Anjara ve, sa Kisendrasendra?
“NAMONO olona maro ny anjara, ary nitsimbina olona hafa”, hoy ny fanambaran’ny International Herald Tribune. Nahafaty olona efa ho 200 sy nandratra an-jatony maro ireo fanafihan’ny mpampihorohoro ny ambasady amerikanina tatsy Kenya sy Tanzania, tamin’ny herintaona. “Niaro ireo diplaomaty zokiolona tao amin’ilay ambasady [anefa] ny fotoana”, hoy ny fanamarihan’ilay gazety.
Voatsimbina izy ireo, satria teo am-panatrehana fivoriana tao amin’ny faritra iray tamin’ilay ambasady, lavitra ny toerana nisy ilay fipoahan-javatra. Maty anefa ny manam-pahefana ambony iray tao amin’ilay ambasady, satria teo amin’ny faritra akaikin’ilay fipoahan-javatra izy, nefa tokony ho nanatrika ilay fivoriana.
“Sompatra tamin’i Arlene Kirk koa ny anjara”, hoy ilay gazety. Rehefa avy nanao vakansy izy, ka niverina tany Kenya, dia nanolo-tena hanome ny toerany voafandrika ho an’olon-kafa, tao amin’ilay fiaramanidina efa feno. Nisy mpandeha hafa nanolo-tena hanome ny toerany talohan’i Arlene anefa, ka nahatonga azy ho afaka nandeha tamin’ilay fiaramanidina ihany. Ho vokany, dia niverina niasa tany amin’ilay ambasady izy ny andro nitrangan’ilay fipoahan-javatra, ka maty.
Tsy zava-baovao amin’ny olombelona ny loza. Tsy mora velively anefa ny manazava ny antony itrangan’ny loza. Amin’ny loza aman’antambo maneran-tany, dia misy foana olona sasany maty, fa ny hafa kosa tsy maty. Tsy amin’ny fotoana isian’ny loza ihany anefa no misy olona manontany tena hoe: ‘Nahoana no izaho?’ Na dia mahakasika zavatra tsara eo amin’ny fiainana aza, dia misy toa ambinina kokoa noho ny hafa. Raha tolona tsy an-kijanona ny fiainana ho an’ny maro, dia toa mandeha tsara kosa ny zava-drehetra ho an’ny hafa. Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Mety ho efa voalahatra avokoa ve izany rehetra izany? Mifehy ny fiainako ve ny anjara?’
Fitadiavana fanazavana
Tokotokony ho 3 000 taona lasa izay, dia nandinika zava-nitranga tsy nampoizina nanodidina azy ny mpanjaka hendry iray. Nanolotra izao fanazavana izao momba ireny fisehoan-javatra ireny izy: “Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” (Mpitoriteny 9:11). Indraindray, dia mitranga ny tsy nampoizina. Tsy misy fomba azo amantarana azy mialoha mihitsy. Matetika no mitranga noho ny fotoana ny fisehoan-javatra manaitra, na tsara izany na ratsy.
Kanefa, mety hitovy hevitra amin’ny olona sasany ianao, dia amin’ireo izay tsy manazava ny zavatra hoe vokatry ny kisendrasendra, fa mihevitra kosa hoe misy hery hafa miasa, dia ny anjara. Anisan’ireo zavatra inoana ara-pivavahana efa tranainy indrindra sy miely patrana indrindra ny finoana ny anjara na ny vintana.a Milaza toy izao ny Profesora François Jouan, talen’ny Foibe Fikarohana Momba ny Angano, ao amin’ny Oniversiten’i Paris: “Tsy nisy vanim-potoana na sivilizasiona tsy nino ny hoe misy andriamanitra mifehy ny anjara (...) mba hanazavana ny zavatra rehetra tsy azo hazavaina eo amin’ny fiainantsika.” Izany no antony andrenesana matetika olona miteny hoe: “Mbola tsy anjarany ny ho faty” na hoe: “Izay no tsy maintsy ho fandehan-javatra”. Inona anefa no atao hoe anjara?
Famaritana ny atao hoe anjara
Ny teny anglisy hoe “fate” (anjara) dia avy amin’ny teny latinina hoe fatum, izay midika hoe “fanambarana ara-paminaniana, valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra, fahatapahan-kevitr’andriamanitra”. Heverina fa indraindray dia misy hery kisendrasendra manapaka izay ho hoavy amin’ny fomba tsy azo ihodivirana sy tsy azo hazavaina, nefa heverina ho andriamanitra io hery io, amin’ny ankapobeny.
Manazava toy izao i Helmer Ringgren, mpahay tantara ara-pivavahana: “Zavatra fototra hita ao amin’ny fomba fihevitra ara-pivavahana ilay fahatsapana fa ny anjaran’ny olombelona dia tsy hoe tsy misy heviny na tonga amin’ny kisendrasendra, fa vokatry ny hery iray azo lazaina hoe avy amin’ny ny sitrapo sy ny fikasana.” Na dia heverina aza matetika fa azo atao ihany ny misakana izany, dia olona maro no mihevitra ny olombelona ho kodiakely tsy manan-kery firy ao amin’ny lalao iray. Noho izany, dia ‘izay anjarany no hitany’.
Nanao ezaka naharitra ny teôlôjianina sy ny filôzôfa mba hanazavana ny atao hoe anjara. Hoy ny The Encyclopedia of Religion: “Misy heviny fototra foana hoe mistery ny hevitra ny amin’ny anjara, na inona na inona fiovana kely, fiteny na fahasamihafana kely eo amin’ny heviny.” Ny hevitra ny amin’ny hery ambony kokoa izay mifehy sy mitarika ny raharahan’ny olombelona anefa no hevitra hita foana ao amin’ireo fiheverana maro misafotofoto. Heverina fa manapaka mialoha izay ho fiainan’ny isam-batan’olona sy ny firenena io hery io, ka mahatonga ny hoavy ho tsy azo ihodivirana toy ny lasa ihany.
Anton-javatra lehibe
Tsy mampaninona ve na mino ny anjara ianao, na tsia? “Ny tarehin-javatra eo amin’ny fiainan’ny olona dia manan-kery lehibe manapaka eo amin’ny foto-pisainany; mifanohitra amin’izany koa anefa fa manan-kery lehibe manapaka eo amin’ny tarehin-javatra eo amin’ny fiainany ny foto-pisainany”, hoy ny nosoratan’i Bertrand Russell, filôzôfa anglisy.
Eny tokoa, afaka manapaka izay ho fomba fihetsitsika ny finoana ny anjara, na misy izany na tsia. Mino azy io ho ny sitrapon’ireo andriamanitra ny olona maro, ka tsy manao na inona na inona fa manaiky fotsiny ny toe-javatra misy azy, na dia tsy ara-drariny sy feno famoretana aza izany, toy ny hoe izay no anjara tsy azo ovana eo amin’ny fiainany. Manimba tsikelikely ny hevitra ny amin’ny andraikitry ny tena manokana, araka izany, ny finoana ny anjara.
Etsy an-danin’izany, dia nanosika olona hafa ho amin’ny mifanohitra amin’izany ny finoana ny anjara. Ohatra, anton-javatra maro no lazain’ireo mpahay tantara ho nahatonga ny fivoaran’ny kapitalisma sy ny revôlisiôna ara-taozava-baventy. Anisan’izany anton-javatra izany ny finoana ny lahatra. Misy fivavahana protestanta nampianatra fa misy olona efa voalahatr’Andriamanitra ho voavonjy. Hoy i Max Weber, sôsiôlôgy alemà: “Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy nipoitra tao an-tsain’ny mpino tsirairay ilay fanontaniana hoe: Anisan’ny voafidy hovonjena ve aho?” Nitady hahita ny isam-batan’olona raha nahazo ny fitahian’Andriamanitra izy na tsia, ka, araka izany, dia voalahatra ho voavonjy na tsia. Nanjohy hevitra i Weber hoe nanao izany izy ireo tao amin’ny “asa aman-draharahany mahazatra”. Noheverina ho famantarana ny fahazoana sitraka avy tamin’Andriamanitra ny fahombiazana eo amin’ny fandraharahana sy ny fitomboan-karena.
Manosika olona sasany hanao zavatra tafahoatra ny finoana ny anjara. Tamin’ny ady lehibe faharoa, dia nino ny kamikaze, na “rivotra avy amin’Andriamanitra”, ny mpanamory fiaramanidina japoney mpivarotra aina. Nanampy hevitra ambadika ara-pivavahana ho amin’ny fahafatesana mampihorohoro ny finoana hoe manana fikasana ny andriamanitra, ary azo atao ny manan-toerana ao amin’izany fikasana izany. Nandritra ny folo taona farany, dia matetika ireo olona mpivarotra aina izay nitondra baomba tany amin’ny tenany, tany Moyen-Orient, no teo amin’ny matoan-dahatsoratry ny gazety, noho ny fanafihana nampihorohoro nataony. Manjaka be ny finoana ny anjara ao amin’ireny “fanafihan’ny mpivarotra aina atosiky ny fitiavam-pivavahana” ireny, hoy ny fanamarihan’ny encyclopédie iray.
Fa nahoana no miely patrana aoka izany ny finoana ny anjara? Hanome ny valiny ny fandinihana fohy ny niandohan’izy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Efa miely patrana aoka izany ny hevitra ny amin’ny anjara, hany ka rehefa misy resaka momba ny fahafatesana, dia matetika no ampiasaina ny teny hoe “anjara” ao amin’ny fiteny maro.