Fijerena akaiky ny fivavahana
AHOANA no fiheveranao ny fivavahana? Moa ve ianao mitovy hevitra amin’i Voltaire izay nihevitra azy io ho toy “ny renin’ny firehetana tafahoatra sy ny tsy fifanaraham-bahoaka, (...) ny fahavalon’ny taranak’olombelona”? Sa kosa ny tsy firaikana mampiteny anao, sahala amin’i Robert Burton, pastora anglikana tamin’ny taonjato faha-17, fa “misy vidiny avokoa ny fivavahana rehetra”?
Na koa, moa ve ianao fantatra ho ny mpino izay, araka ny filazan’i Joseph Joubert, mpampianatra frantsay momba ny fitondrantena tamin’ny taonjato faha-18, dia “mahita ao amin’izany ny fahafinaretany lehibe sy ny adidiny”?
Fivavahana ivelany fotsiny
Amin’izao androntsika izao, izay mahita marina “ny fahafinaretany lehibe sy ny adidiny” ao amin’ny fivavahana dia manana antony tokony hanontanian-tena. Na dia any amin’ireo tany mpivavaka aza, dia olona maro be no tsy manana afa-tsy hevitra manjavozavo fotsiny ny amin’ireo zavatra inoany; tsy manan-kery loatra eo amin’ny fitondrantenany andavanandro ny fivavahan’izy ireny. Mihena haingana ny isan’ny mpiangona any amin’ny tany sasany. Any amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina, ohatra, ny fandinihana natao vao haingana dia nampiharihary fa 6,8 tapitrisa monja amin’ny katolika alemanina 26,3 no mandeha miangona. Tsy mahagaga mihitsy raha milaza ho tsy mihevitra an’io tany io ho “kristiana afa-tsy amin’ny heviny ampiasana ilay teny eo ivelany indrindra fotsiny” ireo mpitondra fivavahana katolika.
Araka ny voalazan’ny Firaketana momba izao tontolo izao kristiana (anglisy), navoaka tamin’ny 1982, “izany fihenana izany dia tsy zava-misy eo amin’ny kristianisma fotsiny; izany dia fisehoan-javatra ara-pivavahana mahazo ny rehetra.”
Nahoana no mijery indray ny tantaran’ny fivavahana?
Rehefa hita izany tarehin-javatra izany dia inona no hoavin’ny fivavahana? Hamaly an’io fanontaniana io ny fitohitohizan-dahatsoratra havoaka ao amin’ity nomerao ity sy ao amin’ireo nomerao manaraka amin’ny Mifohaza!. Ireo lahatsoratra ireo dia hanolotra fitantarana fohy nefa feno momba ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao rehefa avy namantatra tsara ny fiainan’ny fivavahana, tamin’ny lasa nanomboka tamin’ny fiandohany ka hatramin’ny andro ankehitriny. Hampitodika ny saintsika any amin’ny fitaratry ny Tantara isika ka, amin’ny fampiharana amin’ny fivavahana ny fotopoto-pitsipika fantatra tsara ilazana fa izay afafin’ny ny olona no hojinjany, dia ho azontsika atao ny hamantatra ny hoaviny.
Aza mailaka ny hiteny anefa fa tsy mahaliana anao ny tantaran’ny fivavahana! Avy amin’ny lasa mivantana ny ankehitriny; araka izany, na mpino ny tena na tsia, dia tsy maintsy misy heriny eo amin’ny tena ny tantaran’ny fivavahana, mivantana na tsy mivantana.
Afa-tsy izany koa, na dia ireo tsy mino ny fisian’Andriamanitra aza dia manana endri-pivavahana. Ahoana izany? Satria soloany zavatra hafa ny fivavahana tokony homena an’Andriamanitra. Nofintinin’i J. M. Barrie, mpanoratra tantara foronina ekose teo am-piandohan’ny taonjato toy izao izany fihetsika izany: “Ny fivavahan’ny olona dia izay zavatra mahaliana azy indrindra.”
Ny teny hoe fivavahana, araka ny ampiasana azy ato amin’ity gazety ity, dia manondro endri-panompoam-pivavahana manana fitambaram-pomba amam-panao sy zavatra inoana ary fitondrantena eken’ny olona iray ihany na asandratry ny antokon’olona mitambatra. Mahafaoka ny finoana andriamanitra tokana na maromaro ny fivavahana amin’ny ankapobeny, na koa miavaka amin’ny fanompoam-pivavahana atolotra ho an’olombelona, zavatra, faniriana na hery.
Antenainay fa hankasitrahanao ny fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny hoavin’ny fivavahana rehefa heverina amin’ny fiainany tamin’ny lasa”. Koa satria ny fivavahana mahaforona loharanom-pifanoheran-kevitra hatramin’ny ela be, dia tena mety ny hanombohantsika an’izany amin’ny foto-kevitra mitondra ny lohateny hoe “Ny fizarazarana ara-pivavahana — Ny niandohany”.