Fijerena An’izao Tontolo Izao
Hadino ny Lalàna
Firy amin’ireo Didy Folo ao amin’ny Baiboly no hainao tsianjery? Hitan’ny fandinihana iray tany Rio de Janeiro fa maherin’ny ampahefatry ny Breziliana no tsy nahay na dia iray aza tamin’ireo Didy Folo! Tamin’ireo izay nahalala didy iray, fara fahakeliny, dia 42 isan-jato no nanonona ny hoe “Aza mamono olona”, na hoe “Aza mangalatra”. Ny hafa nahatsiaro ny hoe “Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao” (38 isan-jato), ‘Manajà ny rainao sy ny reninao’ (22 isan-jato), sy ny hoe “Aza mety ho vavolombelona mandainga” (14 isan-jato), hoy ny tatitra nataon’ny Veja. Telo ambin’ny folo isan-jato monja tamin’ireo namaly ilay fanadihadiana no nahatadidy ilay didy fahatelo hoe: “Aza manonona foana ny anarana masin’Andriamanitra.”
Fandripahana Ala Maneran-tany
“Ny androatokon’ny ala nandrakotra ny planetantsika no efa ripaka”, hoy ny tatitra nataon’ny Jornal da Tarde. Tamin’ireo ala 80 tapitrisa kilaometatra toradroa tany am-boalohany teto an-tany, dia 30 tapitrisa kilaometatra toradroa sisa no tavela. Hitan’ny World Wildlife Fund (WWF) fa i Azia no kontinanta nandripahana ala be indrindra, satria 88 isan-jaton’ny alany tany am-boalohany no ripaka. Ny an’i Eoropa, 62 isan-jato; Afrika, 45 isan-jato; Amerika Latina, 41 isan-jato; ary Amerika Avaratra, 39 isan-jato. Mbola manana maherin’ny 85 isan-jaton’ny alany tany am-boalohany i Amazonia, izay misy ny ala tropikaly lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao. Nanonona izao tenin’i Garo Batmanian, izay ao amin’ny WWF, izao ny O Estado de S. Paulo: “Manana fahafahana tsy hamerina ireo fahadisoana natao tamin’ny ala hafa, i Brezila.”