Araka ny Baiboly
Ahoana no fiheveran’ny kristiana ny fivavahana amin’ny razana?
MARO BE no mahalala fa ny fivavahana amin’ny razana dia manana anjara toerana tena lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro, indrindra fa ny konfisianista sy ny bodista ary ny shintoista. Kanefa tsapanao ve fa tena miseho eo amin’ny fomba fiaina afrikana koa izy io? Raha ny marina, dia hita saika ao amin’ny fivavahana rehetra ny fivavahana amin’ny razana, angamba aza ao amin’ny anao koa. Izany dia “fisehoan-javatra maneran-tany”, hoy ny nolazain’ny profesora nizeriana iray, mpampianatra momba ny fivavahana.
Inona moa no atao hoe fivavahana amin’ny razana? Angamba ianao hamaly mifanaraka amin’izao hevi-teny izao: “Fampitonena sy fiantsoana ara-pombam-pivavahana ny havana iray efa maty, miorina amin’ny finoana ny herin’ny fanahin’ny [maty] eo amin’ny anjaran’ny velona.” — The Concise Columbia Encyclopedia.
Araka izany, ao an-tranon’ny olona iray mpanaraka ny fivavahana amin’ny razana, bodista iray avy any Atsimo Atsinanan’i Azia, ohatra, dia mety hahitana alitara iray izay maka toerana eo amboniny ny sarin’ny havana iray efa maty. Ho tsapa ny fofon’ny emboka manitra mirehitra, na ho re ny feo dridralavan’olona mivavaka sy mitehaka. Mametraka matetika sakafo na voninkazo ho an’ny maty eo ambonin’ny alitara ilay mpivavaka.
Any amin’ny kontinanta hafa iray, atsy Afrika, dia maro ireo izay “miaina miaraka amin’ny havany maty”. Ao Afrika ambanin’i Sahara, dia manjaka ny finoana ilazana fa mety ny fifandraisana akaiky sy ny fifampiresahan’ny velona sy ny maty”. Izahay Afrikana dia mihevitra avokoa fa akaiky anay ireo havanay efa maty sy ireo razambenay amin’ny ankapobeny”, hoy ny nambaran’ny teolojiana afrikana iray avy amin’ny finoana protestanta.
Ao amin’ny tany maro ao Afrika, dia heverina fa ireo razambe maty no mbola filohan’ny fianakaviana na ny fikambanana nisy azy fahavelony. Mbola “mpampianatra ara-panahy raha ny amin’ny raharaham-pianakaviana” ny olona maty, hoy ny fanantitranteran’i E. Bolaji Idowu, ao amin’ny bokiny hoe Ny fivavahana afrikana nentin-drazana: filazana ny toe-javatra mampiavaka azy (anglisy). Miantso ny fanampian’ny fanahin’ny razana saika amim-pitompoan-teny fantatra ny Afrikana. Araka izany, ho azy ireo, ireo razambe dia “anton-javatra mampiray ny fitambaran’olona afrikana” ary, araka ny Firaketana Vaovao britanika, ny fanajana azy ireny dia manatsara ny “fiombonam-pianakaviana”.
Any amin’ny tany Tandrefana — any Frantsa na any Kanada, ohatra — dia misy fiangonana lehibe sy kely ary fitoerana masina natokana ho an’olona masina, olo-malaza azo ampitovina amina razambe. Manao tsianjery vavaka eo anoloan’ny sary mivongana tsy miteny ny mpivavaka. Na koa, eo am-pandohalehana sy ny tanana mitsotra, dia manolotra fanomezana ho ana sarin-javatra mamirapiratra izy. Marina fa hitsangam-bolo ireo mpivavaka ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana amin’ny fieritreretana fa ampitovina amin’ny fivavahana amin’ny razana ny fombafombam-pivavahany; hihomehy amin’izany kosa anefa ny bodista, ny shintoista na ny Afrikana tia fivavahana satria fantany fa ny fanajana asehon’ireny “kristiana” ireny dia tsy misy fahasamihafana firy amin’ny fanaon’ny tenany ara-pivavahana.
Miorina amin’inona ny fivavahana amin’ny razana?
Ny fivavahana amin’ny razana dia miorina indrindra amin’ny finoana ny fiainana aorian’ny fahafatesana noho ny mbola ahaveloman’ny foto-javatra iray ao amin’ilay olona ihany. Izany dia “finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy”, araka ny voalazan’i Damian Lwasa, mpanoratra katolika ogande. Mafy orina ve ny finoana toy izany? Araka ny hevitr’i Harry Sawyerr, teolojiana any Sierra Leone, ny Afrikana izay manantitrantitra “fa mbola velona ara-panahy ireo razambeny dia tsy manana porofo mivaingana mihitsy ny amin’izany”.
Raha ny marina, araka ny Baiboly, dia tsy misy tapany ara-panahy mbola velona ihany rehefa maty ny vatana. Ny tenan’ny Mpamorona mihitsy no nilaza hoe: “Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Ireo mpitsabo sy mpahay siansa dia tsy nahita porofo mihitsy fa ny tapany mahatsiaro tena iray dia mbola velona ihany eo amin’ny fahafatesan’ny tenan’olombelona.
Mbola ela be talohan’i Confucius na Bouddha, dia izao no nosoratan’ny olon-kendry iray talohan’ny andro kristiana: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5). Talohan’izay i Joba dia niteny hoe: “Fa ny olona kosa maty ka miampatra; eny, miala aina ny olona, ary aiza izy? Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany.” (Joba 14:10, 21). Noho izany, ny maty dia tsy afaka mahafeno ny anjara asan’ny “mpampianatra ara-panahy raha ny amin’ny raharaha ara-pianakaviana”. Eo amin’ny fahafatesana, dia “tsy hitondra na inona na inona” ny tena. — Salamo 49:10, 17-19.
Eritrereto ange: moa ve ireo razambe mihinana ny sakafo natolotra azy ireo? Koa satria izany nitoetra ho tsy nisy nanombinana, moa ve izany tsy mampiseho fa tsy manan-kery ny maty? Hita tokoa fa ireo razambe maty dia tsy mahatsapa ny fanajana na ny fanatitra atolotr’ireo taranany mbola velona ho azy. Noho izy ireny ao anatin’ny tsy fisiana, dia tsy afaka miahy ny fianakaviany izy, na misalovana amin’ny raharahany. Milaza ny Baiboly hoe: “Tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’izay atao atỳ ambanin’ny masoandro izy.” — Mpitoriteny 9:6.
Inona no fanantenana ho an’ireo razambe maty?
Midika ve anefa izany fa tsy misy mihitsy fanantenana ny hahita indray ireo olo-malalan’ny tena nodimandry? Tsy izany velively! Ho tafakambana indray ireo izay nosarahin’ny fahafatesana hatramin’ny ela be rehefa haverina ho amin’ny fiainana izy amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty. Nanao izao fampanantenana voarakitra ao amin’ny Baiboly izao i Jesosy: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fahatsiarovana, MN] ny feony; dia hivoaka izy.” — Jaona 5:28, 29.
Nanova ny fiainan’ny vehivavy iray any Okinawa izay nanaraka ny fivavahana amin’ny razana, izany fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty izany. Manazava izy hoe: ‘Tsy toy ny teo aloha intsony mihitsy ny fijeriko ny fiainana. Nanampy ahy hampiseho fitiavana bebe kokoa amin’ny mpianakaviko mbola velona, sy amin’olon-kafa amin’ny ankapobeny, ny fahatongavako ho mpianatri’i Jesosy Kristy.’ Tsy ara-dalàna kokoa ve ny hitiavana havana mbola velona toy izay haneho fanajana razambe maty? (Efesiana 6:2, 3) Manohy toy izao io vehivavy io: ‘Rehefa mahita ny fitoerana manirery mampijaly ray aman-dreny sy raibe aman-drenibe efa be taona maro amin’izao andro izao aho, dia tena velom-pankasitrahana tamin’ny nianarako hampiseho fitiavana sy fanajana marina ny ray aman-dreniko raha mbola velona izy ireo.’
Ambonin’izany, ho an’ny kristiana, ny antony lehibe indrindra andavany ny fivavahana amin’ny razana dia satria izy io mifanohitra amin’izao didin’Andriamanitra tena mazava izao: “Aza manana andriamani-kafa eo anoloako ianao ( . . . ), fa izaho, Jehovah, Andriamanitrao, dia Andriamanitra mitaky fifikirana amiko irery ihany.” (Eksodosy 20:3, 5, MN). Araka izany, toy izay hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny havana efa maty, dia tsaratsara kokoa ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly mandidy antsika hivavaka amin’i Jehovah, ilay hany afaka hampahita antsika indray ireo razambentsika maty. — Apokalypsy 20:12, 13.
[Teny notsongaina, pejy 19]
“Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” — Mpitoriteny 9:5