Ny resadresa-poana sarotra toherina — nahoana?
ATAO hoe shén-tán izy io amin’ny teny sinoa; juoru amin’ny teny finoà; pettegolezzo amin’ny teny italiana; chisme amin’ny teny espaniola. Tsy azo lavina fa manerana izao rehetra izao ny resadresa-poana. Amin’ireo fiteny sasany, dia manana hevitra tsy manorina tsotra izao ilay teny. Amin’ny teny frantsay, ny heviny voalohany dia midika hoe “resaka tsy mahasoa” ary manana heviny indrindra hoe firesahana zavatra tsy misy antony.
Kanefa, ny teny frantsay dia tonga hatramin’ny fandikana azy io koa amin’ny endriky ny fandavana, hany ka matetika io teny io no ampitovina amin’ny mpamari-toetra toy ny hoe “sompatra” na “manimba”. Izany dia satria: matetika ireo resaka tsotra no manjary resaka mahasosotra na fihantsiana. Indraindray aza dia tonga hatrany amin’ny fanendrikendrehana ranofotsiny sy tsotra izao ireo toe-javatra, izay soritana mazava ho toy ny “fanosoram-potaka feno lainga mikasa ny hanimba ny laza, ny voninahitry [ny olona iray]”. Voamarina amin’izany ity ohabolana tranainy ity: “Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, ary ireo resadresa-poana mahatonga ny fahatezeran’ny hafa.” — Ohabolana 25:23, Français courant.
Rehefa heverina ny heriny manimba, ahoana no hanazavana ny mahatonga ny resadresa-poana hanintona toy izany matetika, ho sarotra toherina aoka izany? Etsy an-danin’izany, aiza no mipetraka ny tsipika manasaraka ny resadresa-poana tsy manimba sy ny resaka manimba?
Ny resadresa-poana: fomba iray hifanomezana fanazavana
Raha miresadresaka isika, dia satria indrindra isika mihevitra ny hafa ary amin’izany isika dia manana fironana ho azy hiresaka momba azy ireo. Araka ny fanamarihana nataon’i Max Gluckman, mpandinika ny olombelona, “ny ankabeazan’ny olona dia manokana ny ampahany be indrindra amin’ny andro tsirairay iainan’izy ireo amin’ny resadresa-poana. Mihevitra aho fa raha manao fandinihana ny fomba andaniantsika ny androntsika isika, ho an’ny sasany, dia hanarakaraka ny ‘asa’ ny resadresa-poana.”
Rehefa voafetra sy atao amim-pisakaizana ireo resaka, ny firesahana tsy ara-potoana dia hahafahana mifanome fanazavana mahasoa, hamantatra ireo vaovao farany. Mety ho filazana tsotra momba ny fanambadiana, ny fananana anaka na fahafatesana izany, raha tsy fifamazivaziana fotsiny, tsy misy fiheveran-dratsy mihitsy.
Matetika tokoa anefa, dia mivaona ary mihoatra ireo faritry ny fahamendrehana sy ny fahaiza-mitsara zavatra ireo resaka tsotra. Hatsaraina, ampitomboina na ovana ireo zava-misy. Miteraka fihomehezana ny fampietrena. Alana sarona ny raharaha manokan’ny olona iray, aharihary ireo tsiambaratelo, lotoina na simbana ny laza. Ny fifampiampangana, ny fimonomononana ary ny fanakianana dia manamatroka ny asa mendri-piderana. Na nisy finiavana hanisy ratsy na tsia, dia tsy fampiononana lehibe ho an’ilay niharam-pahavoazana izany. Izany no nampitahana ny resadresa-poana manimba tamin’ny fotaka atsipy eny amin’ny rindrina tsy misy pentimpentina: na dia tsy miraikitra eo aza ilay fotaka, dia mamela faritra maloto foana.
Fomba iray fampanekena
Ny antony iray hafa mahatonga antsika ho voatarika mora foana hanao resadresa-poana dia misy ifandraisana amin’ny faniriantsika voajanahary ny hankasitrahana sy hekena. “Noho ny antony iray na noho ny antony hafa, hoy ny nosoratan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny saina, John Sabini sy Maury Silver, ianao dia manana andraikitra ny hiresaka; ary anefa ny resadresa-poana dia fomba iray mahafinaritra, mora ary ekena manerana izao rehetra izao mba hanefana io andraikitra io.” (Lanjan’ny fiainana andavanandro, anglisy.). Amin’ny lafiny sasany àry, ny resadresa-poana dia fomba azo ampiharina iray mba hifampiresahana sy hampanekena ny hafa handray ny teny.
Ny zava-manahirana dia ny hoe mazàna ny olona no mahatsiaro fironana bebe kokoa hihaino resaka tsy manorina noho ny resaka manorina. Ny sasany aza dia toa mahita fahafinaretana amin’ny fanaovana izay handonana azy amin’ny alalan’ny fanambarana mahatalanjona na misy fitenenan-dratsy. Ny resadresa-poana àry dia manome fahafahana tsara dia tsara mba hisarihana ny saina ho amin’ny tena: arakaraka ny fisian’ny zavatra mahatafintohina na maloto amin’ny resaka no maha-tsara kokoa azy. Mahalana kosa anefa no misy fiahiana ny hanome porofon’ireny teny mahamenatra natao ireny.
Ireo gazety manaitaitra
Io karazana resadresa-poana mampiavaka ny fampahalalam-baovao io dia mampiasa fahalemen’olombelona iray hafa: ny fahalianana ta hahafanta-javatra foana. Tiantsika ny hahalala tsiambaratelo. Vao tamin’ny 1730, rehefa nanomboka nanoratra lahatsoratra nanaitra tao amin’ny Gazety Pennsylvania, i Benjamin Franklin, dia fantatra fa ho vonona ny handoa vola ny vahoaka mba hamakiana io karazam-baovao io.
Tsy nanjavona velively ireo gazety manaitaitra fa mahita fahombiazana lehibe ankehitriny. Any Eoropa, ireo trano heva fivarotana gazety dia tsy omby ara-bakiteny ny gazetiboky amelabelarana ny fiaimpiainan’ny mpanjaka toy izao, ny mpifaninana amin’ny fitondrana fiarakodia toy izao, na olo-malaza hafa toy izao hindrahindraina eo amin’izao tontolo izao. Fanampin’izany, ny lahatsoratra an-gazety iray dia nilaza ny gazety manaitaitra ho toy ny taozavam-baventy lehibe iray.
Kanefa mety ve ny hanitarana ny fahalianana ta hahafanta-javatra hatrany amin’ny fitiavana hahalala izay mitranga ao an-tokantrano, ao amin’ny efitra fatoriana ary ao an-tsain’ny olona? Azo atao ve ny milaza fa mahasoa ny famakiana gazety izay mikendry ny hanaitaitra ny faniriana maloto eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy? Hita miharihary fa vokatry ny fahalianana ta hahafanta-javatra lasa lavitra loatra ireo gazety manaitaitra.
Tsaho tsy marim-pototra
Ny resadresa-poana manimba dia velomina koa amin’ny tsaho tsy marim-pototra sy ny fanambarana tsy marina.
Efa nitarika fangitangitahana tampoka, nahatonga fahavoazana ara-pitaovana lehibe ary nahafaty ny tsaho. Tsy tambo isaina ireo fatiantoka eo amin’ny raharaha ara-barotra fotsiny. Ohatra, tsy maintsy niady nandritra ny herintaona mahery ny fitohitohizana hôtely fisakafoana haingana, mba hampitsaharana ny tsaho izay nilaza fa nisy kankana ireo ‘hamburgers’ narosony. Ny fikambanam-barotra lehibe momba ny fanamboaran-javatra iray, dia nandany taona maro sy an-tapitrisany dôlara maro mba hampanginana ny tsaho izay nilaza fa ny ‘logo’ (sary na soratra na marika famantarana ny zavatra iray) nampiasainy, dia famantaran’i Satana ary io fikambanam-barotra io mihitsy dia mifandray amin’ny fanompoana demonia.
Amin’ny isam-batan’olona indrindra anefa ny tsaho no miteraka fahoriana sy fahasahiranana. Kanefa, satria mahasodoka ireo tantara hafahafa, dia mirona hanaparitaka izany ny olona, tsy misy fandinihana kely akory ny amin’ny fahamarinan’izy ireny na ireo ho vokany.
Ny resadresa-poana manimba: ny fanendrikendrehana
Ny fitsiriritana sy ny fankahalana matetika no antony mahatonga ny endriny manimba indrindra amin’ny resadresa-poana: ny resadresa-poana manimba na endrikendrika. Amin’ny teny grika, ny hoe mpanendrikendrika dia diabolos, teny izay nadika hoe Devoly ao amin’ny Baiboly (Apokalypsy 12:9). Tena mety aminy tokoa io anarana io, tamin’ny naha-mpanendrikendrika an’Andriamanitra ambony indrindra azy. Tahaka azy, dia misy olona sasany miresaka momba ireo namany amin’ny fikasana ratsy. Ny faniriana hamaly faty vokatry ny fialonana na ny fahatafintohinana indraindray no antony. Na manao ahoana na manao ahoana, izay manaram-po amin’ny fanaratsiana dia mitady izay hahasoa ny tenany amin’ny fanimbana ny lazan’ny hafa.
Na dia ny fanendrikendrehana aza no tsy isalasalana fa ny karazan-dresadresa-poana tokony hotsinina indrindra, ny resaka ratsy na manome fo rehetra dia mampiseho ny tsy fahaizana mandray andraikitra ary mahatonga fahasimban’ny saina. Ahoana àry no hisorohana ny hampiova tsikelikely ny resadresa-poana tsy manimba ho amin’ny fanendrikendrehana manimba?
[Sary, pejy 17]
Amin’ny ankapobeny, ny resadresaka amim-pisakaizana dia mamela hifanome fanazavana mahasoa ary mamelombelona ireo resaka
[Sary, pejy 18]
Ny resadresa-poana manimba dia toy ny fotaka atsipy eo amin’ny rindrina tsy misy pentimpentina: na dia tsy miraikitra eo aza izany dia mamela faritra maloto foana
[Sary, pejy 19]
Ny sasany manao resadresa-poana hanintonana ny saina ho amin’ny tenany