NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Be Mpahafantatra eny Am-bavahady ny Vadiny”
Mahatonga ny vadiny ho tsara laza ny vehivavy tsara. ‘Be mpahafantatra teny am-bavahadin’ny tanàna’ ny lehilahy nanana vady tsara, tamin’ny andron’i Lemoela Mpanjaka. (Oh 31:23) Hajain’ny fiangonana koa ankehitriny ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Misy amin’izy ireny no manambady. Mety hanana an’io tombontsoam-panompoana io foana izy, raha madio fitondran-tena ny vadiny sady manohana azy tsara. (1Ti 3:4, 11) Tena tian’ny lehilahy ny vady toy izany. Mahafaly ny fiangonana koa ny manana an’ireny anabavy ireny.
Manampy ny lehilahy amin’ny andraikiny ny vady tsara rehefa...
tsara fanahy sy mampahery azy.—Oh 31:26
mamela azy hanao ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana.—1Te 2:7, 8
mahay mianina.—1Ti 6:8
tsy misikotsikotra ny tsiambaratelon’ny fiangonana.—1Ti 2:11, 12; 1Pe 4:15