Ny tsy fetezan-ko diso sy ny Kristiana Voalohany
MIFAMATOTRA akaiky amin’ny “fahamboniana” na fahefana fara tampon’ny papa ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fetezan-ko diso. Araka ny voalazan’ny Enciclopedia Cattolica, dia “ny andinin-tenin’ny Baiboly manamarina ny fahamboniana no mitondra porofon’ny tsy [maha-mety diso] ny papa.” Ho fanohanana an’io foto-pampianarana io dia mitanisa ireto andinin-teny manaraka momba ny tenin’i Jesosy tamin’i Petera ireto io boky io:
Matio 16:18: “Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako.”
Lioka 22:32: “Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”
Jaona 21:15-17: “Fahano ny zanak’ondriko.” “Tandremo ny ondriko.” “Fahano àry ny reniondriko.” — Fandikan-teny katolika.
Toy izao no tian’ireo andinin-teny eo ambony ireo haseho, araka ny lazain’ny eglizy katolika: voalohany, dia i Piera no “filohan’ny apostoly”, izany hoe izy no ambony indrindra tamin’izy ireo; faharoa, tsy nety diso izy; ary fahatelo, tokony hanana “mpandimby” izy handray ny tombontsoany, dia ny fahamboniana sy ny tsy fetezan-ko diso.
Nanao izao fanazavana mahaliana izao momba izany anefa i Giuseppe Alberigo, mpampianatra tantaran’ny fiangonana: “Tsy hita mihitsy ao amin’ny TV [Testamenta Vaovao] ny teny hoe ‘papa’ na ny sampanteny avy aminy, araka ny fantatra. Jesosy avy any Nazareta ihany no fahita indrindra ao; tena sarotra inoana, raha mifototra amin’ny andinin-teny, ny fisian’ny anankiray misongadina ambonin’ny hafa rehetra teo amin’ireo mpianatra, indrindra fa teo amin’ireo apostoly. Ry Petera, Jaona, Jakoba ary Paoly no niavaka sy fantatra, samy hafa toetra ary nifameno. Tsy isalasalana fa i Petera no iray tamin’ireo apostoly izay niresahan’i Kristy indrindra, nefa tsy hoe izy irery no lehibe indrindra.”
Inona no ninoan’ny kristiana voalohany? Mamaly toy izao ny profesora Alberigo: “Tsy nisy foto-pampianarana naorina na fomba fanao mahakasika ny papa sy ny asany tamin’ireo taonjato voalohandohany.... Ny nety hisian’ny ‘episcopus episcoporum’ [evekan’ireo eveka] dia fahadisoan-kevitra hoy i Cyprian [mpanoratra tamin’ny taonjato fahatelo], araka ny nolazainy tao amin’ny synodan’i Carthage.”
Oviana àry no niandohan’ny foto-pampianarana ny amin’ny fisian’ny papa? Hoy ny profesora Alberigo: “Tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra, dia nitaky mafy kokoa fomba fiasa apostolika ny Eglizy romana, izany hoe asa fandrindrana ho an’ireo fiangonana tandrefana.” “Tamin’ny andron’i Léon I [taonjato fahadimy]”, hoy ny nanampin’i Alberigo, no nitaran’ny “fiheverana ny amin’ny maha-‘filohan’ny’ apostoly an’i Piera, miorina amin’i Matio 16:18. Tsy misy fanambaran’i Jesosy momba ny mpandimby an’i Piera na ny apostoly hafa ao amin’ny TV.”
Nefa, moa ve ny andinin-teny toy ny Matio 16:18 fampiasan’ny teôlôjiana katolika indrindra, manohana ny foto-pampianarana ny amin’ny papa?
Iza ilay “vato” Fanorenana Sarobidy?
“Hianao no Piera (vato) [Pe’tros amin’ny teny Grika], ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko.” Amin’ny fiangonana katolika, ny fitoviana akaiky eo amin’ireo teny roa ireo dia mampiseho fa i Petera no vato fanorenan’ny tena fiangonana, na kongregasiona kristiana. Nefa hatreo ny Baiboly dia miresaka matetika ny amin’ny vato ara-panoharana, ka ilaina ny handinihana andinin-teny hafa mba hahazoana fahalalana marina. — Matio 16: 18, Fandikan-teny katolika.
Misy faminaniana lehibe ao amin’ny Soratra hebreo nilaza sahady ny fahatongavan’ny vato fanorenana ara-panoharana iray sy ny andraikitra roa sosona hotanany. Izy io no tokony ho fitaovam-pamonjena ho an’izay maneho finoana. “Indro, Aho mametraka vato ho toy ny fanorenana ao Ziona, dia vato voazaha toetra, fehizoro sarobidin’ny fanorenana azo antoka. Tsy hatahotra izay maneho finoana.” (Isaia 28:16, MN) Mifanohitra amin’izany, izy io dia tokony ho ny vatolampy izay hahatafintohina ny Isiraelita tsy mino: “Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro indrindra.” (Salamo 18:22) “Ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa amin’ny firenena roa amin’ny Isiraely.” — Isaia 8:14.
Moa ve olombelona tsotra fotsiny, indrindra fa i Petera mora taitaitra, ho afaka hitana ny andraikitra roa soson’ny vato ara-panoharana? (Matio 26:33-35, 69-75; Marka 14:34-42) Iza no tokony hinoantsika mba hahazoana famonjena, i Petera sa ny olona iray lehibe kokoa? Iza no nahatafintohina ny Isiraelita, Petera sa Jesosy? Asehon’ny Soratra Masina mazava fa efa tanteraka ireo faminaniana momba ny vato sarobidy, tsy tamin’i Petera fa tamin’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra. Jesosy no nampihatra tamin’ny tenany ny faminanian’Isaia sy ny Salamo 118, araka ny asehon’i Matio 21:42-45.
Araka ny amakiantsika azy ao amin’ny 1 Petera 2:4-8, na i Petera aza dia nihevitra fa i Jesosy no vato fanorenana fa tsy ny tenany. Talohan’izay, rehefa niresaka tamin’ny filoha ara-pivavahana jiosy izy dia nanantitrantitra hoe “Jesosy Kristy avy any Nazareta” no “vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro.” — Asa. 4:10, 11.
Niombon-kevitra tamin’izany koa ny apostoly Paoly, araka ny azo jerena ao amin’ny Soratra masina, toy ny ao amin’ny Romana 9:31-33, 1 Korintiana 10:4, ary Efesiana 2:20; io andinin-teny farany io dia manamafy ny hoe ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.” Izy àry no ‘lohan’ny kongregasiona’ izay tarihiny avy any an-danitra. “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN]”, hoy i Jesosy. — Efesiana 1: 22; 5:23; Matio 28:20; Kolosiana 1:18.
Petera — Papa, sa iray amin’ireo mitovy aminy ihany?
Fiasana inona no nampiasain’i Jesosy hitarihana ny asan’ireo mpanara-dia azy nahatoky taorian’ny niakarany ho any an-danitra? Moa ve izy nanendry ny iray tamin’izy ireo ho “solontenany” nanana fahefana fara tampony, sahala amin’ny papa? Tsia, tsy nanorina fitondram-panjakana misy mpanjaka teo amin’ny kongregasionany i Jesosy. Raha ny marina dia nankininy tamina fitambarana na antokona mpanompo mahatoky ny fikarakarana ny andian’ondriny. Hatramin’ny niandohany ny kongregasiona kristiana no efa notarihin’ny apostoly 12 nitambatra, niaraka tamin’ny loholona tany amin’ny kongregasionan’i Jerosalema.
Ny apostoly 12, tamin’ny fitambarany, no nanapa-kevitra ny amin’ny fomba hanomezana ny fitaovana nilaina. (Asa. 6:1-6) Ny apostoly 12 niaraka koa no nanapa-kevitra ny amin’izay hirahina ho any amin’ny Samaritana taorian’ny nanekeny ny vaovao tsara, ka ry Petera sy Jaona no voafidy. Hita tamin’izany fotoana izany, fa i Petera, izay tsy afaka hanao fanapahan-kevitra araka ny fiheverany manokana, dia iray tamin’ireo ‘nirahin’ny’ apostoly fotsiny. — Asa. 8:14.
Nandritra ny fivoriana natao tany Jerosalema tany amin’ny 49 am. fan. ir., tamin’ny farany, no nanao fanapahan-kevitra niorina tamin’ny Soratra Masina “ny Apostoly sy ny loholona” fa tsy nilaina ny hamorana ny jentilisa tonga kristiana. (Asa. 15:1-29) Araka ny porofoin’ny tantara, dia mazava fa tsy i Petera fa i Jakoba, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy, no nitarika an’io fivoriana io. Namarana ny dinidinika tokoa izy tamin’ny fitenenana hoe: “Koa dia izao no hevitro [fanapahan-kevitro, MN]: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ny jentilisa izay miverina ho amin’Andriamanitra.” (Asa. 15:19) Moa ve i Jakoba ho afaka hiteny ny amin’ny ‘fanapahan-keviny’ raha toa ka i Petera, izay teo, no filohan’ny apostoly?
Ny apostoly Paoly, izay niresaka ny amin’ny karazana fanompoana natao ho fanitarana ny kongregasiona, dia tsy niresaka ny amin’izay antsoina hoe fahambonian’ny papa fa ny fiaraha-miasan’ny apostoly rehetra ihany. — 1 Korintiana 12:28; Efesiana 4:11, 12.
Tsy isalasalana, araka ny nosoratan’i Alberigo, fa noho ny zotom-pony sy ny fitiavany nanombo-javatra no nitanan’i Petera andraikitra “lehibe”. Nomen’i Jesosy azy “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 16:19) Nampiasa izany fanalahidy ara-panoharana izany izy mba hamohana ho an’ny Jiosy sy ny Samaritana ary ny Jentilisa ny tombontsoa hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. (Asa. 2:14-40; 8:14-17; 10:24-48) Nomena azy koa ny andraikitra ‘hamehy’ sy ‘hamaha’, asa izay niarahany nanao tamin’ireo apostoly hafa. (Matio 16:19; 18:18, 19) Tokony hitandrina ny kongregasiona kristiana izy, zavatra izay tokony hataon’ny mpiandraikitra kristiana rehetra. — Asa. 20:28; 1 Petera 5:2.
Nefa ‘nanan-daza’ koa ireo apostoly hafa ankoatra an’i Petera noho ny toetra tsara kristiana nananany. Niresaka ny amin’izay “natao ho andry” ho an’ny kongregasiona i Paoly momba an’i “Jakoba sy Kefasy [Petera] ary Jaona.” (Galatiana 2:2, 9) Nanana anjara asa lehibe manokana i Jakoba, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy. Araka ny voalaza teo aloha, dia nitarika ny fivoriambe tao Jerosalema izy, ary misy filazana samihafa manantitrantitra ny asa miavaka nataony. — Asa. 12:17; 21:18-25; Galatiana 2:12.
Nanome fahefana lehibe ho an’ireo mpianatr’i Jesosy nahatoky Andriamanitra, anisan’izany ny fahaizana manao fahagagana. Tsy misy teny milaza anefa ao amin’ny Baiboly hoe nanome fahefana azy ireo hilaza ho tsy mety diso izy. Nanao fahadisoana i Petera na dia nahatoky aza. Nanome tsiny azy i Jesosy, ary nanitsy azy ampahibemaso ny apostoly Paoly indray mandeha. — Matio 16:21-23; 26:31-34; Galatiana 2:11-14.
Ny Soratra masina ihany no tsy mety diso, amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy. Niresaka ny amin’ny “teny faminaniana” izay tokony hotandremana toy ny jiro mahazava i Petera. (2 Petera 1:19-21) Mba hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra, dia tokony hitoky amin’ny Teniny ‘velona’ isika. (Hebreo 4:12) Ny Tenin’Andriamanitra ihany fa tsy ny hevi-teny mampisalasala avy amin’ireo filoha ara-pivavahana no manome ny fahalalana azo antoka izay ilain’ny olombelona aoka izany. Amin’izao androntsika izao koa i Jesosy Kristy dia mampiasa antokona mpanompo, mety diso nefa mahatoky, antsoina amin’ny fitambarany hoe “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.” — Matio 24:45-47.
Iza no asehon’io mpanompo ara-panoharana io eto an-tany amin’ny andro ankehitriny? Ny fianarana araka ny marina ny Baiboly no hanampy anao hamantatra izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao.
[Sary, pejy 9]
Iza no vato fanorenana — Kristy nahatoky sa Petera izay nanda azy intelo?