Ilay Fanantenana Atolotry ny Fivavahana Marina
EFA toetrantsika olombelona mihitsy ny tia miresaka momba ny zavatra izay mampanahy na mampientam-po antsika. Izany no anisan’ny antony ahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fahafinaretana rehefa mampita amin’ny hafa ny hafatra mahatalanjona ao amin’ny Baiboly izy ireo. Io hafatra io, izay manasongadina ny Fanjakan’Andriamanitra, dia mirakitra ny valin’ny fanontaniana momba ny zavatra izay tena mampanahy ny olona amin’izao andro izao, toy ny hoavy, ny filaminana, ny fahasalamana, ary ny fahasambarana. — Lioka 4:43.
Inona anefa aloha ny Fanjakan’Andriamanitra?
Fanantenana mampientana
Fitondram-panjakan’Andriamanitra tapahin’ny Zanany, ilay “Andrian’ny fiadanana”, ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly momba io Zanany io: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe (...) Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. — Isaia 9:5, 6.
Rehefa nibanjina ny hoavy lavitra, eny, atỳ amin’izao fe-potoana misy antsika eo amin’ny tantara izao, mbamin’ireo mpanapaka eo aminy, ny faminanian’ny Baiboly, dia nanambara mialoha toy izao: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; (...) ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.
Io Fanjakan’Andriamanitra, izay hotapahin’i Kristy, Andrian’ny fiadanana io, dia hanatanteraka ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy. Toy izao izany: “Rainay Izay any an-danitra (...). Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Hidika ho inona ho an’ny tany sy ho antsika ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Diniho ny fampanantenana nomen’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy, araka ny voarakitra ao amin’ny Baiboly. Aseho an-tsary eo amin’ireto pejy ireto ny sasany amin’izy ireo.
Hafatra avy amin’Andriamanitra
Tsy tokony hafenina ireo fampanantenana mahatalanjona hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary izany dia mamerina antsika indray amin’ny resaka fivavahana. Nanambara mialoha i Jesosy fa alohan’ny faran’ity fandehan-javatra ity, ireo mpanara-dia azy dia hanao ny dingana voalohany ka hitory ny Fanjakan’Andriamanitra: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8.
Io hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra io no torin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Ny Tilikambo Fiambenana, gazety iray naman’ity gazety ity, dia avoaka amin’ny fiteny 130, ary eo amin’ny fonon’ny tsirairay amin’ireo 22 tapitrisa mahery dia misy soratra vita pirinty hoe “Manambara ny Fanjakan’i Jehovah”.
Noho ianao olona hendry, dia irinao ny handray fanapahan-kevitra miorina amin’ny fahalalana tsara, raha ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fiainanao no asian-teny. (Ohabolana 18:13). Manasa anao manokana àry izahay mba hianatra misimisy kokoa momba ilay Fanjakana be voninahitr’Andriamanitra sy izay mety ho dikany ho anao. Mba hanaovana izany, dia aza lavina ny resaka momba ny Baiboly. Tsy misy resaka mety hahafantaran-javatra sy mahaliana ary tena lehibe kokoa noho izany. — Jaona 17:3.
[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]
Fampanantenana Tany Zary Paradisa
Hanjaka eto an-tany ny fandriampahalemana tanteraka. “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.” — Salamo 72:7, 8.
Haverina ho amin’ny fiainana indray, na dia ny maty aza. “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” — Asan’ny Apostoly 24:15.
Hanana fahasalamana tonga lafatra mandrakizay ny olona. “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. — Apokalypsy 21:3, 4.
Hanorina ny tranony manokana ny olona ka hitoetra ao. “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.” — Isaia 65:21.
Ho tondraka ny sakafo. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. — Salamo 72:16.