Mandrisiha Azy Ireo mba Hitombo, Amin’ny Alalan’ny Fiverenana Mitsidika Misy Heviny
1 Mba hanampiana ireo izay naneho fahalianana, dia zava-dehibe ny hanohizantsika mamatsy azy ireny amin’ny sakafo ara-panahy tondraka, amin’ny alalan’ny fiverenana mitsidika tsy tapaka. Ny fitsidihantsika dia hanampy miandalana mba handrisika azy ireny hitombo ara-panahy. (1 Kor. 3:6-9). Mba hampisy heviny ny fitsidihantsika anefa, dia ilaina ny hiomanantsika alohan’ny fotoana, ka hieritreritra izany olona izany.
2 Fiverenana mitsidika an’ireo izay nametrahantsika taratasy mivalona: Angamba ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao no napetraka tamin’ny fitsidihana voalohany.
Rehefa avy manao famerenana fohy izay noresahina teo aloha isika, dia mety hanontany zavatra sahala amin’izao:
◼ “Fitondram-panjakana inona no afaka mitondra ireo fiovana ireo? [Avelao izy hamaly.] Tsy isalasalana fa hirinao koa ny hankafy ny fiainana ao anatin’ny toe-piainana tahaka izao. Ahoana no hahafahan’ny tenantsika manokana hankafy toe-piainana toy izany?” Mety hodinihina avy eo ny fanazavana eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Ny fomba hetezan’izany ho anao koa”. Raha mampiseho fahalianana izy, dia azo tarihina ny sainy ho amin’ny boky Hiaina Mandrakizay, toko faha-15, manao hoe: “Ny Fomba Hahatongavana ho Vahoakan’ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra”. Mety handinika ireo fehintsoratra roa voalohany isika, ary avy eo dia hanontany hoe: “Amin’ny ahoana ny fianarana ny amin’Andriamanitra no tokony hahakasika antsika?” Mety hisy fandaharana hatao mba hamaliana ilay fanontaniana sy handihihana ilay toko misimisy kokoa amin’ny fitsidihana manaraka.
3 Rehefa miverina mitsidika an’ireo izay nametrahantsika ilay bokikely hoe “Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?” isika, dia mety hilaza hoe:
◼ “Tamin’ny fitsidihako farany, dia nidinika momba ireo zava-manahirana maro be atrehin’ny taranak’olombelona sy izay ampanantenain’Andriamanitra hatao momba azy ireny, isika. Nahoana anefa Andriamanitra no namela ny fijaliana haharitra ela be toy izao? Ilay valiny mahaliana dia hita ao amin’ny fizarana faha-6 amin’ilay bokikely nojerentsika iny.” Asao ilay tompon-trano haka ny azy raha mety. Rehefa avy nandinika fehintsoratra vitsivitsy isika, dia mety hanontany hoe: “Inona no ilaina hataontsika mba handraisan-tsoa avy amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra?” Mety hasongadina ho amin’ny fiaraha-midinika amin’ny fitsidihana manaraka ireo fanazavana eo ambanin’ny fizarana faha-11, manao hoe: “Eo Am-panorenana azy Ankehitriny ny Fototr’ilay Tontolo Vaovao”, eo amin’ny pejy faha-28-31.
4 Fiverenana mitsidika an’ireo izay nametrahantsika gazety: Raha nifidy lahatsoratra voafaritra iray izay nahaliana ilay tompon-trano ianao, dia mamelabelara hevitra fanampiny avy ao amin’ilay lahatsoratra rehefa miverina, amin’ny fanankinana ny fanazavanao amin’ny andinin-teny fototra iray sy amin’ny fanazavana momba azy io. Raha misy fahalianana mitohy, dia mety ho azo resahina ny soa azo avy amin’ireo gazety. Ankoatra izany, dia azo tarihina ho amin’ny nomerao manaraka amin’ilay gazety ny sainy, raha toa izy io ka mirakitra lahatsoratra miresaka an’io foto-kevitra io ihany. Raha tsy izany, dia azontsika atao ny mitarika ny sainy ho amin’ny fanazavana ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay izay miresaka momba ilay foto-kevitra ka manao fandaharana mba handinihana azy io amin’ny fitsidihantsika manaraka.
5 Ny fanehoantsika fiheverana manokana amin’ny fikirizana manao fiverenana mitsidika misy heviny, dia hampiseho ny fitiavantsika ny olona sy ny fitiavantsika an’i Jehovah. (Jaona 13:34, 35). Enga anie isika hanohy handrisika ireo olona ao amin’ny faritanintsika hitombo ara-panahy, amin’ny fanaovana tsy tapaka fiverenana mitsidika misy heviny.