Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Manolora boky Fahalalana, ary miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tokony hilazan’ny mpitory ny tompon-trano fa afaka manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany izy, raha tiany. Ataovy izay hametrahana ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, rehefa miverina mitsidika olona liana. Tokony hiezaka hanomboka fampianarana Baiboly isika, indrindra fa amin’ireo olona efa nahavita ny boky Fahalalana sy bokikely Takina. Jona: Manolora boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na bokikely Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Bokikely Fiainana eto An-tany sy Sakaizan’Andriamanitra atolotra, raha misy tsy mahay mamaky teny tsara.
◼ Tokony hanao fandaharana dieny izao, sy hanome ny fangatahany aloha be, ny mpitory maniry ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Hanampy ny anti-panahy izany handamina ny fanompoana eny amin’ny saha, sy hanafatra gazety sy boky ampy. Tokony holazaina amin’ny fiangonana isam-bolana ny anaran’izay rehetra nekena ho mpisava lalana mpanampy.
◼ Taratasy mivalona vaovao misy:
Voalahatra ve ny Fiainantsika? Sa Mitana Antsika ho Tompon’andraikitra Andriamanitra? (ho an’ny Miozolimanina) (Trakta No. 71)—malagasy
◼ Kasety vidéo vaovao misy:
Ilay Fitambaran’ny Mpirahalahy Manontolo Misy Antsika—frantsay