Teny Mandratra Ovana ho Teny Manasitrana
“Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela”. — OHABOLANA 18:21.
MELOHINA mazava ao amin’ny Baiboly ny fanaratsiana — finiavana mampiasa teny manevateva sy fitenenan-dratsy. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, ny olona iray nanaratsy ny ray aman-dreniny dia nety ho niharan’ny fanasaziana ho faty. (Eksodosy 21:17). Araka izany, dia tsy hoe tsy manisy fiheverana io raharaha io i Jehovah Andriamanitra. Ny Teniny, ny Baiboly, dia tsy manohana ilay hevitra hoe na inona na inona mitranga ‘rehefa tsy misy mahita’ dia tsy mampaninona firy, raha mbola milaza ho manompo an’Andriamanitra koa ny olona iray. Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.” (Jakoba 1:26; Salamo 15:1, 3). Koa raha mampijaly ny vadiny amin’ny teny ny lehilahy iray, dia mety hanjary tsy hisy vidiny eo imason’Andriamanitra ny asa kristiana hafa rehetra ataony.a — 1 Korintiana 13:1-3.
Ankoatra izany, ny Kristiana iray izay mpanaratsy dia mety hiharan’ny fandroahana avy ao amin’ny kongregasiona. Mety hamoy ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy aza izy. (1 Korintiana 5:11; 6:9, 10). Mazava fa mila manao fiovana tanteraka ny olona iray izay mandratra amin’ny teniny. Ahoana anefa no azo anatanterahana izany?
Fampiharihariana ilay olana
Miharihary fa tsy hiova ny mpanafintohina iray, raha tsy takany mazava fa manana olana lehibe izy. Mampalahelo fa lehilahy maro, izay mampiasa fitenenan-dratsy, “no tsy mihevitra velively ny fitondran-tenany ho fampijaliana. Ho an’ireny lehilahy ireny, dia ara-dalàna tanteraka ny fanaovan-javatra toy izany ary izany no fomba ‘ara-dalàna’ ifandraisan’ny lehilahy amin’ny vadiny”, araka ny nomarihin’ny mpanolo-tsaina iray. Araka izany, dia maro no tsy hahita ny ilany hiova, mandra-pisarika ny sainy amin’ny fomba tsy miolakolaka ho amin’ilay tarehin-javatra.
Matetika ilay vehivavy, taorian’ny nandinihany tamim-bavaka ilay tarehin-javatra misy azy, no hahatsiaro ho voatery hiteny amim-pahatsorana — mba hahasoa azy sy ny zanany sy noho ny fiahiana ny toeran’ny vadiny eo anatrehan’Andriamanitra. Marina fa misy foana ny mety hitrangan’ny hoe mety hanaratsy kokoa ny toe-javatra ny fitenenana amim-pahatsorana ary koa mety ho tojo fandavana vary raraka ny teniny. Angamba afaka mihodivitra an’izany ny vehivavy iray amin’ny fiheverana mialoha amim-pitandremana ny amin’ny fomba hanombohany ilay foto-dresaka. “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 25:11). Mety hanohina ny fon’ilay lehilahy ny tari-dresaka atao amim-pahalemem-panahy kanefa amim-pahatsorana, amin’ny fotoana maha-tony. — Ohabolana 15:1.
Tsy tokony hanao fiampangana ny vehivavy iray fa tokony hiezaka kosa haneho ny heviny avy amin’ny fomba fijery ny fiantraikan’ny teny mandratra eo amin’ny tenany. Matetika no mandaitra indrindra ny filazana misy hoe “aho”. Ohatra, hoe ‘Mahatsiaro ho voaratra aho satria (...)’, na hoe ‘Mahatsiaro ho ory aho rehefa miteny amiko ianao hoe (...)’. Ny filazana toy izany dia azo inoana kokoa fa hanohina ny fo, satria ilay olana fa tsy ilay olona no asiany. — Ampitahao amin’ny Genesisy 27:46–28:1.
Afaka ny hisy vokany tsara ny fisalovanan’ny vehivavy iray amin’ny fomba hentitra nefa feno fahaiza-mandanjalanja. (Ampitahao amin’ny Salamo 141:5.) Hitan’ny lehilahy iray antsointsika hoe Steven fa izany no izy. “Nahatsikaritra ny maha-mpampijaly ahy izay tsy hitako, ny vadiko, ary nanana ny herin-tsaina hamosaka izany izy”, hoy izy.
Fahazoana fanampiana
Inona anefa no azon’ny vehivavy iray atao, raha toa ny vadiny ka mandà tsy hanaiky ilay olana? Amin’izay fotoana izay dia mitady fanampiana any ivelany ny vehivavy sasany. Amin’ny fotoan’ny fahoriana toy izany, dia afaka manatona ireo loholona ao amin’ny kongregasionany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampirisika mafy an’ireo lehilahy ireo ny Baiboly mba ho be fitiavana sy hatsaram-panahy rehefa miandry ny ondrin’Andriamanitra ara-panahy, ary anefa mba “handresy lahatra ny mpanohitra” ny fampianarana tsy misy kileman’ny Tenin’Andriamanitra. (Titosy 1:9; 1 Petera 5:1-3). Na dia tsy anjaran’ireo loholona aza ny mitsabaka amin’ny raharaha manokan’ny mpivady, dia ara-drariny raha manahy izy ireo rehefa ory noho ny teny henjana ataon’ny ankilany ny iray amin’ny mpivady. (Ohabolana 21:13). Mifikitra akaiky amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly ireo lehilahy ireo, ka tsy manala tsiny na manamaivana ny fitenenan-dratsy.b
Mety ho afaka ny hanamora ny fifampiresahan’ny lehilahy sy ny vadiny ireo loholona. Ohatra, ny loholona iray dia nohatonin’ny vehivavy iray izay nitantara ireo taona maro namelezan’ny vadiny azy tamin’ny teny, nefa dia mpiray finoana aminy ihany ny vadiny. Nanao fandaharana ilay loholona mba hihaonana tamin’izy roa. Rehefa niteny ny andaniny, dia nangataka ny ankilany mba hihaino sy tsy hanapaka ny teniny, ilay loholona. Rehefa anjaran’ilay vehivavy no niteny, dia nilaza izy fa tsy nahalefitra intsony ny fipoahan’ny fahatezeran’ny vadiny. Nandritra ny taona maro, hoy ny fanazavany, dia natahotra izy tamin’ny nifaranan’ny andro tsirairay, satria tsy fantany mihitsy raha ho tezitra ny vadiny na tsia rehefa niditra ny varavarana. Rehefa nipoaka ny fahatezeran’ilay lehilahy, dia nilaza zavatra manivaiva momba ny fianakaviana sy ny namana ary ny tenan’ilay ramatoa izy.
Nangatahin’ilay loholona ilay vehivavy mba hanazava izay tsapany ho vokatry ny tenin’ilay vadiny. “Nahatsapa ny tenako ho toy ny olona mahasosotra tsy azon’iza na iza tiavina aho”, hoy ny navaliny. “Indraindray aho dia nanontany ny reniko hoe: ‘Neny a, olona sarotra iaraha-monina ve aho? Tsy maha-te ho tia ve aho?’ ” Teo am-pilazalazany izay tsapany ho vokatry ny tenin’ny vadiny, dia nanomboka nitomany izy io. Vao voalohany ilay lehilahy no afaka nahita ny halalin’ny nandratrany ny vadiny tamin’ny teniny.
Afaka miova ianao
Nanana olana momba ny fitenenan-dratsy ny Kristiana sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nananatra azy ireo ny apostoly Paoly kristiana mba hanesotra ny “fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra”. (Kolosiana 3:8). Kanefa, olana mahakasika ny fo kokoa noho ny lela ny teny henjana. (Lioka 6:45). Izany no antony nanampian’i Paoly teny mba ‘hanariana ny toetra taloha mbamin’ny asany, ary hitafiana ny toetra vaovao’. (Kolosiana 3:9, 10). Koa tsy ny fitenenana amin’ny fomba hafa ihany no tafiditra amin’ny fiovana, fa ny fananana fihetseham-po amin’ny fomba hafa koa.
Mety hila ny hampiana ny lehilahy iray mampiasa teny mandratra mba hamantarany hoe inona marina no antony manosika ny fitondran-tenany.c Ho tiany ny hanana ny fihetsiky ny mpanao salamo toy izao: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko”. (Salamo 139:23, 24). Ohatra: Nahoana izy no mahatsiaro ho mila manapaka, na mifehy, ny vadiny? Inona no miteraka fanafihana amin’ny teny? Moa ve ireo fanafihany marika famantarana ny lolompo lalina kokoa? (Ohabolana 15:18). Moa ve izy mijaly noho ny fahatsapana ho tsy misy vidiny, angamba vokatry ny fanabeazana izay voamariky ny teny fanakianana? Afaka manampy ny lehilahy iray hanala sarona ny fototry ny fitondran-tenany ny fanontaniana toy ireo.
Sarotra ongotana anefa ny fitenenan-dratsy, indrindra raha nalentiky ny ray aman-dreny izay nanesoeso tamin’ny teny na nalentiky ny kolontsaina iray izay mampandroso ny fitondran-tena manjakazaka. Na inona na inona anefa zavatra nianarana, dia azo foanana — amin’ny alalan’ny fotoana sy ny ezaka. Ny Baiboly no fanampiana lehibe indrindra amin’io lafiny io. Afaka manampy ny olona iray handrava fitondran-tena latsa-paka mafy mihitsy aza izy io. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 10:4, 5.) Amin’ny fomba ahoana?
Fomba fijery araka ny tokony ho izy momba ny anjara asa nanendren’Andriamanitra
Matetika ireo lehilahy izay mandratra amin’ny teny no manana fomba fijery voaolana momba ny anjara asa nanendren’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy manambady. Ohatra, manambara i Paoly, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, fa ny vehivavy dia tokony ‘hanaiky ny vadiny’ ary koa fa “ny lahy no lohan’ny vavy”. (Efesiana 5:22, 23). Mety hihevitra ny lehilahy iray fa manome lalana azy hampihatra fifehezana tanteraka, ny maha-lohany azy. Tsy izany anefa no izy. Tsy andevony ny vadiny, na dia manaiky aza. “Mpanampy” azy sy ‘famenony’ izy. (Genesisy 2:18, NW ). Noho izany, dia manampy teny toy izao i Paoly: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana”. — Efesiana 5:28, 29.
Amin’ny maha-lohan’ny kongregasiona kristiana azy, i Jesosy dia tsy nandevilevy mihitsy ny mpianany, ka hoe nahatonga azy ireo hanahy tamim-pahataitairana hoe rahoviana no hitranga ny fipoahan’ny fanakianana manaraka. Nalemy fanahy kosa izy, ka tamin’izany dia nitsimbina ny fahamendrehan’izy ireo. “Hamelombelona anareo aho” (NW ), hoy ny fampanantenany. “Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho”. (Matio 11:28, 29). Afaka manampy ny lehilahy iray hijery amin’ny fomba voalanjalanja kokoa ny fahefany amin’ny maha-lohany, ny fisaintsainana ao amin’ny vavaka ny amin’ny fomba nampiharan’i Jesosy ny fahefany amin’ny maha-lohany.
Rehefa mipoitra ny fihenjanana
Zavatra iray ny fahafantarana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly; zavatra hafa tanteraka ny fampiharana azy ireny rehefa iharan’ny fanerena ny tena. Rehefa mipoitra ny fihenjanana, dia ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray manalavitra ny fiverenana indray amin’ny fomba fiteny henjana?
Tsy mariky ny fitombanan-dahy ny hilan’ny lehilahy iray ady amin’ny alalan’ny teny, rehefa tezitra izy. Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.” (Ohabolana 16:32). Mahazaka na mahafehy ny fanahiny ny tena lehilahy. Maneho fangorahana izy amin’ny fiheverana ny hoe: ‘Ahoana no fiantraikan’ny teniko eo amin’ny vadiko? Ahoana no ho tsapako raha izaho no eo amin’ny toerany?’ — Ampitahao amin’ny Matio 7:12.
Eken’ny Baiboly anefa fa misy tarehin-javatra sasany mety hampahatezitra. Momba ny toe-javatra toy izany, dia izao no nosoratan’ny mpanao salamo: “Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna.” (Salamo 4:4). Toy izao koa no fomba nanambarana izany: “Tsy misy maha-ratsy ny hoe tezitra, fa ratsy ny manafika amin’ny teny amin’ny alalan’ny fanesoana, ny fampietrena, na ny fanivaivana.”
Raha tsapan’ny lehilahy iray fa miha-tsy voafehiny ny teniny, dia afaka mianatra ny manisy fiatoana izy. Angamba ho fahendrena ny handaozana ilay efitra, ny handehandehanana, na ny hitadiavana toerana mitokana mba hampitony. Hoy ny Ohabolana 17:14: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” Tohizo indray ilay dinidinika rehefa tony ny fihetseham-po.
Mazava ho azy fa tsy misy olona tanteraka. Mety ho lavo indray ny lehilahy iray izay nanana olana momba ny teny henjana. Rehefa mitranga izany, dia tokony hiala tsiny izy. Fanaovan-javatra mitohy ny fitafiana ny “toetra vaovao”, kanefa fanaovan-javatra iray ijinjana valisoa lehibe. — Kolosiana 3:10.
Teny manasitrana
Eny, “ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela”. (Ohabolana 18:21). Tsy maintsy soloana teny mampahery sy manatanjaka ny fanambadiana, ny teny mandratra. Hoy ny ambaran’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara [“fanasitranana”, NW ] ny taolana.” — Ohabolana 16:24.
Taona maromaro lasa izay, dia nisy fandinihana iray natao mba hamantarana hoe inona avy ireo anton-javatra nahavanona an’ireo fianakaviana matanjaka. “Hitan’ilay fandinihana fa ireo mpikambana amin’ireo fianakaviana ireo dia nifankatia, ary nifampilaza hatrany fa nifankatia”, hoy ny tatitra nataon’i David R. Mace, manam-pahaizana momba ny fanambadiana. “Nifaneho fankasitrahana izy ireo, nifanome fahatsapana hoe sarobidy ny tsirairay, sy nanararaotra ny fotoana nety rehetra mba hiresahana sy hanaovan-javatra tamim-piraiketam-po. Ny vokany, mazava ho azy, dia nankamamy ny fiarahany izy ireo ary nifampahery tamin’ny fomba izay nahatonga ireo fifandraisany ho tena nahafa-po.”
Tsy misy lehilahy matahotra an’Andriamanitra afaka milaza marina hoe tia ny vadiny, raha toa izy ka mandratra azy an-tsitrapo amin’ny teniny. (Kolosiana 3:19). Mazava ho azy fa marina koa izany ny amin’ny vehivavy iray izay mamelively ny vadiny amin’ny teny. Eny tokoa, adidin’izy mivady ny manaraka ny fananaran’i Paoly toy izao ho an’ireo Efesiana: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” — Efesiana 4:29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia manisy firesahana an’ilay manafintohina ho lehilahy aza izahay, dia mihatra amin’ny vehivavy amin’ny fomba mitovy koa ireo fotopoto-pitsipika ato anatin’itỳ lahatsoratra itỳ.
b Mba hananany ny toetra ilaina mba hanompoana na mba hanohizany manompo amin’ny maha-loholona, ny lehilahy iray dia tsy tokony ho mpikapoka. Tsy afaka ny hamely olona ara-batana na hibetroka azy amin’ny fanamarihana manindrona, izy. Tokony hanapaka tsara ny ankohonany ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Na dia mety hanao zavatra amin-katsaram-panahy aoka izany aza ny lehilahy iray any an-toeran-kafa, dia tsy manana ny toetra ilaina izy, raha toa ka tsy refesi-mandidy ao an-tokantrano. — 1 Timoty 3:2-4, 12.
c Fanapahan-kevitra manokana ny hoe hanaraka fitsaboana na tsia ny Kristiana iray. Tokony ho azony antoka anefa fa tsy mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny fitsaboana azony.
[Sary, pejy 9]
Mety ho afaka ny hanampy ny mpivady iray hifampiresaka ny loholona kristiana iray
[Sary, pejy 10]
Tokony hanao ezaka ny lehilahy sy ny vadiny mba hifampahatakatra hevitra