana ireny, dia miaro an’ilay zavamaniry amin’ny rivotra ireo triatra ireo, ka manampy azy hitahiry rano. Zara raha hita ny hazoraozy mandritra ny taona, fa mamony mena marevaka kosa izy amin’ny fahavaratra, ka mandravaka ny tendrombohitra.
Nohazavain’i Isaia mpaminany fa hanendry “lehibe”, na andriana, Andriamanitra, ka ho “fierena amin’ny rivotra” ny tsirairay aminy. (Isaia 32:1, 2) Hotarihin’i Jesosy ireny andriana ara-panahy na mpiandraikitra ireny, ka ho toy ny vatolampy mafy orina sy azo ianteherana rehefa ao anaty tebiteby na fahoriana. Hanome fialokalofana azo itokisana sy fanampiana ho an’ireo iharam-pisedrana izy ireo, mba tsy ho lany ny tahirin-dranony ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Hamely ny Kristianina toy ny tafio-drivotra ny fanenjehana, ny fahakiviana, na ny aretina, ka ho faty ny finoany raha tsy voaro izy. Afaka miaro anefa ny anti-panahy kristianina, rehefa mihaino tsara ilay zava-manahirana, sy manome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly, ary manome fampaherezana na fanampiana azo tsapain-tanana. Te hanampy an’ireo olona “nafoy” izy ireo, toy ny nataon’i Kristy Jesosy, ilay Mpanjakany voatendry. (Matio 9:36) Maniry hanampy an’ireo voafitaky ny rivotry ny fampianaran-diso koa izy ireo. (Efesiana 4:14) Tena ilaina ny fanampiana tonga amin’ny fotoana mety toy izany.
“Nisy fotoana tena nahakivy ahy”, hoy i Miriam, “satria niala tamin’ny fahamarinana ny namako akaiky sasany, ary i Dada koa tamin’izay narary mafy voan’ny lotsi-dra tamin’ny atidoha. Niezaka nandresy ny fahakiviako aho, ka nampiaraka tamin’ankizilahy tsy Vavolombelona. Nahatsiaro tena ho tsy mendrika anefa aho avy eo, ka nilaza tamin’ny anti-panahin’ny fiangonana fa hiala amin’ny fahamarinana aho, satria ninoako fa tsy tia ahy intsony i Jehovah.
Tamin’izay fotoana faran’izay sarotra izay indrindra ny anti-panahy iray nahay nangoraka no nampahatsiahy ahy ireo taona nanaovako ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Nolazainy fa nahavariana azy foana ny fahatokiana nasehoko, ary nangataka tamin-katsaram-panahy izy mba hamela ny anti-panahy hanampy ahy hatoky indray fa tia ahy i Jehovah. Tena toy ny ‘fierena’ ho ahy mihitsy ny fitiavan’izy ireo, tamin’iny tafio-drivotra ara-panahy nihatra tamiko iny. Tsy ampy iray volana akory dia nisarahako ilay ankizilahy, ary tsy niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana intsony aho hatramin’izay.”
Mahatsiaro ho novalian-tsoa ny anti-panahy, rehefa mahita fa miroborobo ara-panahy ny Kristianina namany, izay nomeny fiarovana tamin’ny fotoana nety. Ireny “fierena” ireny dia santatry ny fanampiana ara-panahy mahatalanjona ho azontsika mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.