Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?
“Niombona zava-mahaliana maro sy niara-nanao zavatra maro izaho sy ilay namako; nankafy ny fiarahana nandany fotoana izahay. Tampoka teo anefa dia nanjary nihanangatsiaka hatrany ny fisakaizanay. Nahatonga ahy hahatsiaro ho ketraka tokoa izany.” — Maria.
ELA ny ela ka nahita namana ianao, dia olona iray izay mahatakatra ny fihevitrao sy tsy mitsara anao. Avy eo, tampoka foana teo, dia manomboka mivaha ny fisakaizanareo. Miezaka hanavotra ilay izy ianao, nefa tsy mahomby.
Sarobidy ny namana tsy mivadika iray. (Ohabolana 18:24, NW ). Ary afaka ny ho fanandraman-javatra mampanaintaina ny famoizana namana iray. Milaza amintsika ny Baiboly fa rehefa nilaozan’ny namany i Joba, dia naneho ny alahelony toy izao izy: “Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.” (Joba 19:14). Mety hahatsapa fahoriana mitovy amin’izany ianao, raha toa ka nanana fisakaizana nihasimba tato ho ato. Araka ny filazan’i Patrick tanora azy, “izany dia toy ny hoe maty ny olona iray tianao”. Ahoana anefa raha toa ka saika ny fisakaizana rehetra nanananao no niafara tamin’ny faharavana?
Fisakaizana marefo
Manao fanamarihana ilay boky hoe Adolescence, nataon’i Eastwood Atwater, fa ny fisakaizan’ireo tanora dia “mirona hivadibadika, arahina fiovana tampoka sy tanteraka ary fihetseham-po mangidy rehefa rava ny fisakaizana”. Inona no mahatonga ny fisakaizan’ny tanora ho marefo aoka izany? Antony iray ny hoe rehefa mitombo taona ianao, dia manomboka miova ny fihetseham-ponao, ny fomba fijerinao zavatra, ny zava-kendrenao, sy ny zava-mahaliana anao. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:11.) Mahita ny tenanao misongona — na tsy maharaka — ny mitovy taona aminao ianao, amin’ny lafiny sasany.
Koa rehefa mihalehibe ireo mpinamana, indraindray izy ireo dia samy mihalehibe eny — tsy hoe satria mifankaleo izy ireo, fa satria mamboly zava-kendrena sy zava-mahaliana ary zava-tsarobidy samy hafa izy ireo. Mety ho vao mainka tsara indrindra aza raha mifarana ny fifandraisana iray. Rehefa mitombo taona ianao ka manomboka mihevitra ho zava-dehibe kokoa ny raharaha ara-panahy, dia mety ho takatrao fa tsy hery mitaona mahasoa ny sasany tamin’ireo namanao taloha. (1 Korintiana 15:33). Mihevitra azy ireo ianao, kanefa tsy mankafy ny fiarahana aminy toy ny teo aloha.
Zavatra manapoizina fisakaizana
Ahoana anefa raha mamoy namana tsy an-kijanona ianao — fifandraisana izay tianao hohazonina? Amim-pahatsorana, dia mety hidika izany fa manana kileman-toetra sasany tokony horesenao ianao. Manapoizina ny fisakaizana, ohatra, ny fialonana. Alao sary an-tsaina hoe manana namana iray izay manankarena kokoa, manan-talenta kokoa, manintona kokoa, na mamy hoditra kokoa noho ianao, ianao. Tezitra ve ianao noho ny fiheverana amboniny mety ho azony? “Ny [fialonana, NW ] dia mahalo ny taolana.” (Ohabolana 14:30). “Nitsiriritra tokoa ny fahamamian-koditry ny namako sy ny zava-drehetra nananany izay tsy nananako aho”, hoy ny fieken’i Keenon tanora, “ary nisy fiantraikany teo amin’ny fisakaizanay izany.”
Mety ho lafin-toetra hafa mandrava ny fahasarotam-piaro. Ahoana raha fantatrao fa miara-mandany fotoana betsaka kokoa hatrany amin’ny hafa sy kely kokoa hatrany aminao ny namana iray? Niaiky toy izao ny tanora iray: “Saro-piaro aho, na dia rehefa niresaka tamin’ny sasany tamin’ny namako aza ny hafa.” Mety hihevitra ny fifaneraseran’ny namanao amin’ny hafa ho famadihana ianao.
Afaka mahatapaka fisakaizana koa ny fitakiana fahalavorariana. Fantatrao, ohatra, fa nifosa anao ny namana iray, angamba nampiharihary raharaha tsiambaratelo mihitsy aza. (Ohabolana 20:19, NW ). “Tsy afaka mitoky aminy intsony aho!”, hoy ny fihiakanao amim-pahatezerana.
Fisakaizana — Fandraisana sa fanomezana?
Raha nampihenjana ny fisakaizanao ny fialonana, ny fahasarotam-piaro, na ny fitakiana fahalavorariana, dia manontania tena hoe: ‘Inona no tadiaviko avy amin’ny fisakaizana iray?’ Mieritreritra ve ianao fa tafiditra amin’ny fisakaizana ny fananana olona iray vonon-kanao izay andidianao, karazana mpiasa hanao izay angatahinao? Mitady namana mba hahazoana laza, fahamamian-koditra, na tombontsoa, ve ianao? Manantena fifikirana tsy mizarazara avy amin’ny namana iray ve ianao, ka tsy hamela toerana firy ho an’ny hafa ao amin’ilay fifandraisana? Amin’izay ianao dia mila manitsy ny fijerinao ny atao hoe fisakaizana.
Avy amin’ny fampianaran’ny Baiboly, dia fantatsika fa ny fifandraisana tsara amin’ny hafa dia vokatry ny fanomezana, fa tsy ny fandraisana! Ao amin’ny Matio 7:12, dia hoy ny tenan’i Jesosy Kristy: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. Ara-dalàna tsotra izao ny hanantenana zavatra sasany avy amin’ny namana. Manaiky toy izao ilay boky hoe Understanding Relationships: “Antenaintsika tsy tapaka ny namana iray mba ho olona milaza ny marina sy tso-po, maneho firaiketam-po, milaza amintsika ny tsiambaratelony sy ny zava-manahirana azy, manome antsika fanampiana rehefa mila izany isika, mitoky amintsika sy (...) miomana koa mba handamina tsy fifanarahana.” Kanefa, tsy mifarana amin’izany ilay raharaha. Manampy teny toy izao ilay boky: “Ireo dia zavatra izay antenain’ny olona hataon’ny namana iray ho azy sy antenainy hatao ho an’ilay namana ho setriny.” — Izahay no manao sora-mandry.
Mariho ny fomba nitondran’ny tenan’i Jesosy an’ireo izay akaiky azy. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo”. Ny fisakaizan’i Jesosy tamin’ireo mpianany anefa ve niorina tamin’izay azon’izy ireo natao ho azy? Nifanohitra tamin’izany. Hoy izy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13, 15). Eny, ny tena fototry ny fisakaizana dia ny fitiavana feno fahafoizan-tena! Rehefa ny fitiavana no fototra iorenany, ny fifandraisana iray dia afaka ny ho tafita amin’ny fifandirana sy ny zava-manahirana.
Rehefa mipoitra ny zava-manahirana
Ohatra, alao sary an-tsaina hoe manam-bola, mahay, na manan-talenta kokoa noho ianao, ny namanao. Manampy anao hiara-mifaly amin’ilay namanao ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena. Rehefa dinihina, “ny fitiavana tsy mialona”, hoy ny Baiboly. — 1 Korintiana 13:4.
Na aoka hatao hoe milaza na manao zavatra mandratra ny fihetseham-ponao ilay namanao. Midika ve izany fa ho rava ny fisakaizanareo? Tsy voatery ho izany. Tena diso fanantenana ny apostoly Paoly rehefa nandao azy i Marka namany nandritra ny dia misionera iray. Diso fanantenana aoka izany izy, hany ka tsy nanaiky ny hamela an’i Marka hiaraka taminy tamin’ny diany nanaraka! Nifanao teny nanindrona mihitsy aza i Paoly sy i Barnabasy, zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Marka, momba ilay raharaha. Taona maro tatỳ aoriana anefa, i Paoly dia niresaka tamim-pitiavana momba an’i Marka, ka nanasa azy mihitsy aza ho any Roma mba hanampy. Niharihary fa nandamina ilay tsy fifanarahany izy ireo. — Asan’ny Apostoly 15:37-39; 2 Timoty 4:11.
Nahoana no tsy miezaka hanao toy izany koa rehefa mipoitra ny zava-manahirana eo amin’ny fisakaizanao? Aza avela hiharatsy ny toe-javatra. (Efesiana 4:26). Alohan’ny hanaovana fanatsoahan-kevitra maimaika na hanaovana fiampangana amim-pahatezerana, dia henoy izay lazain’ilay namanao momba ilay raharaha. (Ohabolana 18:13; 25:8, 9). Angamba nisy tsy fahazoan-kevitra sasany. Ahoana anefa raha toa ka tena meloka ho naneho tsy fahaiza-manavaka ilay namanao? Tadidio fa olombelona ihany ilay namanao. (Salamo 51:5; 1 Jaona 1:10). Ary isika rehetra dia meloka noho ny filazana na ny fanaovana zavatra izay anenenantsika any aoriana. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:21, 22.
Na dia izany aza, dia afaka milaza malalaka ianao hoe nandratra anao mafy ny zavatra nataon’ilay namanao. Mety hanosika an’ilay namanao hiala tsiny amim-pahatsorana izany. Koa satria ny fitiavana “tsy manao otripo”, dia angamba afaka mamela ilay raharaha ho naman’ny lasa ianao. (1 Korintiana 13:5). Manao jery todika ny fisakaizana very iray i Keenon tanora ka milaza hoe: “Raha tsy maintsy ho naveriko indray ny zava-drehetra, dia tsy ho nanantena fahalavorariana avy tamin’ilay fisakaizanay aho. Ho nihaino kokoa sy nanohana azy ary tsy nanitatra ny kileman-toetrany aho. Takatro ankehitriny fa ny mahatonga fisakaizana mahomby iray dia ny fiatrehana ny fitsapana sy ny zava-tsarotra.”
Ahoana anefa raha toa ilay namanao ka tsy miara-mandany fotoana betsaka aminao toy ny teo aloha na betsaka araka izay tianao? Mety ho nanjary saro-piaro tafahoatra tamin’ny fotoanan’ilay namanao sy ny fiheverany ve ianao? Afaka misakana ny fitomboan’ny fifandraisana iray izany. Mifanome fahalalahana sasany ny olona manana fifandraisana tsara. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 25:17.) Manome toerana be dia be ho an’ny fankafizana olon-kafa izy ireo! Rehefa dinihina, ny Baiboly dia mampirisika ny Kristiana mba ‘hihamalalaka’ eo amin’ny fisakaizany. (2 Korintiana 6:13). Koa rehefa manao izany ny namana iray, dia tsy misy ilana ny hiheverana azy ho mivadika.
Raha ny marina, dia tsy hevitra tsara, na ahoana na ahoana, ny hanjary hiankina be loatra amin’ny olona iray, na iza izy na iza. (Salamo 146:3). Fahendrena ny hambolena fisakaizana amin’ny sasany ivelan’ny antokon’olona mitovy taona aminao, toy ny ray aman-dreninao, ireo loholona, sy ny olon-dehibe hafa miahy sy mampiseho fahaiza-mandray andraikitra. Milaza toy izao amim-pitiavana i Ana: “Ny reniko no mpinamana be indrindra amiko. Afaka miresaka aminy momba ny zavatra na inona na inona sy ny zava-drehetra aho.”
Azo atao ny manana fisakaizana maharitra!
Milaza toy izao ny Baiboly ao amin’ny 1 Petera 3:8 (NW ): “Farany, dia aoka hiray saina ianareo rehetra, maneho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, manana firaiketam-pon-drahalahy, mangoraka amim-pitiavana, manana toe-tsaina manetry tena”. Eny, manehoa hatsaram-panahy, fangorahana, tsy fivadihana ara-pitondran-tena, sy fiahiana amim-pahatsorana ny hafa, dia hanintona namana foana ianao! Marina fa mitaky ezaka sy fahatapahan-kevitra ny fisakaizana maharitra. Mahatonga izany ho mendrika tsara ny hanaovana ezaka anefa ireo valisoa.
Amin’ny fomba mahaliana no iresahan’ny Baiboly momba an’i Davida sy i Jonatana. Nanana fisakaizana niavaka izy ireo. (1 Samoela 18:1). Afaka nandresy fialonana sy kileman-toetra madinika izy ireo. Azony natao izany satria samy nametraka ny fisakaizana tamin’i Jehovah Andriamanitra sy ny tsy fivadihana taminy ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra i Davida sy i Jonatana. Manaova toy izany koa, ary dia tsy ho sahirana firy ianao hihazona namana matahotra an’Andriamanitra!
[Sary, pejy 26]
Matetika no rava ny fisakaizana rehefa mihevitra ny olona iray fa fivadihana ny fananana namana hafa