Miahy Antsika ve Andriamanitra?
MANAHY ve ianao noho ny olana ao amin’ny fianakavianao, na eo amin’ny asanao, na ny aretina, na ny andraikitra lehibe hafa? Maro no manahy toy izany. Ary iza ankehitriny no tsy ory noho ny tsy rariny sy ny asan-jiolahy ary ny herisetra? Marina tokoa ity voalazan’ny Baiboly ity: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.” (Romanina 8:22) Tsy mahagaga raha maro ny olona manontany hoe: ‘Mba miahy antsika ve Andriamanitra? Hanampy antsika ve izy?’
Nivavaka tamin’Andriamanitra i Solomona Mpanjaka hendry hoe: “Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona.” Natoky i Solomona fa tsy vitan’ny hoe mahalala antsika Andriamanitra, fa miahy antsika tsirairay koa izy. Izany no nahatonga azy ho sahy nangataka tamin’Andriamanitra mba ‘hihaino any an-danitra’, ka hamaly ny vavaky ny olona tsirairay matahotra azy, rehefa milaza aminy ny “fahoriany sy ny alahelony avy” izy ireo.—2 Tantara 6:29, 30.
Mbola miahy antsika foana i Jehovah Andriamanitra amin’izao andro izao, ary manasa antsika hitalaho aminy amin’ny vavaka. (Salamo 50:15) Mampanantena izy fa hovaliany ny vavaka avy amin’ny fo sy mifanaraka amin’ny sitrapony. (Salamo 55:16, 22; Lioka 11:5-13; 2 Korintianina 4:7) Tena mihaino ‘izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’olona, na ny olony rehetra’ i Jehovah. Ho tsapantsika àry fa tena tia sy miahy ary mitari-dalana antsika Andriamanitra, raha matoky azy isika, ka mangataka ny fanampiany amin’ny vavaka, ary manatona azy. (Ohabolana 3:5, 6) Manome toky antsika i Jakoba, mpanoratra Baiboly, hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.