Rehefa tsy voafehy intsony ireo korontan’entana
JEREO ny toerana rehetra ao an-tranonao. Voafefin’ny korontan’entana ve ianao? Ho sadaikatra ve ianao raha toa ka manopy maso ao anaty fampiriman’entanao ny namana iray? Sahirana ve ianao vao mahita zavatra toy izao na toy izao satria izany difotra ao ambanin’ny antontan’entana mivangongo? Raha izany no izy, dia tsy irery ianao.
“Fatra-‘pitahiry’ loatra aho”, hoy ny fieken’i Ralph. Manampy toy izao i Leon: “Tototr’ireo fitafiana, ireo gazety, ireo boky nangoniko nandritra ny 15 taona aho.” “Ny fieritreretana momba ny handaminana izany fotsiny dia mandreraka ahy sahady”, hoy ny filazana tamin’alahelo nataon’ny iray hafa izay mijaly noho ny korontan’entana.
Misy ankizy sasany mitombo eo anivon’ny tontolo iray feno korontan’entana. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Raha mbola tadidiko tsara, dia mazàna aho no nampandre mialoha ny olona hoe inona no hiandry azy ireo, amin’ny fotoana hahatongavany voalohany ao an-tranonay. Nilaza tamin’izy ireo aho fa hety ny hamindrana zavatra iray mba hisian’ny toerana hipetrahany.” Na dia ireo olon-dehibe aza dia misalasala ny hanasa olona ivelan’ny fianakaviana mba hitsidika, satria tsy mendrika ny ao an-tokantranony.
Matetika dia tsy tsapan’ny olona hoe toy inona ny antontan’entana nangoniny raha tsy efa hifindra trano izy. Raha tsy mihazona fandaharana tsy tapaka mba tsy hisian’ny korontan’entana ny olona iray, dia handany fotoana kokoa ny fifindrana — ary handany vola be.
Amin’ny olona maro anefa, ny fandaminana ireo korontan’entana dia mihoatra noho ny fanarian-javatra fotsiny. Vato misakana maromaro no tsy maintsy resena aloha.
Nahoana izy ireo no tsy afaka manary izany fotsiny?
Nisy fotoana niheveran’i Lynda W. Warren, mpandinika toe-tsaina, sy i Jonnae C. Ostrom mpiasa mpanampy amin’ny fitsaboana, fa ireo mpitahiry korontan’entana rehetra dia olona be taona, izay tafita tamin’ny fitambotsorana ara-toe-karen’ireo taona 1930. Araka ny hevitr’izy ireo, ny fanangonana zavatra sy ny fitahirizana izany dia “fisehoan’ny toetra hafa kely tsy fahita firy ary tsy manimba.” Kanefa, taorian’ny nandalinana ilay raharaha, dia nilaza izy ireo hoe: “Gaga izahay raha nahita taranaka tanora kokoa amin’ireo ‘mpanangona fakon’entana’ teraka fotoana ela taorian’ireo taona 1930 (...). Amin’izao fotoana izao dia mino izahay fa fahita ny toetra toy izany ary mety hiteraka zava-manahirana ho an’ireo ‘mpanangona fakon’entana’ izany na ho an’ireo manodidina azy, indrindra fa rehefa tafahoatra.”
Amin’ny ahoana no mety haha-tafahoatra izany? “Nahita fanambadiana maro tapaka noho ny fisavoritahana i Ostrom”, hoy ny voalazan’ny gazety Health. Ny olona sasany dia mitodika any an’ireo mpanolo-tsaina za-draharaha mba hitady fanampiana. Raha ny marina, ilay gazety Health dia miantso ny fandaminana fanomezana tolo-tsaina manokana hoe “saham-pitomboana haingana izay mety hitakian’ireo mpanao raharaha ao 1 000 dôlara isan’andro mba hanaovany izay takin’ny renintsika amintsika foana hoe: Alamino ny efitranontsika.”
Tsy azo inoana fa manan-java-manahirana noho ny korontan’entana tafahoatra tahaka izany ianao. Mbola mety ho hitanao ho sarotra anefa ny hihoatra ireto fefy efatra manaraka ireto izay manelanelana ireo zavatra resahina sy ny fanariam-pako:
◻ Mety hilaina amin’ny hoavy. (“Tsara kokoa ny mitahiry ity toy izay hanenina any aoriana.”)
◻ Firaiketana ara-pihetseham-po. (“Nomen’i mama Bako ahy ity.”)
◻ Mety hisy vidiny. (“Mety hisy vidiny ity indray andro any.”)
◻ Mbola tsy lany andro na simba. (“Mbola tsy fanary ity izany.”)
Inona no vokany? Hoy ny Psychology Today: “Misavovona hatrany ny korontanan-javatra, toy izany koa ireo zava-manahirana aterany.”
Koa ahoana àry no hahafahana hisoroka ny fisian’ny korontan’entana?
Aiza no hatomboka
Rehefa nasaina izy haka sary an-tsaina izay nety ho fihetseham-pony raha toa ka nisy tafio-drivotra iray namely sy nandrava saika ny fananany rehetra, dia hoy ny vehivavy iray: “Ny tsapako voalohany indrindra amin’ny fiheverana fa namoy ny zavatra rehetra aho dia ny fahamaivamaivanana — afaka amin’ny fisavoritahana tsy nisy fanahiana momba ny hoe iza no hotahirizina ary iza no hariana.” Izany dia mampiseho tsara fa mety ho zava-tsarotra setraina ny fifantenana izay hotahirizina sy ny fanariana izay tsy ilaina.
“Manan-java-manahirana roa ireo mpitahiry korontan’entana”, hoy i Daralee Schulman mpanolo-kevitra. “Ny entana izay efa ao an-trano sy ireo mbola ho avy koa.” Toy izay hisahirana amin’ny fanadiovana, dia manoro hevitra izy ny amin’ny handaniana 15 minitra monja isan’andro mba handaminana toerana iray ihany fotsiny hatrany. Fomba mahomby kokoa izany hiadiana amin’ny korontan’entana ao an-tranonao. Kanefa ahoana ny amin’ireo “entana izay mbola ho avy”?
Alohan’ny hividianana zavatra na inona na inona ho an’ny tranonao, dia manontania tena hoe: ‘Tena ilaiko marina ve izy ity? Aiza no hametrahako azy ity? Hampiasa azy ity ve aho?’ Manantitrantitra i Daralee Schulman fa raha manontany tena toy izany ianao dia hahita fa, ny “75 isan-jaton’ireo entana saika nentinao tao an-trano, no tsy hoentinao ao.”
Ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower sy ireo biraon’ny sampana, dia antenaina ny hihazonan’ireo izay mipetraka ao, ny efitranon’izy ireo tsy hisy korontan’entana sy ny hameran’izy ireo ho roa na telo ny isan’ireo haingontrano eo ambonin’ny fanaka na ny talantalana tsirairay avy. Manamora ny fanadiovana izany ary mahafinaritra kokoa ny maso. Tsy tokony hiparitaka etsy sy eroa ireo taratasy, ireo gazety, ireo boky, ireo kitapo, ireo zavamaneno, ireo fitaovana ilaina amin’ny fanatanjahan-tena, ireo fitafiana, ireo lovia, ary ireo zavatra hafa. Raha ny marina, ankoatra ireo fanaka dia tsy tokony hisy na inona na inona eny amin’ny tany. Izany dia tena môdely ho an’izay rehetra maniry hiezaka mafy hihazona ny toerana manodidina tsy hisy korontan’entana.
Toerana tsy taza-maso — sy ny ao anaty fampiriman’entana
“Indray andro maninjitra no ampy ahy nandaminako ny fitambaran’efitranoko”, hoy i Jeanne, “tsy nisy fanafana anefa ny tao anatin’ireo fampiriman’entana.” Ny sasany dia mampiasa ny fampiriman’entana ho toy ny fitahirizan-javatra iray, famindrana tsotra izao ny korontan’entana ho amin’ny toerana izay mety tsy hahatazanana azy. Mihasarotra anefa ny raharaha satria zavatra mihamaro hatrany no apetraka ao amin’ny toerana iray tsy mitombo halehibe.
Azo hamaivanina amin’ny fisavovon’ny korontan’entana ve ny fampiriman’entanao? Toy izao ny fanoloran-kevitry ny gazety Good Housekeeping: “Misy ireo rafitra nalahatra ho an’ny fampiriman’entana mahafaoka fitaovana sy kojakoja isan-karazany izay azo amboarina mba ho sahaza ny toerana rehetra. Mampiasà iray amin’izany mba handaminana ny fahasahiranana aterak’ireo ao an-tranonao.” Koa aza atao fitahirizam-pako ary ny fampiriman’entana. Kendreo tsy ho feno korontan’entana sy hilamina hatrany izany.
Fomba fijery voalanjalanja momba ireo fananana
“Taratry ny maha-izaho ahy ireo fananako, anisan’ny maha-izaho ahy ireo”, hoy ny vehivavy iray. “Toy ny fampiononana ho ahy ireo firavako”, hoy ny nanampin’ny iray hafa. “Tiako fotsiny ireo peratra sy rojoko.” Nilaza tamim-panoherana toy izao koa ny vehivavy hafa iray: “Izaho io — ahy manokana io ary tsy afaka hanary izany ianao!”
Mifanohitra amin’izany, dia nilaza toy izao i Jesosy Kristy: “Ny ain’ny olona iray tsy miankina amin’izay ananany, na dia manana mihoatra izay ilainy aza izy.”—Lioka 12:15, Ny Baibolin’ny Jerosalema.
Araka izany dia ampirisihan’ny Baiboly ny hananana fomba fijery feno fahaiza-mandanjalanja momba ireo fananan’ny tena. Ampirisihana koa ny hananana fahaiza-milamina amin’ny fanaovana azy io ho fepetra takina amin’izay manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona.—1 Timoty 3:2.
Nahoana no tsy manomboka mampihatra sasantsasany amin’ireo fanoloran-kevitra etsy ambony amin’ny toerana izay maneritery anao ao an-tranonao? Amin’ny fiezahana isan’andro sy amin’ny fananana fomba fijery feno fahaiza-mandanjalanja momba ireo fanananao, dia mety ho resy ny fahasahiranana momba ny korontan’entana.
[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]
Mifantina dia manary
Ireto misy fanoloran-kevitra sasantsasany manampy tokoa momba ireo karazan-javatra izay manakorontana mora foana ny tranonao raha toa ianao ka tsy mitandrina
Zavatra famaky: Hitanao ho sarotra ve ny manary ireo gazetiboky sy ireo gazety tranainy? Mora manaitra anao ve ny lohateny iray ka mahatonga anao hiteny anakampo hoe: ‘Mbola hisy fotoana hamakiako ity ve indray andro any?’ Toy izay hitahiry ilay gazetiboky na ilay gazety iray manontolo, dia hetezo ilay lahatsoratra izay toa mahaliana ary apetraho ao amin’ny fasiana taratasy misy soratra hoe “Hovakina”. Raha toa ka tsy voavaky ao anatin’ny fotoana mety izany — herinandro vitsivitsy angamba — dia ario.
Fitafiana: Mihahipoka isan-taona ve ny lalimoaranao, kanefa ny antsasaky ny fitafianao dia tsy anaovana? Miteny anakampo toy izao ny sasany: “Ho tsara amiko ity — rehefa mihena dimy kilao aho.” Manome lalana hitahiry izao zavatra rehetra izao ao anaty lalimoara izany. Mba hisorohana ny fisavovon’ny fitafiana toy izany, raha misy akanjo tsy anaovana mandritra ny taona, dia apetraho ao anatin’ny baoritra misy soratra hoe “Mampisalasala”. Avy eo, raha toa ka mbola tsy anaovana rehefa afaka fotoana fohy, dia omeo olona na ario.
Taratasy: Avoahy avokoa ny taratasy amin’ny andro iray ahafahana manao izany. Ireo taratasy manokana sy ireo taratasy hafa izay irinao hotahirizina dia tokony halamina ao amin’ny toerana iray voafaritra tsara. Mety hanana fasiana taratasy izay hanatsofohana isam-bolana ianao ary rehefa afaka herintaona dia hariana ireo ao anatiny mba hisian’ny toerana hametrahana ny taratasy vaovao avy any amin’ny paositra isam-bolana. Ny fitsipika dia ny filaminan’ny taratasy fa tsy ny antontan-taratasy. Raha toa ianao ka mahazo taratasina dokambarotra be dia be avy any amin’ny paositra, dia mandraisa fanapahan-kevitra avy hatrany raha toa ka hilainao izany. Raha tsia, dia ario. Raha tsy tapa-kevitra ianao, dia ataovy ao anatin’ny baoritra misy soratra hoe “Mampisalasala” mandritra ny herinandro. Raha tsy hita izay nanaovana azy, aorian’izay dia ario.