Manjavona ao anatin’ny iray segondra!
MANDEHANDEHA mamakivaky hazavana misomambisamby maitso iray ianao, eo anivon’ny hazo miendrika andry fanohanana izay manakatra ny lanitra ary mahatratra ny haavon’ny rihana 14 eo amboninao. Eo ambonin’ny lohanao misy zavatra velona maro mifaningotsingotra makadiry, dia ny fifampiankinam-piainana mikirindro indrindra sy feno indrindra eto an-tany. Ireo hazo dia voaravaky ny zavamaniry mandady misy an-jatony metatra maro indraindray ny halavany ary voahodidina zavamaniry miendrika randrana izay miantsona eo amin’ireo vatan-kazo sy rantsan-kazo. Mampamerovero ny rivotr’ilay toa trano fanafanana zavamaniry mangina ireo voninkazon’ny tany mafana mandrobona.
Izany no alan’ny tany mafana sady mando. Tsy toerana tsara tarehy fotsiny anefa izy io, na lalantsara toa mitafo andohalambo ary voaforona ala be zavona idiran’ny tara-pahazavana etsy sy eroa fotsiny. Izy io dia rafitra be kojakojany tsy misy toa azy ary miara-miasa amin’ny fomba hentitra sady misamonimonina ireo mahaforona azy.
Maro dia maro ny fiainana eto, ary misy karazana maro samy hafa tsy mitovy amin’ny any amin’ny toerana hafa rehetra eto amin’ny planetantsika. Enina isan-jato monja amin’ny velaran-tany rehetra no voaforon’ireo alan’ny tany mafana sady mando, nefa ny antsasaky ny karazan-javamaniry sy karazam-biby rehetra no hita ao. Mamokatra eo amin’ny ampahatelon’ny karazam-piainana rehetra amin’ny tany izy ireo. Lavitra erỳ ambonin’ny lohanao, dia manolotra fialofana ho an’ny bibikely sy vorona ary rajako sy biby mampinono maro hafa ny tafon’ireo ala. Tsy midina mikasi-tany mihitsy ny ankamaroan’izy ireo. Ireo hazo no manome sakafo sy fialofana ho azy, ary izy ireo kosa dia mitondra ny vovobony eo amin’ireo hazo na mihinana ny voany ka amin’izany dia mandatsaka sy mampiparitaka ireo voa famboly.
Avy isan’andro ny orana, ka manondraka ireo ala ary manome hery hampandeha ny fihodinan’ny fiainana be kojakojany ao aminy. Manadio ireo hazo amin’ny ravinkazo sy loto hafa eo aminy ny orana rehefa mikoriana manaraka ny vatan-kazo ka manome toa lasopy matevina feno hanina sahaza sady mahasalama ho an’ireo zavamaniry antsoina hoe “épiphytes” izay maniry eo amin’ireo hazo. Ireo “épiphytes” kosa dia manampy ilay hazo hisintona ny haniny lehibe indrindra, dia ny nitirôzenina, avy eny amin’ny rivotra. Manana “fitoeran-drano” vita amin’ny ravina afaka mitahiry rano litatra maro ny “épiphytes” maro ka mahaforona kamory kely eny amin’ny rivotra izay onenan’ny sahona, karazan’androngo ary vorona.
Voarapaka eo no ho eo ihany izay hanina rehetra mahatratra ny tany ao anaty ala. Miara-miasa avokoa ireo biby mampinono, ireo andiam-bibikely ary ireo bakteria mba hahatonga ireo “noix”, fatim-biby ary ravinkazo ho fako sisa. Tsy andrin’ilay tany indray ny hisintonana izany haingana. Raha manosika ireo poti-javatra eo an-tongotrao ianao, dia hahita toa tsihy matevina toy ny spaonjy voaforona tsiratsiraka fotsy, dia sampantsampam-paka sy holatra mifangaro. Manampy ireo faka hifoka haingana ny hanina ilainy ireo holatra ireo alohan’ny hampandehanan’ny orana izany.
Izao anefa dia alao sary an-tsaina hoe voafetra ho faritra kely toy ny haben’ny kianja filalaovam-baolina kitra amerikana iray ny fandehandehananao mamakivaky io alan’ny tany mafana sady mando io. Tsitapitapitrizay, dia manjavona io tapany amin’ilay ala io. Ringana tanteraka izy io — ao anatin’ny iray segondra! Ary raha mbola mangorohoroho ianao mijery izany, dia foana ao anatin’ny segondra manaraka ilay faritra eo akaikinao, mitovy velarana amin’ilay teo, ary faritra hafa iray koa ao anatin’ny segondra manaraka, ary toy izany hatrany hatrany. Amin’ny farany, dia mitsangana irery eo amin’ny tany lemaka foana ianao, eo amin’ny tany main’ny masoandro mivaivain’ny tany mafana.
Araka ny vinavina sasany, dia toy izany ny hafainganan’ny fandringanana ireo alan’ny tany mafana sady mando eto an-tany. Misy milaza fa haingana kokoa noho izany aza izy io. Araka ny gazetiboky Newsweek, dia faritra mitovy habe amin’ny antsasak’i Californie no ripaka isan-taona. Ny gazetiboky Scientific American tamin’ny Septambra 1989 dia milaza fa izany faritra izany dia mitovy habe amin’i Soisa sy i Holandy mitambatra.
Na manao ahoana na manao ahoana anefa ny habeny, dia mahatahotra ny fahasimbana. Nandrehitra hatezeram-be maneran-tany ny fandringanana ny ala, ary tany iray indrindra no tena asiana amin’izany.
Ny resahina eto: i Brezila
Tamin’ny 1987, dia nisy sarin’ny faritra manodidina ny renirano Amazona nalaina tamin’ny “satellite” mampiseho fa ny hafainganan’ny fandringanana ny ala ao amin’io toerana io dia avo kokoa noho ny vinavina sasany natao ny amin’ny fandringanana ny ala manerana ny tany manontolo! Raha nandoro ala mba hampisava ny tany ny olona, dia afo an’arivony maro no hita nanazava ny alina. Nitovy habe tamin’i India ilay setroka ary natevina aoka izany, hany ka tsy maintsy nakatona ny fitodiam-piaramanidina sasany. Araka ny vinavina iray, isan-taona ny faritra manodidina ny renirano Amazona dia mamoy faritra misy alan’ny tany mafana sady mando iray mitovy habe amin’i Belzika.
Ilay mpiaro ny tontolo iainana breziliana atao hoe José Lutzenberger, dia niantso izany ho “ny famonoana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny fiainana”. Manerana ny tany, ireo mpiaro ny tontolo iainana dia vonona ny hiady. Ahariharin’izy ireo amin’ny besinimaro ny loza manjo ireo alan’ny tany mafana sady mando. Na dia ireo akanjo ambony anaovan’ny olona sy ireo fampisehoana “rock” aza dia miantsoantso hoe “Vonjeo ny alan’ny tany mafana sady mando”. Nanampy izany ny fanerena ara-bola.
Maherin’ny iray hetsy tapitrisa dôlara ny trosa ivelan’i Brezila ary tsy maintsy mandany eo amin’ny 40 isan-jaton’ny vola miditra avy amin’ny fanondranana entana any ivelany izy mba handoavana ireo zanabola fotsiny. Miankina be dia be amin’ny fanampiana sy fampisamboram-bola avy any ivelany izy. Koa nanomboka tsy nety nampisambo-bola intsony àry ireo banky iraisam-pirenena raha toa ka hatao hanimbana ireo ala izany. Nanolotra ny hanakalo ny trosan’i Brezila sasany tamin’ny fanatsarana ny fiarovana ny tontolo iainana any ireo firenena mandroso. Nangataka an’i Japon mba tsy hampisambotra tahirim-bola hanaovana lalana hamakivaky ireo ala velon’ny tany mafana sady mando mihitsy aza i Bush, prezidàn’i Etazonia.
Zava-tsarotra maneran-tany izy io
Ho an’ny Breziliana maro, izany fanerena rehetra izany dia mamofona fihatsarambelatsihy. Ireo tany mandroso dia nandringana ireo alany efa hatramin’ny ela be ary tsy ho namela fahefana avy any ivelany na dia iray aza hanakana azy hanao izany. I Etazonia amin’izao fotoana izao dia mandripaka ny alan’ny tany mafana sady mando farany eo amin’ny taniny. Tsy mitovy amin’ireo any amin’ny tany mafana ireo ala any fa mangatsiatsiaka kokoa toy izay hita any Pasifika avaratra andrefana. Hisy karazam-piainana hanjavona koa anefa any.
Zava-manahirana maneran-tany àry ny fandringanana ireo ala, fa tsy an’i Brezila ihany. Amin’izao fotoana izao indrindra no tena mampidi-doza ny famoizana alan’ny tany mafana sady mando. Hita any ivelan’i Brezila ny antsasak’ireo ala afoy. Ny faritra eo afovoan’i Afrika sy any atsimo atsinanan’i Azia no ireo toerana roa hafa ahitana alan’ny tany mafana sady mando lehibe eto amin’ny gilaoby, ary any koa dia mihamanjavona haingana izy ireo.
Mitovy manerana ny gilaoby ireo vokatra ateraky ny fandringanana ireo ala. Hanoanana, hetaheta ary fahafatesana ho an’ny olona an-tapitrisany maro no dikany. Zava-manahirana mahakasika ny fiainanao manokana koa izy io. Tafiditra amin’izany ny sakafo haninao, ny fanafody ampiasainao, ny toetr’andro eo amin’ny toerana onenanao — angamba ny hoavin’ny taranak’olombelona mihitsy aza.
Mety hanontany tena ara-drariny anefa ianao hoe: ‘Amin’ny ahoana no hiterahan’ireo alan’ny tany mafana sady mando ireo vokatra lasa lavitra be toy izany? Ary ahoana raha manjavona ao anatin’ny am-polony taona vitsivitsy izy ireo, araka ny lazain’ny manam-pahaizana sasany? Dia hitondra loza lehibe toy izany tokoa ve izy io?’
Alohan’ny hamaliantsika ireo fanontaniana ireo, dia ity iray ity aloha no tsy maintsy valiana: Inona no antony voalohany nitarika ny fandringanana ireo alan’ny tany mafana sady mando?
[Kisary/Sarintany, pejy 5]
Mihamanjavona ireo alan’ny tany mafana sady mando (Jereo ny gazety)
Talohan’ny fandringanana ny ala
Amin’izao fotoana izao
Amin’ny taona 2 000 raha mitohy toy izao ny fandringanana ny ala