Afaka Manompo any Amin’izay Ilana Fanampiana Kokoa ve Ianao?
1 Efa mba nieritreritra ny hifindra any amin’izay ilana mpitory bebe kokoa ve ianao? Hanao toy ny apostoly Paoly ve ianao raha asaina ‘hita ka hamonjy’? (Asa. 16:9, 10) Maro ny kongregasiona mila fianakaviana matotra ara-panahy, na mpisava lalana mba hanampy amin’ny fiasana ny faritany, na anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana za-draharaha, mba hanampy eo amin’ny fitantanana. Mety ho tanàna mitokantokana maro any ambanivohitra midadasika no faritany. Mety ho afaka kilaometatra maromaro vao misy Efitrano Fanjakana. Mety ho tsy misy loatra ny asa fivelomana. Mety ho tsy araka ny itiavanao azy foana ny toetr’andro. Ho sahy hisetra izany zava-tsarotra izany ve ianao? Ahoana no ahavitana an’izany?
2 Mila finoana sy fatokiana: Nasain’Andriamanitra nandao an’i Ora, tanàna nahabe azy, i Abrama, ny vadiny, ny zana-drahalahiny, ary i Tera rainy izay efa be taona ka nandeha 1 000 kilaometatra, hatrany Harana. (Gen. 11:31, 32; Neh. 9:7) Rehefa maty i Tera, dia nomen’i Jehovah baiko i Abrama, izay 75 taona, mba handao an’i Harana sy ny havany, ho any amin’ny tany izay hasehony azy. “Niainga” i Abrama sy Saray ary i Lota. (Gen. 12:1, 4, 5) Marina fa tsy nifindra ho any amin’ny toerana ilana mpitory bebe kokoa i Abrama. Nisy zavatra notakin’io fifindrany io anefa. Inona izany?
3 Nila finoana sy fatokiana i Abrama mba hanatontosana izany fifindrana izany. Tsy maintsy nanova ny fomba fisainany sy ny fomba fiainany izy. Tsy maintsy nandao ny fianakaviany izy. Natoky anefa izy fa hikarakara azy sy ny ankohonany i Jehovah. Maro no nampiseho fatokiana an’i Jehovah toy izany amin’izao andro izao.
4 Fanendrena mandritra ny fotoana fohy: Efa nahazo fitahiana tondraka vokatry ny fiasana ny faritany nanendrena anao ve ianao? Midika ho fandehanana lavitra izany ho an’ny sasany. Misy valisoa raisina avy amin’izany ve?
5 Nanoratra toy izao ny rahalahy iray avy any Kalifornia, Etazonia, izay nifindra tany Utah: “Nisalasala aho rehefa notolorana hevitra mba hitarika antoko-mpitory any amin’ny faritany tsy voasa matetika. Nanaiky ilay fanendrena anefa aho. Sady tsy nanenenako mihitsy ilay izy no nanova ny fiainako koa. Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho noho ny tombontsoa azoko satria nanaiky hifindra.” Nilaza ny rahalahy iray avy any Floride, nifindra tany Tennessee, fa iny no zavatra niainana tsy mety hadinony indrindra hatramin’ireo 20 taona naha tao amin’ny fahamarinana azy! Hoy ny tanora iray avy any Connecticut, nifindra tany Virginie Andrefana: “Iny no zavatra nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainako.” Manaiky ny ankamaroan’ny mpitory fa nampiorina ny fitiavana lalina ny fanompoana ny fanaovana izany any amin’ny toerana ilana fanampiana kokoa, na dia mandritra ny fotoana fohy monja aza. Miresaha amin’ireo efa nanao izany. Ho hitanao fa tena namelombelona azy ireo ara-panahy izany, ary mbola hanao izany izy ireo, rehefa misy ny fahafahana.
6 Misy soa hafa koa anefa raisina rehefa manaiky fanendrena hanompo mandritra ny fotoana fohy, any amin’ny toerana mila fanampiana kokoa. Afaka mandray fanazavana tena ilaina mba hahafahany ‘hihevitra izay ho lany’ rehefa mipetraka any an-toeran-kafa, ireo manao izany.—Lioka 14:28.
7 Mifindra any amin’izay ilana fanampiana kokoa: Tian’i Jehovah hotorina “amin’izao tontolo izao” ny vaovao tsara, alohan’ny farany. (Matio 24:14) Tsy maniry hifindra any amin’ny toerana ilana fanampiana kokoa ve ianao, rehefa fantatrao izany, sady afaka hanao izany ianao? Maro ny toerana mila fanampiana eto Madagasikara.
8 Mety ho afaka hanao asa tena ianao. Afaka mivelona ve ianao na aiza na aiza misy anao? Raha tsy afaka mifindra ianao, afaka manohana mpiara-manompo ao amin’ny kongregasionanao ve ianao mba hanompo any an-toeran-kafa?
9 Raha heverinao fa afaka ny hifindra any amin’ny toerana ilana fanampiana bebe kokoa ianao, rehefa avy nandinika izany tamim-bavaka, dia miresaha amin’ny ankohonanao sy ny anti-panahy ao amin’ny kongregasionanao. Rehefa avy eo dia manorata taratasy ary omeo ny anti-panahy izany mba hahafahan’izy ireo hanao fanamarihana sy fanolorana, alohan’ny handefasana azy any amin’ny biraon’ny sampana.
10 Inona avy no tokony hosoratanao ao anatin’ilay taratasy? Ny taonanao, ny datin’ny batisanao, ny andraikitra tananao ao amin’ny kongregasiona, manambady ianao sa tsia, manan-janaka tsy ampy taona ianao sa tsia. Lazao ny toerana mety aminao, ka tianao hanompoana. Ohatra: Afaka mipetraka any amin’ny toerana mafana sady be orana ve ianao? Mahay teny vahiny ve ianao?
11 Mazoto sy sahy manombo-javatra ve ianao? Mamela anao hanompo any amin’ny toerana ilana fanampiana ve ny toerana misy anao? Raha izany no izy, dia diniho ny fomba nitahian’i Jehovah tsy an-kijanona ireo izay natoky azy rehefa naneho toe-tsaina feno fahafoizan-tena izy ireny!—Sal. 34:8; Mal. 3:10.