Fampahafantarana ny Anaran’i Jehovah any Amin’ny Tany Rehetra
1 Fony i Jesosy naniraka ny mpianany mba ho vavolombelona “hatramin’ny faran’ny tany”, dia efa nanome azy ireo ny ohatra harahina izy. (Asa. 1:8). Na oviana na oviana, ary na taiza na taiza nahitany olona, dia niresaka momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona izy. Ho fanahafana an’i Jesosy, ny kilasin’ny mpanompo mahatoky dia mampiasa fomba maro isan-karazany, mba hahatonga ny anaran’i Jehovah ho “fantatra any amin’ny tany rehetra”. — Isaia 12:4, 5.
2 Izay natao tamin’ny andro taloha: Tamin’ireo taona taloha, dia nisy toriteny navoaka an-gazety; natao ny “Photo-Drame de la création” ary naseho tamin’ny olona an-tapitrisany maro; nampiasaina ireo fiara nisy fanamafisam-peo; nampiasaina be dia be koa ny grafofaonina sy ny radio, nandritra ny fotoana kelikely — mba hitoriana ny vaovao tsara ireo rehetra ireo. Mazava ho azy fa nantitranterina voalohany indrindra foana ny firesahana mivantana amin’ny olona, mba hahafahana hanolokolo ny fahalianana hita. Noho izany, dia hita ho tena fomba mandaitra iray, mba hampahafantarana ny anaran’i Jehovah hatraiza hatraiza, ny fanompoana isan-trano. — Asa. 5:42.
3 Izay atao amin’izao androntsika izao: Noho ny fiovan’ny toe-piainana, dia mirotoroto be ny fiainana eo amin’izao tontolo izao, ary mahalana vao hita ao an-trano ny olona any amin’ny toerana maro. Vitsy no ta handany fotoana hamakiana teny sy hisaintsainana zavatra ara-panahy. Koa tsy maintsy mampifanaraka ny fanompoantsika amin’izany àry isika. Ho fanampin’ny fiasana tsy tapaka ny faritany amin’ny fitoriana isan-trano, dia nampirisihina mba handeha any amin’izay misy ny olona isika, ka ho “vonona mandrakariva” hiaro ny fanantenana ao anatintsika. (1 Pet. 3:15). Izany dia midika ho fiezahana mafy hitory amin’ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny olona eny amin’ny arabe sy eny an-jaridainam-panjakana na parking, isaky ny fivarotana, ary any an-toeran-kafa izay mety hahitana olona. Noho ny fanohanan’i Jehovah, dia tena mahomby ny ezaka ataontsika. Mandray anjara amin’ny fanatratrarana ny olona na aiza na aiza misy azy ireo ve ianao?
4 Enga anie ny tenantsika hanandrana ny fomba rehetra, raha ny amin’ny fampahafantarana ny anaran’i Jehovah eny amin’ny faritanintsika. Afaka mahita fahafaham-po lehibe amin’ny fanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoantsika isika, raha mitodika any amin’i Jehovah mba hisarika ireo olona mahitsy fo. — Jaona 6:44.