Fahaizana Iray ny Miresaka
NY MIHINANA sy ny matory ary ny miasa, ireo dia zavatra fototra ilain’ny olombelona. Kanefa, misy zavatra ilaina hafa mila mafy ny homena fahafaham-po. Inona izany?
Diniho ny tenin’ny lehilahy iray izay nandany dimy taona tao amin’ny fanokanan-toerana tao an-tranomaizina, tsy nahazo ny iray amin’ireo zavatra tena ilaina sarobidy indrindra eo amin’ny fiainana. “Naniry fiarahana mafy, ny hisian’ny olona iray hiresahana, hifampiresahana, aho”, hoy ny fiekeny. “Nanomboka takatro fa tsy maintsy nanao zavatra aho mba hanoherana ilay fahatsiarovan-tena ho manirery. Tao amin’ny fitoerako ho irery sy ny fahanginana nisy ahy, dia ho voa ny saiko.”
Eny, zavatra ilaintsika voajanahary ny mifampita hevitra. Manampy mba hanomezana fahafaham-po amin’izany zavatra ilaina izany ny resaka. Hoy ny fanazavan’ireo mpanao fikarohana atao hoe Dennis R. Smith sy L. Keith Williamson: “Mila manana olona izay azontsika amborahana amim-pahatsorana tsiambaratelo, izay azontsika izarana ny fifaliantsika lehibe indrindra sy ny tahotra mampitebiteby antsika indrindra, izay azontsika iresahana, isika.”
Mila miresaka isika!
Nomena ilay fanomezana mahatalanjona hiteny ny olombelona. Eny, natao hiresaka isika. Nanao izao fanamarihana izao ny lehilahy iray: “Noforonin’Andriamanitra mba hifanerasera isika. Raha tsy manana fahafahana hiresaka ianao, na raha misy olona manesotra ny fahafahanao hampita hevitra, dia tahaka ny sazy izany. Rehefa miresaka ianao, dia misy zavatra sarobidy mitranga. Mahatsiaro tena ho tsara kokoa ianao, ary mandray soa avy amin’ny fahalalana izay heverin’ny hafa sy tsapany.”
Hoy i Elaine, vadin’ny mpitory mpitety faritany iray: “Milaza ny fihetseham-po ny teny. Tsy azontsika heverina fa fantatry ny vadintsika hoe sarobidy toy inona moa izy ho antsika. Tsy maintsy lazaina izany; mila mandre ireo teny ny sofina. Mila miresaka isika.”
Milaza ny heviny toy izao i David, zanakalahin’ny loholona kristiana iray: “Indraindray aho dia kivy ary tsy tena fantatro izay tsapako. Ny fironako voalohany dia ny hangina, avy eo dia mitombo ao anaty ao ny fanerena. Hitako fa raha miresaka amin’ny olona iray aho, dia tahaka ny fivoahana iray izay mamela ilay fanerena hivoaka izany. Arakaraka ny iresahako no ananako fahafahana hahita izay tena tsapako momba ny tenako sy ahafahako mandamina izany.”
Ireo fefy misakana ny resaka
Eny tokoa, manome fahafaham-po amin’ny zavatra ilaina iray ny resaka. Kanefa, misy ireo fefy misakana ny resaka. Ho an’ny sasany, raha ny marina, ny resaka dia manjary ady mafy iray — fanaovan-javatra tokony hohalavirina.
“Tamin’ny ankamaroan’ny fiainako,” hoy i Gary, “dia hitako ho mora kokoa ny nihodivitra tamin’ny firesahana tamin’ny olon-kafa.” Hoy ny fanazavany: “Mifototra amin’ny tsy fahampian’ny fatokiako tena izany. Mbola mijaly aho noho ny tahotra sao rehefa miresaka amin’ny olona, dia ho toa adaladala na mety hisy hanebaka ahy noho izay lazaiko.”
Milazalaza ny zava-manahirana azy ho ny hasarotan-kenatra, i Elaine. Hoy ny fanazavany: “Notezaina tao amin’ny fianakaviana iray izay tsy nisy fifampiresahana aho. Faran’izay nahatahotra ny raiko. Koa rehefa nihalehibe aho, dia nihevitra fa tsy nanana zavatra mendrika holazaina.” Eny, afaka miteraka fefy mahakivy izay misakana ny fankafizana resaka, ny hasarotan-kenatra. Afaka mamefy anao ao anatin’ny rindrin’ny fahanginana izy io!
“Tahaka ny loza iray izany”, hoy i John, loholona kristiana iray izay miaiky fa miady mafy amin’ny fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika. “Raha manaiky ho resin’ny hasarotan-kenatra ianao, dia hitokantokana. Na dia misy olona zato aza ao amin’ny efitra iray, dia tsy hiresaka ianao. Ary vidinao lafo izany!”
Etsy an-danin’izany, dia voatery nilaza toy izao ny loholona iray atao hoe Daniel: “Efa voajanahary amiko raha ny miresaka. Kanefa alohan’ny ahatsapako izany, dia manapaka ny tenin’ny olona iray aho ary mitana ho ahy samirery ny fitenenana. Manjary mahatsapa izany aho rehefa mahita ilay endrika asehon’ny vadiko, ary hoy aho anakampo: ‘Loza fa nanao izany indray aho.’ Fantatro fa very ny fifaliany mandra-pahavitan’ilay resaka.”
Ahoana no azo andresena ireo fefy misakana ny resaka ireo sy ireo hafa? Toetra inona avy no tena ilaina amin’io fahaizana io? Ahoana no azo ampiharana azy ireny?
‘Inona no azoko lazaina?’
‘Inona no azoko resahina?’ ‘Tsy mahalala na inona na inona aho.’ ‘Tsy misy maniry handre izay holazaiko.’ Na dia mety hanana ireo eritreritra ireo aza ianao, dia azo inoana fa tsy marina izy ireo. Mahalala zavatra mihoatra lavitra noho izay tsapanao ianao, ary ny sasany amin’izany fahalalana izany dia azo inoana fa mahaliana ny hafa. Ohatra, angamba ianao nanao dia tany amin’ny toerana iray vao haingana. Mety ho tian’ny olona ny hahafantatra hoe manao ahoana izany faritra izany raha ampitahaina amin’izay ipetrahan’izy ireo.
Ho fanampin’izany, dia afaka sady tokony hampitombo ny fahalalanao momba ny foto-kevitra maro samihafa amin’ny alalan’ny famakian-teny ianao. Fanazaran-tena tsara ny fakana fotoana amakian-teny isan’andro. Mirakitra fanazavana momba ny Baiboly, ary koa sokajim-pahalalana mahaliana ny besinimaro, ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Arakaraka ny ahazoanao fanazavana maro kokoa no azonao izarana bebe kokoa. Ohatra tsara dia tsara ny teny natao hovakina isan’andro ao amin’ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Isan’andro izany dia manome ho anao zavatra samy hafa hoeritreretina sy hampiasaina ao amin’ny resaka.
Ny fidirana ao amin’ny resaka dia tsy midika fa voatery mandray ny fitenenana rehetra ny olona iray. Samy tokony hilaza ny heviny ny andaniny sy ny ankilany. Avelao ilay hafa hiteny. Raha mangina izy, dia mety hampirisika azy amin’ny alalan’ny fanontaniana mampiseho fahaiza-mandanjalanja ianao. Aoka hatao hoe miresaka amin’ny zokiolona iray ianao. Afaka manontany azy ny amin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny lasa sy ny amin’ny fomba niovan’izao tontolo izao na ny fiainam-pianakaviana hatramin’ny fotoana naha-zatovo azy ianao. Hankafy ny fihainoana azy ianao, ary hiana-javatra.
Aoka ianao hahay hihaino
Fitaovana sarobidy eo amin’ny resaka ny fihainoana amim-pitandremana. Ny fomba ihainoantsika ny hafa dia afaka manohana an’ireo izay miezaka hitady fanampiana noho ny enta-mavesany. Ny lehilahy iray, izay nihevi-tena ho ‘fakofakon’olona’, dia nahatsiaro tena ho fadiranovana ka niantso an-telefaonina ny namana iray mba hahazoana fanampiana. Na dia fotoana faran’izay nanelingelina aza tamin’izay, dia nihaino tamin-katsaram-panahy ilay namana — nandritra ny adiny roa! Mihevitra izao ilay lehilahy fa nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainany io resaka io. Inona no nahatonga izany? “Noho ny fahaiza-mihaino fotsiny”, hoy ny fieken’ilay namana be fiheverana. “Tsy tsaroako hoe nilaza teny naneho fahendrena aho. Nametraka fotsiny ireo fanontaniana nifanentana aho: ‘Nahoana ianao no mahatsapa toy izany?’ ‘Nahoana no mampanahy anao izany?’ ‘Inona no mety hanampy?’ Namaly ireo fanontaniana rehetra napetraky ny tenany ihany izy rehefa namaly ny ahy!”
Mihevitra ho sarobidy ny ray aman-dreny izay maka fotoana hiresahana aminy, ny ankizy. Hoy ny fanazavan’ny zazalahy iray atao hoe Scott: “Tsara rehefa manatona anao ny ray aman-dreninao ka maniry hahafantatra hoe inona no fanahianao. Nanao izany i Dada vao haingana, ary manampy izany satria misy zavatra sasany izay tsy azonao iantsorohana irery tsotra izao.”
“Tsy maintsy mamorona rivo-piainana izay hahatonga ny zanakao hiresaka aminao ianao”, hoy ny fanoloran-kevitry ny lehilahy iray. Mandany fotoana tsy tapaka iarahana irery amin’ny tsirairay amin’ireo zanany efatra izy satria heveriny fa ny fihainoan’ny ray aman-dreny amim-piheverana sy amim-pangorahana dia tena ilaina raha tiana hamboly toetra maha-izy azy voahitsy tsara ny tanora. Ny toroheviny? Rehefa mipoitra ny fahafahana ka maniry hiresaka ny ankizy iray, dia aoka ianao ho vonona ny hihaino. “Tsy maninona na mety ho reraka na vesaran-java-manahirana toy inona aza ianao, fa aza tampenam-bava mihitsy izy ireo! Mihainoa”, hoy izy.
Mahita valiny ny fiheverana amim-pahatsorana
Olona maro no mila fanohanana ara-pihetseham-po mba ho afaka hisokatra sy hilaza ny heviny ao amin’ny resaka. Nitaraina toy izao ny tovolahy iray: ‘Mila ny miresaka amin’ny olona iray aho, kanefa handeha any amin’iza aho? Tsy mora amiko ny miresaka. Mila olona iray izay haneho fiheverana ahy aho!’ Afaka miteraka rivo-piainana feno fitokiana sy tsy fananana ahiahy izay hahamora ho an’ny olona iray ny miresaka sy ny manokatra ny fony amin’ny hafa, ny fanehoana fiheverana marina, amim-pahatsorana.
Hoy ny fitantaran’ny lehilahy iray: “Taona maro lasa izay, fony aho nanan-java-nanahirana sasany nifandray tamin’ny raharaham-pianakaviana, dia nanandrana niresaka tamin’ny namana iray aho. Ny hany nolazainy dia hoe: ‘Iareto ilay izy ary zakao, dia handeha tsara ny zava-drehetra.’ Tsy nisy fifanakalozan-kevitra, tsy nisy fifampiresahana, ary tsy nanampy izany. Raha ny marina, dia nahatonga ahy fotsiny hikombona indray izany. Nifanohitra tamin’izany kosa fa tatỳ aoriana dia niresaka tamin’ny mpiandraikitra iray ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Tamin’ny fijeriny sy ny endriny ary ny fombany feno hatsaram-panahy, dia fantatro fa nangoraka izy. Ho vokatr’izany, dia nanjary nisokatra aho ka niresaka bebe kokoa satria naneho fiheverana tamim-pahatsorana izy. Hoy izy: ‘Hanao ny zava-drehetra azonay atao izahay mba hanohanana anao amin’ny tarehin-javatra misy anao.’ Mandray tsara ny olona tahaka izany ianao!”
Moa ve ny maro kokoa amintsika afaka mihamalalaka ao am-po ka mampiditra ny hafa ao amin’ny resaka misy heviny? Rehefa mahita olona iray mitokantokana tsy miaraka amin’ny antokon’olona iray, saro-kenatra loatra ka tsy sahy miresaka, isika, moa ve isika miezaka mampiditra an’io olona io ao amin’ny resatsika? Hoy i John, izay voaresaka teo aloha: “Afaka mahatsapa izany fihetseham-po izany aho satria mahita ny tenako eo amin’izany toerana izany, ary miaraka fadiranovana aminy aho!” Hoy ny teny nanampiny: “Zava-dehibe toy inona moa ny hahavoasintona antsika hanatona azy ka hampiditra azy [ao amin’ilay resaka]. Mety hanao vavaka mangina momba ilay raharaha mihitsy aza isika.”
Hoy i Dan momba ny namana iray: “I Roy dia tsy ampy fatokiana toy izany ny amin’ny fahaizany miresaka, hany ka rehefa niresaka ny antokon’olona iray, dia nihatakataka foana izy. Koa nanontany azy aho hoe: ‘Hony ho’aho, ry Roy, inona moa no nolazainao momba izao na izao?’ Tamin’izay izy dia nanomboka niresaka. Ho vokatr’izany, ireo hafa dia nahita lafin-toetrany iray izay noheverin’izy ireo fa tsy nananany.” Hoy ny fampirisihan’i Dan: “Aza miraviravy tanana rehefa sarotra iresahana sy ampiresahina ny olona iray. Ataovy anakampo hoe olona tsara iray izay te hiresaka izy ao anatiny ao. Ampiresaho hatrany fotsiny izy ary imasoy izany.”
Amin’ny fambolena fiheverana amim-pitiavana sy amim-pahatsorana ny hafa, dia mandray soa ianao — na dia manana zava-manahirana ny amin’ny hasarotan-kenatra aza. Hitan’i John fa nanampy azy handresy ny fironana hitokantokana izany. “Ny fitiavana tsy mitady ny azy”, hoy ny fanazavany. (1 Korintiana 13:5). “Mba hanaovana ilay zavatra mampiseho fitiavana, dia tsy maintsy miresaka sy manontany momba ny hafa ianao. Ny fanekena ho resin’ny fahalemenao dia tsy mety. Afaka mandresy ilay fironanao amin’ny alalan’ny vavaka ianao.” Hoy ny teny nanampiny: “Misy valisoa lehibe aoka izany amin’ny fanaovana izany. Rehefa mahita ny hafa mandray tsara ianao sy mahamarika fa nahazo fampaherezana izy ireo, dia mahazo fampaherezana koa ianao. Ary izany dia tokony hampiditra ao aminao ilay herim-po hanatona amin’ny manaraka ary amin’ny manaraka indray.”
Ny fahaizana miombona fihetseham-po — ny fototra iorenan’ny resaka
Anisan’ny lafin-toetran’olombelona izay heverina ho sarobidy indrindra ny fahaizana miombona fihetseham-po. Inona marina moa no atao hoe fahaizana miombona fihetseham-po? Milaza ny Dr. Bernard Guerney avy amin’ny Oniversiten’ny Fanjakan’i Pennsylvania, fa ny fahaizana miombona fihetseham-po dia ‘ny fahaizana mahatakatra ny fihetseham-po sy ny fomba fijerin’ilay hafa — na miray hevitra aminy ianao na tsia’. Inona no maha-zava-dehibe ny fahaizana miombona fihetseham-po eo amin’ny resaka? “Io no fototra! Io no fototra iorenan’ny zavatra hafa rehetra.”
Manazava ny Dr. Guerney fa ny resaka no hozatry ny fifandraisana tsara rehetra. Mazava ho azy fa fahita ny tsy fitovian-kevitra. Mba handaminana azy ireny sy hitsimbinana ny fifandraisana, dia tsy maintsy vonona ny hiresaka momba ilay zava-manahirana isika. Olona maro no manalavitra ny fanaovana izany satria tsy fantany ny fomba iresahana izay tsy hahatonga ilay hafa hiaro tena sy ho tezitra. Araka ny voalazan’ny Dr. Guerney, “ny ankamaroan’ny olona dia mampifangaro ny fankasitrahana sy ny fanajana ny toerana tanan’ilay hafa, amin’ny fifanarahana amin’izany toerany izany. Noho izany, rehefa tsy mifanaraka izy ireo, dia tsy maneho fankasitrahana sy fanajana. Ny fahaizana miombona fihetseham-po dia mamela anao hanavaka ny fifanarahana amin’ny fankasitrahana”.
Amin’ny fametrahanao an’eritreritra ny tenanao eo amin’ny toeran’ilay hafa, dia mahatsapa sy mihevitra tahaka azy ianao. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia hahita ianao fa afaka mitombo ny fahazoana hevi-javatra sy ny fankasitrahana ary ny fanajana, na dia tsy mifanaraka aminy aza ianao.
Diniho i Janet, renin’ankizy efatra. Indray mandeha izy dia kivy izaitsizy sady nahatsiaro tena ho tsy nilaina. Takany ankehitriny ny maha-tena ilaina ny fahaizana miombona fihetseham-po eo amin’ny fanampiana olona iray. Hoy ny fitantarany: “Tadidiko ny vadiko niresaka tamiko sady nanazava ny fomba maro samy hafa rehetra nanampiako, na dia nieritreritra aza aho fa tsinontsinona tanteraka ny nataoko. Nihaino ahy tamim-pitiavana tokoa izy, na dia nitomany aza aho, ary nanome teny nampahery ahy. Kanefa raha nanebaka ny fomba fisainako izy, na nilaza hoe: ‘Eisy, rediredy izany’, na nilaza zavatra tahaka izany, dia ho tena nangina aho ka nihataka ho irery. Tsy izany anefa fa, tamin’io takariva io dia nanao resaka lava be, nisy heviny, izahay.”
‘Ny fahaizana miombona fihetseham-po dia mampiseho fa miahy ianao. Izany dia manolokolo ny fifampiresahana, ilay karazana fifanakalozan-kevitra mivelatra, irina sy ilain’ny ankamaroan’ny olona’, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny Dr. Guerney.
Afaka manao izany ianao!
Afaka ny ho olona mahay miresaka ianao. Nodinihintsika ireo zavatra tena ilaina sasany mba hampiasana amim-pahakingana ny fahaizana miresaka, kanefa mbola misy maro hafa. Anisan’izany ny fisehoana ho sariaka sy ny fahaizana manao vazivazy ary ny fahaiza-mandanjalanja, raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy aza isika. Kanefa tahaka ny mpanakanto iray, izay mampiasa amim-pahakingana, avy amin’ny fiofanana sy ny fanazaran-tena, ny borosiny eo amin’ny lamba fanaovana hoso-doko mba hamoronana sangan’asa kanto iray, dia mila milofo amin’ny fambolena ireo toetra ilaina ireo isika.
Ohatra, i Daniel dia tonga olona mahay miresaka. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fianarana nifehy ny fironany hanapaka ny tenin’ny olona sy handray ny fitenenana rehetra. Hoy ny fiekeny: “Tsy maintsy manao ezaka amim-pitandremana aho mba tsy handray ny fitenenana rehetra. Ho ahy, izany dia midika ho fanisiana lamboridy ny lelako. Rehefa hitako fa mitady hanampy kely aho, dia mampiato ny tenako an’eritreritra aho! Raha heveriko fa hanova ny fizotran’ny resaka ny fanamarihana iray na hanesotra amin’ny olon-kafa iray ny fahafahana hiresaka, dia tsy milaza izany tsotra izao aho!”
Inona no nanampy an’i Elaine? Taorian’ny nahazoany fahalalana araka ny marina ny Baiboly, dia takany fa nanana zavatra sarobidy sy mendrika ny horesahina izy. Hoy izy: “Hitako fa raha tsy mampifantoka ny saiko amin’ny tenako aho ka miresaka momba ny zavatra ara-panahy amin’ny hafa, dia afaka ny tsy ho sadaikatra kokoa aho rehefa miresaka. Manampy koa ny mamaky ny zavatra vita an-tsoratra mifototra amin’ny Baiboly izay raisintsika tsy tapaka. Rehefa maharaka azy ireny aho, dia manana zava-baovao hozaraina ka afaka miresaka amin’ny fomba mora kokoa.”
Miezaha mamboly ireo toetra tena ilaina ireo eo amin’ny resakao. Amin’izay, ianao koa dia ho afaka hitondra famelombelomana sy fahafinaretana ho an’ny hafa ka hanana ny fahafaham-po hampiasa amim-pahakingana ny fahaizana iray izay manome fahafaham-po tokoa amin’ny zavatra iray ilain’ny olombelona.