Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
TOY ny hoe mbola tsy ampy ny ady sy ny vonoana olona ary ny habibiana mba hanimbana ireo tanorantsika, fa eo koa ny famonoan-tena. Manimba ny saina sy ny vatan’ny tanora maro ny zava-mahadomelina sy ny fisotroana tafahoatra, ka maro amin’izy ireny no maty. Mihafahita ilay teny fahatsiarovana manao hoe: Maty noho ny fatran-java-mahadomelina be loatra — na niniana natao izany, na tsy nahy.
Ilay gazetiboky hoe Morbidity and Mortality Weekly Report, tamin’ny 28 Aprily 1995, dia nilaza fa “ny famonoan-tena no antony lehibe fahatelo mahatonga fahafatesana eo amin’ny zatovo 15 ka hatramin’ny 19 taona, eto Etazonia”. Izao no nosoratan’ny Dr. J. J. Mann tao amin’ny The Decade of the Brain: “Amerikanina 30 000 mahery [31 284, tamin’ny 1995] no mamono tena isan-taona. Mampalahelo fa tanora mazàna no lasibatra (...). Avo folo heny noho ireo olona 30 000 ireo no nanandrana namono tena, fa voavonjy ihany. (...) Zava-tsarotra lehibe amin’ireo dokotera ny mamantatra hoe iza amin’ireo marary no mety hamono tena. Tsy mora fantatra mantsy hoe iza no voan’ny fahaketrahana mafy ka mety hanandrana hamono tena, ary iza no tsy hanao izany.”
Izao no fanamarihan’i Simon Sobo, lehiben’ny sampam-pitsaboana ny marary saina ao amin’ny Hôpitaly New Milford, any Connecticut, any Etazonia: “Betsaka kokoa ny olona nanandrana namono tena tamin’itỳ lohataona itỳ [1995] raha oharina amin’izay efa hitako tao anatin’ny 13 taona nahateto ahy.” Zatovo an’arivony maro, isan-taona, no manandrana mamono tena, any Etazonia. Ny tsirairay amin’ireny fanandramana ireny dia fitalahoana fanampiana sy fiheverana. Iza no ho tonga mba hanolotra fanampiana dieny mbola tsy diso aoriana loatra?
Olana maneran-tany
Tsy dia mifankaiza loatra amin’izany ny toe-javatra any amin’ny faritra maro hafa amin’ny tany. Tany Inde, araka ny voalazan’ny India Today, dia tanora 30 000 eo ho eo no namono tena nandritra ny taona 1990. Any Espaina, Failandy, Frantsa, Holandy, Israely, Kanada, Nouvelle-Zélande, Soisa, ary Tailandy, dia nitombo ny tahan’ny famonoan-tena eo amin’ny tanora. Ny tatitra iray navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF), tamin’ny 1996, dia manambara fa any Failandy, Letonia, Litoania, Nouvelle-Zélande, Rosia ary Slovenia no ambony indrindra ny tahan’ny famonoan-tena eo amin’ny tanora.
Anisan’ny tany manana taha ambony indrindra amin’ny famonoan-tena eo amin’ny tanora koa i Aostralia. Tamin’ireo tanora rehetra maty tao amin’io tany io, tamin’ny 1995, dia famonoan-tena avokoa no nahafaty ny 25 isan-jaton’ny lehilahy, sy ny 17 isan-jaton’ny vehivavy. Izany no tatitra nataon’ilay gazety atao hoe The Canberra Times. Raha ny famonoan-tena “nahomby” no asian-teny, dia avo dimy heny noho ny an’ny ankizivavy aostralianina ny an’ny ankizilahy. Toy izany koa no hita any amin’ny ankamaroan’ireo firenena.
Midika ve izany fa betsaka kokoa ny ankizilahy manandrana mamono tena, miohatra amin’ny ankizivavy? Tsy voatery ho izany. Tsy misy fahasamihafana firy ny isan’ny lahy sy ny vavy nanandrana namono tena, araka ny fanazavana azo. “Avo efatra heny eo ho eo noho ny isan’ny zazavavy namono tena [anefa] ny isan’ny zazalahy atỳ amin’ny firenena mandroso, raha jerena ireo tarehimarika farany indrindra avy tamin’ny OMS [Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana].” — The Progress of Nations, navoakan’ny UNICEF.
Na dia ireo antontan’isa mampihoron-koditra ireo aza anefa dia mety tsy hahalaza ny tena halalin’ilay olana. Mora erỳ ny mamaky ny antontan’isa momba ny famonoan-tenan’ny tanora, amin’izato izy ambara amin’ny teny fampiasa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny famakafakana. Mazàna no tsy takatra sy tsy hita ao amin’ny antontan’isa tsirairay, ny faharavan’ny fianakaviana, ny fahorian-tsaina, ny fahoriam-po, ny alahelo, ary ny famoizam-pon’ireo mbola velona, eo am-pitadiavany ny anton’ilay famonoan-tena.
Koa azo sorohina àry ve ny loza toy ny famonoan-tena eo amin’ny tanora? Nanjary fantatra ny antony lehibe vitsivitsy mahatonga azy io, ary mety hanampy izany mba hisorohana an’io toe-javatra mampalahelo io.
[Efajoro, pejy 5]
Antony Manosika Hamono Tena
Misy fanombantombanana maro natao momba ny antony manosika ny olona hamono tena. “Ny famonoan-tena dia vokatry ny fihetsiky ny olona iray eo anoloan’ny olana tsapany ho manototra azy, toy ny fahatsapana ho mitokana amin’ny hafa, ny fahafatesan’ny havan-tiana (indrindra fa ny vady), fisaraham-panambadiana teo amin’ny ray aman-dreny nandritra ny fahazazana, ny aretina mafy, ny fandrosoan’ny taona, ny tsy fananana asa, ny olana ara-bola, ary ny fidorohana zava-mahadomelina.” — The American Medical Association Encyclopedia of Medicine.
Araka ny voalazan’ilay sôsiôlôgy antsoina hoe Emile Durkheim, dia misy karazany efatra lehibe ny famonoan-tena:
1. Famonoan-tena noho ny fitiavan-tena — “Heverina fa avy amin’ny tsy fahaizan’ny olona iray miditra ho anisan’ny fiaraha-monina no mahatonga” azy io. Mazàna no manirery ny olona toy izany, ary sady tsy mifandray no tsy miankina amin’ny fiaraha-monina misy azy.” Mirona hitokantokana izy ireo.
2. Famonoan-tena noho ny fiahiana ny hafa — “Tafiditra loatra ao amin’ny antokon’olona iray izy, hany ka mihevitra fa tsy misy sorona na inona na inona lehibe loatra ka hoe tsy mendrika ny hatao.” Ohatra ny amin’izany ireo kamikaze japoney mpanamory fiaramanidina, tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, sy ireo mpivavaka mahery fihetsika izay vonona ny ho faty, eo am-pamonoana ireo heveriny ho fahavalony. Ohatra hafa koa ireo izay maty nanao sorona ny tenany mba hisarihana ny sain’ny hafa ho amin’ny hevitra iray ijoroany.
3. Famonoan-tena noho ny tsy fananan-java-kendrena — “Tsy mahay miatrika zava-tsarotra amin’ny fampiasana fahaiza-misaina ny olona toy izany, ka ny famonoan-tena no vahaolana fidiny ho an’ny olana iray. Mitranga [izany] rehefa miova tampoka sy miova be ilay fifandraisana mahazatra nananany tamin’ny fiaraha-monina.”
4. Famonoan-tena noho ny finoana ny lahatra — “Heverina fa ny fisian’ny lalàna tafahoatra eo anivon’ny fiaraha-monina, ka mametra ny fahafahan’ny olona iray, no miteraka [azy io].” Ny olona toy izany “dia mihevitra fa tsy misy azo antenaina ny hoaviny”. — Adolescent Suicide: Assessment and Intervention, nataon’i Alan L. Berman sy i David A. Jobes.
[Sary, pejy 5]
Ny sasany amin’ireo fanao manimba izay mety hitarika ny tanora hamono tena