Fiatrehana Tarehin-javatra Nilana Fikarakarana Ara-pitsaboana Maika
“HITENY amim-pahatsorana aho; fivontosana mahafaty io mahazo anao io. Raha tsy esorintsika ara-potoana izy io, dia hanimba taova hafa iankinan’ny aina. Izany no antony anoroako hevitra ny amin’ny hanapahana ny tongotrao.”
Nanaitra ahy mafy ireo tenin’ilay dokotera, toy ny hoe notobahana rano mangatsiaka eran’ny siny aho, araka ny filazanay azy eto Peroa. Vao 21 taona monja aho. Iray volana talohan’izay, dia nanomboka nahatsapa fanaintainana teo amin’ny lohaliko havia aho ary notsaboina fa hoe voan’ny rohana. Tao anatin’ny andro vitsivitsy anefa, dia tsy nahatsangana akory aza aho.
Tamin’izay fotoana izay aho dia nanompo tamin’ny naha-mpanompo manontolo andro anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Andes, any afovoany amin’i Peroa. Taorian’ny niverenako tany Huancayo, tanàna nahabe ahy, dia niara-nidina tamiko nankany amin’ny tanànan’i Lima any amoron-tsiraka ny reniko. Tany, tamin’ny 22 Jolay 1994, dia niditra tao amin’ny hopitaly tsara indrindra fitsaboana kansera eto Peroa aho, ka tao no nahafantarako fa nantsoina hoe ostéosarcome ilay aretiko.
Raharaha momba ny feon’ny fieritreretana
Tsy ela aho dia nampahafantarina fa tsy manao fandidiana tsy misy fampiasana ra ilay hopitaly. Nilaza toy izao mihitsy aza ny dokotera iray: “Aleoko ianao maty any an-tranonao toy izay hoe izaho no ho tompon’andraikitra amin’ny hahafatesanao.” Nisalovana anefa ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) teo an-toerana, antokona Vavolombelon’i Jehovah izay mampandroso ny fiaraha-miasa eo amin’ny hopitaly sy ny marary. Vokatr’izany, ny lehiben’ny mpandidy ao amin’ilay hopitaly dia nanome lalana ny dokotera niara-niasa taminy, na iza izy na iza, mba handidy raha toa izy ka nanaiky hiatrika ilay zava-tsarotra. Vonona ny dokotera iray, ary nomanina teo no ho eo ho amin’ilay fandidiana aho.
Nanana mpitsidika maro aho talohan’ilay fandidiana. Nisy pretra iray, nivimbina Baiboly, tonga ka nilaza fa sazy avy tamin’Andriamanitra ilay aretiko. Nampirisika ahy mafy izy mba hanararaotra ny fitsaboana na inona na inona, izay hahavonjy ny aiko. Nilazako izy fa tapa-kevitra ny hanaraka ny didin’ny Baiboly mba ‘hifady ra’ aho. — Asan’ny Apostoly 15:19, 20, 28, 29.
Nisy mpitsabo mpanampy koa tonga ka ningonongonona hoe: “Adala izany raha olona, adala izany raha olona!” Nisy antokona dokotera koa tonga. Ta hahita ilay tovolahy izay tsy nanaiky hampidiran-dra amin’ny karazana fandidiana izay noheverin’izy ireo fa tena ilana ra, izy ireo. Ny fitsidihana lehibe indrindra ho ahy anefa dia ny an’ireo Kristiana tahaka ahy sy ireo havako. Tena nanaitra an’ireo mpitsabo mpanampy ireny fitsidihana maro nampahery ireny.
Fitsaboana nahomby tsy nisy fampiasana ra
Minitra vitsy talohan’ny nanatoranana ahy, dia reko ny iray tamin’ireo anesthésistes niteny hoe: “Tsy ho tompon’andraikitra amin’izay hitranga aho an!” Nanaja ny fangatahako mba tsy hampidirana ra anefa ny anesthésiste hafa iray, ary koa ilay mpandidy ahy sy ireo talen’ilay hopitaly. Ny zavatra reko nanaraka dia ny anesthésiste iray niteny hoe: “Samuel a, mifohaza. Vita ny fandidiana anao.”
Na dia efa nesorina aza ny tongotro havia manontolo, dia nanomboka nahatsapa fanaintainana mafy teo amin’izay nisy azy io aho. Ta hanamaivana ilay fanaintainana aho tamin’ny fihaorana ny feko, izay mazava ho azy fa tsy teo intsony. Nahatsapa ilay fisehoan-javatra mahagaga fantatra hoe fanaintainana foromporonin’ny saina aho. Tena nahatsapa fanaintainana tokoa aho, ary tena mafy ilay izy, na dia efa nesorina aza ilay rantsambatana izay toa niavian’ilay fanaintainana.
Avy eo, dia nandaharana fotoana aho mba hahazo fitsaboana amin’ny alalan’ny zavatra simika. Vokany ratsy iray entin’io fitsaboana io ny fahaverezana liomena sy liofotsy ary plaquettes, izay tena zava-dehibe amin’ny fivainganan’ny ra. Nidika izany fa hisy antokona dokotera hafa tsy maintsy hampahafantarina momba ny tsy fanekeko hampidiran-dra. Nifandray tamin’ireo tompon’andraikitra ireo indray ny KMH, ary nanaiky hanao ilay fitsaboana tsy misy fampiasana ra ireo dokotera.
Niseho taorian’ilay fitsaboana amin’ny zavatra simika ny vokany ratsy mahazatra — nihintsana ny voloko ary nisalebolebo sy nandoa ary azon’ny fahaketrahana aho. Nampahafantarina ahy koa fa ho 35 isan-jato ny mety hisian’ny lotsi-dran’ny atidoha. Tsy aritro ny tsy hanontany ny iray tamin’ireo dokotera ny amin’izay hahafaty ahy — ilay kansera sa ilay fitsaboana amin’ny zavatra simika.
Taorian’izay, dia nilaza ireo dokotera fa tsy ho afaka hanome ilay fatra faharoa amin’ilay fitsaboana amin’ny zavatra simika izy ireo raha tsy mampitombo ny fatran’ny rako amin’ny alalan’ny fampidiran-dra aloha. Nilaza tamiko tamim-pahatezerana ny dokotera iray fa raha azony natao izany, dia ho notoraniny aho ka ho nampidirany ra. Nilaza taminy aho fa alohan’ny hamelako ny hitrangan’izany, dia hatsahatro tanteraka ilay fitsaboana amin’ny zavatra simika. Naneho ny fiderany noho ny fijoroako mafy ilay dokotera.
Nanaiky handray érythropoïétine aho mba hampitomboana ny fatran’ny rako. Rehefa nampidirina izy io, dia nitombo ny fatran’ny rako. Taorian’izany, dia natao tamiko ilay fitsaboana amin’ny zavatra simika, ka nampidirina tao amin’ny lalan-drako nandritra ny fe-potoana nisy andro maromaro. Nitsotra teo aho sady nanontany tena hoe: ‘Ho io ve ilay fatra izay hiteraka lotsi-dran’ny atidoha amiko?’ Velom-pisaorana aho fa vita ny fandraisako ilay fanafody rehetra kanefa tsy nisy vokany nampidi-doza.
Talohan’ny handidiana ahy, dia fomba fanaon’ilay hopitaly ny tsy nandray olona raha tsy nanaiky hampidiran-dra izy ireny. Niova anefa io fomba fanao io. Raha ny marina, tamin’iny andro taorian’ny nandidiana ahy iny ihany, dia nanao fandidiana hafa tsy nisy fampiasana ra ilay mpandidy ahy, ary tamin’io fotoana io dia tsy Vavolombelon’i Jehovah ilay narary! Ankehitriny dia dokotera maromaro ao amin’io hopitaly io no miara-miasa akaiky amin’ny KMH, ary nanaiky handray marary izay maniry fandidiana tsy misy fampiasana ra izy ireo.
Fanitsiana araka ny fetrako
Hatramin’ny fahazazako dia nampianarina ny lalan’Andriamanitra aho. Azoko antoka fa nanampy ahy izany mba hihazona ny hevitra ekeko mafy miorina amin’ny Baiboly, tao anatin’io tarehin-javatra nilana fikarakarana ara-pitsaboana maika io. Kanefa, tato ho ato aho dia ory noho izaho tsy afaka nanao betsaka araka izay tiako teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nilaza ny fihetseham-poko tamin’ny dadatoako iray izay loholona kristiana aho. Nampahatsiahiviny ahy fa na dia ny apostoly Paoly aza dia nanana izay nantsoiny hoe ‘tsilo tao amin’ny nofony’ ary koa fa nisakana azy tsy hanompo an’Andriamanitra tamin’ny fomba feno araka izay tiany izy io. Nanao izay azony natao anefa i Paoly. (2 Korintiana 12:7-10). Nanampy ahy be dia be ny fanazavana nomen’ny dadatoako.
Vao haingana izay dia nasiana tongotra namboarina aho. Antenaina fa hahatonga ahy ho afaka hanao fanompoana miitatra kokoa ho an’i Jehovah Andriamanitsika izy io. Velom-pisaorana aho fa nitana feon’ny fieritreretana madio nandritra ilay toe-javatra nilako fikarakarana ara-pitsaboana maika. Matoky aho fa raha mahatoky hatrany, i Jehovah dia hamaly soa ahy amin’ny vatana salama sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa, izay tsy hisy fanaintainana sy fijaliana intsony. — Apokalypsy 21:3, 4. — Notantarain’i Samuel Vila Ugarte.