Rehefa ao Anatin’ny Aretina Mafy Ianao
“Toy ny nilatsaham-baratra aho.” — John, rehefa avy nahafantatra fa voan’ny aretina mampitondra takaitra izy.
“Natahotra aho.” — Beth, rehefa avy nahatakatra fa, hay, aretina mafy no nahazo azy.
ANISAN’NY zavatra mampalahelo indrindra eo amin’ny fiainana ny fahafantaranao fa voan’ny aretina mitaiza sy miteraka takaitra ianao, na hampitondra takaitra maharitra anao ny ratra vokatry ny loza iray. Na ao amin’ny birao manginan’ny dokotera iray no andrenesanao ilay vaovao momba ny aretinao, na ao amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina, feno olona misomebiseby, no ampahafantarana anao mivantana ny takaitra mahazo anao, dia azo inoana fa sarotra aminao foana ny hino izany. Tsy misy zavatra firy eo amin’ny fiainana mantsy manomana anao hiatrika ny fihetseham-po mahery, izay mandifotra anao rehefa voakorontan’ny aretina mafy manimba ny fiainanao.
Mba hanangonana fanazavana izay mety hanampy an’ireo nanjary narary mafy tato ho ato, ny Mifohaza! dia niresaka tamin’olona maromaro tany amin’ny firenena samy hafa, izay niatrika tamim-pahombiazana aretina mitaiza sy miteraka takaitra, efa hatramin’ny taona maro. Nangatahina izy ireo hilaza izay zavatra voamariny sy hamaly fanontaniana toy izao: Inona no tsapanao? Inona no nanampy anao hahazaka ilay fotoan-tsarotra ka nahatonga anao ho tafarina ara-pihetseham-po indray? Inona avy no dingana nataonao mba hahafahanao hifehy indray ny fiainanao? Ny fahalalana nalaina nivantana avy tamin’ireny olona nadinadinina ireny, ary koa ny vokatry ny fikarohana sasany avy tamin’ny fandinihana ny vokatra entin’ny aretina maharitra, dia aseho ato ho tombontsoan’ireo miatrika aretina mafy amin’izao fotoana izao.a
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miantefa indrindra amin’ireo marary na mitondra takaitra ity fitohitohizan-dahatsoratra ity, fa ilay hoe “Aretina Mitaiza — Miara-misalahy ny Mpianakavy” (Mifohaza! tamin’ny 8 Jona 2000) kosa dia mirakitra fanazavana natao indrindra ho an’ireo izay mikarakara marary.